Mpitsara

Toko faha-8

2 Fa namaly azy i Gidehona ka nanao hoe: Inona moa izay nataoko raha mitaha amin'ny zava-bitanareo? Moa tsy ny firotsahanareo Efraimita na dia teo amin'ny sehatra kely aza ve no tsara lavitra noho ny nataon'ny tarika abihezerita fiaviako?

3 Fa teo an-tananareo no nanoloran'Andriamanitra an'i Horeba sy i Zeeba lehiben'ny Midianita. Koa inona izay vitako raha oharina amin'ny nataonareo? Dia nitony ny fahatezeran'ireo Efraimita, rehefa nandre izany tenin'i Gidehona izany izy.

4 Ary tonga teo Jordana i Gidehona sy ireo telonjato lahy niaraka taminy ka niampita. Efa reraka izy ireo nefa mbola nanenjika ny fahavalony ihany.

5 Nony tonga tao an-tanana Sokota izy, dia hoy i Gidehona tamin'ny mponina tao: Mba omeo mofo ireto olona miaraka amiko ireto fa reraka; eo am-panenjehana an'i Zebaha sy i Tsalmona mpanjaka midianita aho izao.

6 Fa novalian'ireo lehibe tao an-tanana izy ka nataony hoe: Ahoana moa izahay no hanome hanina ny tafikao? Efa eo ambany fahefanao sahady angaha i Zebaha sy i Tsalmona?

7 Dia hoy i Gedehona hoe: Ho hitanareo izany fa rehefa hatolotry ny TOMPO eo an-tanako i Zebaha sy i Tsalmona, dia horovitiko amin'ny tsilo sy songosongo avy any an-taniefitra ny hoditrareo.

8 Avy teo i Gidehona nankany Peniela, ary nilaza fangatahana tahaka izany koa tamin'ny mponina tao. Kanefa ny mponina tao Peniela dia namaly tahaka izay nataon'ny olona tao Sokota ihany.

9 Koa niteny tamin'ny mponina tao Peniela i Gidehona hoe: Rehefa hiverina avy mandresy soa aman-tsara aho, dia horavako ny tilikambon'ny tanananareo.

10 I Zebaha sy i Tsalmona tamin'io dia tao Karkora niaraka tamin'ny andian-tafiny 15 eo ho eo. Izay no sisa tamin'ny tafik'ireo mpifindrafindra lasy avy any atsinanana, satria nahafatesana andian-tafika 120 nisy vatan-dehilahy kinga famely sabatra avokoa.

11 Ny lalan'ny mpifindrafindra lasy, teo atsinanan'ny faritra misy ny tarika Noba sy ny tanana Jogboha, no narahin'i Gidehona ka namelezany ny tobin'ny fahavalony izay tsy nanampo akory.

12 Nitsoaka nandositra i Zebaha sy i Tsalmona, mpanjaka midianita roa lahy, nefa nenjehin'i Gidehona ka azony sambo-belona; dia izany no nampihorohoroany ny tafika midianita manontolo.

13 Ary rehefa niverina avy niady i Gidehona ka mby teo amin'ny fiakaran'i Heresa,

14 dia nisambotra tovolahy iray avy ao Sokota ary nanontany azy. Dia nomen'ilehio azy an-tsoratra ny anaran'ireo lehibe sy loholona tao Sokota ka nisy 77 no isany.

15 Avy eo dia nankany amin'ny mponina tao Sokota i Gidehona ka nanao taminy hoe: Indreto i Zebaha sy i Tsalmona izay nanesoanareo ahy hoe: Ahoana moa izahay no hanome hanina ny tafikao efa reraka? Efa eo ambany fahefanao sahady angaha i Zebaha sy i Tsalmona?

16 Dia nalain'i Gidehona ny tsilo sy ny songosongo avy tany an-taniefitra ka nofaiziny tamin'ireny ireo loholona tao Sokota.

17 Noravany koa ny tilikambon'i Peniela ary novonoiny ny mponina tao.

18 Avy eo dia nanontany an'i Zebaha sy i Tsalmona i Gidehona hoe: Tahatahaka ny ahoana moa ireo lehilahy izay novonoinareo tao Tabora? Dia novaliany hoe: Mitovy aminao izy. Miendrika zanak'andriamanjaka avokoa izy rehetra.

19 Fa hoy i Gidehona taminy: Rahalahiko, zanakalahin'ny reniko mihitsy ireny. Velona ny TOMPO ka mianiana aho fa raha tsy novonoinareo ho faty ireny, dia tsy hovonoiko ho faty koa ianareo!

20 Ary nandidy an'i Jetera zanany lahimatoa i Gidehona hoe: Mitsangana, vonoy ho faty ireo! Fa tsy sahy nanatsoaka ny sabany ilay zatovolahy, satria mbola tanora loatra izy ka natahotra.

21 Dia hoy i Zebaha sy i Tsalmona tamin'i Gidehona: Aoka ny tenanao mihitsy no hamono hahafaty anay, satria adidin'ny lehilahy mahery fo ny manao izany! Dia nitsangana i Gidehona ka namono hahafaty ireo mpanjaka roa lahy; ary nalainy ny firavaka nihantona teny am-bozon'ireo ramevany.

22 Taorian'izany dia hoy ny Israelita tamin'i Gidehona: Aoka ianao no hanjaka aminay ary ny zanakalahinao sy ny zafinao no handimby anao, satria ianao no nanafaka anay tamin'ny Midianita.

23 Fa novalian'i Gidehona hoe: Tsia, tsy ho mpanjakanareo na ny tenako na ny zanakalahiko, fa ny TOMPO no ho mpanjakanareo.

24 Saingy hoy indray i Gidehona taminy: Izaho anefa te hangataka zavatra aminareo: aoka ianareo samy hanome ahy haba iray, nalaina tamin'ny babonareo avy! Ny Midianita manko dia nitondra haba volamena toy ny lehilahy rehetra monina any an-taniefitra.

25 Ka hoy ny navalin'ny Israelita an'i Gidehona: Eny, fa homenay anao tokoa izany. Dia namelatra lamba iray tamin'ny tany ireo ka samy nanipy haba volamena iray teo, dia haba nalain'ny isan'olona tamin'ny babony avy.

26 Ny lanjan'ny volamena nangatahin'i Gidehona dia nahatratra roapolo kilao. Nahazo izay firavaka sy kavina ary fitafiana jaky nentin'ireo mpanjaka midianita koa izy, ankoatra ireo rojo nandravaka ny vozon'ny ramevany.

27 Ary ny volamena dia nanamboaran'i Gidehona efoda izay napetrany tao Hofra tananany. Ary notompoin' ny Israelita rehetra toy ny sampy izany efoda izany, ka tonga fandrika ho an'i Gidehona sy ny ankohonany.

28 Resin'ny Israelita hatreo ny Midianita ka tsy nahatraka tamin'ny fahareseny intsony; koa nandry fahalemana ny tany nandritra ny efapolo taona nahaveloman'i Gidehona.

29 Ary i Jerobahala na hoe Gidehona, zanakalahin'i Joasy, dia niverina nonina tany an-tranony.

30 Nanan-janakalahy fitopolo izy satria maro vady.

31 Nisy vadikeliny tao Sekema, izay niterahany zanakalahy nantsoina hoe Abimeleka.

32 Ary maty i Gidehona rehefa tratra antitra tsara ka nalevina tao Hofra, tananan'ny tarika abihezerita, tao amin'ny fasan'i Joasy rainy.

33 Rehefa maty i Gidehona, dia nanompo an'i Bahala indray ny Israelita ary nanao an'i Bahala-Berita ho andriamaniny.

34 Hadinony ny TOMPO Andriamaniny Izay nanafaka azy tamin'ny fahavalony rehetra nanodidina azy.

35 Tsy nanehoany fitiavana koa ny ankohonan'i Jerobahala na Gidehona, araka ny soa rehetra vitan'i Gidehona tamin'i Israely.

Toko faha-9

1 I Abimeleka, zanakalahin'i Jerobahala na Gidehona, dia nankany Sekema mba hifandinika tamin'ny anadahin-dreniny sy izay rehetra isan'ny fianakavian-dreniny ka nanao taminy hoe:

2 Mba anontanio ny mponina rehetra eto Sekema ange izay mety aminy kokoa na ny hofehezin'ny fitopolo lahy zanak'i Jerobahala, na ny hofehezin'ny olona iray ihany. Ary tsarovy fa izaho dia isan'ny fianakavianareo.

3 Dia lasa ireto anadahin-drenin'i Abimeleka namerina izany teny rehetra izany tamin'ireo mponin'i Sekema. Koa nanapa-kevitra ireo fa homba an'i Abimeleka satria havany ihany izy.

4 Ary nanome sekela volafotsy fitopolo avy tao amin'ny rakitry ny tempolin'i Bahala-Berita ho an'i Abimeleka izy. Izany vola izany no hividianan'i Abimeleka ireo olom-poana sy marivo salosana hanaraka azy.

5 Ary tonga tao an-tranon-drainy tao Hofra i Abimeleka ka namono ny rahalahiny fitopolo lahy zanak'i Jerobahala teo ambony vatolampy iray ihany. I Jotama, ilay kely indrindra tamin'ireo ihany, no sisa afaka satria niery izy.

6 Dia nivory avokoa ny mponin'i Sekema sy ny olona rehetra tao Bety-Milao ka nankeo amin'ny terebinta tao Sekema, teo anilan'ny tsangambato, mba hanangana an'i Abimeleka ho mpanjakany.

7 Notantaraina tamin'i Jotama izany. Koa lasa izy nitsangana teo an-tampon'ny tendrombohitra Gerizima, dia nanandra-peo ka niantso mafy hoe: Mihainoa ahy ianareo mponin'i Sekema, dia mba hihaino anareo koa Andriamanitra!

8 Indray andro dia nanapa-kevitra ny hazo fa hifidy mpanjaka ho azy, ka niteny tamin'ny hazo oliva hoe: 'Manjaka aminay ianao!'

9 Fa namaly azy ny hazo oliva hoe: 'Dia holaviko ve ny hamokatra diloilo izay anomezam-boninahitra ny andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevaheva eny ambonin'ny hazo hafa aho?'

10 Ary hoy koa ireo hazo tamin'ny aviavy: 'Andao ianao hanjaka aminay.'

11 Fa namaly azy ny aviavy hoe: 'Dia holaviko ve ny hanome voa mamy sy matsiro, ka handeha hitsingevaheva eny ambonin'ny hazo hafa aho?'

12 Ary hoy koa ireo hazo tamin'ny voaloboka: 'Andao ianao hanjaka aminay.'

13 Fa namaly azy ny voaloboka hoe: 'Dia holaviko ve ny hamokatra divay izay mahafaly an'Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevaheva eny ambonin'ny hazo hafa aho?'

14 Farany, dia ny kirihitra tsilo no nitenenan'ny hazo rehetra hoe: 'Andao ianao hanjaka aminay.'

15 Ary namaly azy ny kirihitra tsilo hoe: 'Raha sitrakareo tokoa ny hifidy ahy ho mpanjakanareo, dia avia mipetraka eto ambany alokaloko ianareo! Fa raha tsy hanao izany ianareo, dia aoka hisy afo mivoaka avy amin'ny tsiloko ka handoro hatramin'ny hazo sederan'i Libano aza!'

16 Dia hoy ihany i Jotama hoe: Ankehitriny ary, moa rariny sy hitsiny ve ny nataonareo fony nampanjaka an'i Abimeleka ianareo? Mety ve ny nataonareo tamin'i Jerobahala sy ny ankohonany? Araka ny soa vitany taminareo ve no navalinareo azy?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8837