Deoterônômy

Toko faha-11

3 mbamin'ny famantarana sy asa nataony. Teo ny nataon'ny TOMPO tany Ejipta hamelezana ny Farao mpanjakan'ny Ejiptianina sy hamelezana ny taniny manontolo;

4 teo ny nataon'ny TOMPO hamelezana ny tafika ejiptianina sy ny soavaliny aman-kalesiny, dia ny nanaronany azy tao amin'ny Ranomasin'ny Volotara fony nanenjika anareo izy ka voaringana tsy hisy intsony;

5 ary teo ny nataony hanasoavana anareo taty an-taniefitra mandra-pahatonganareo amin'izao toerana izao.

6 Teo koa ny namelezan'ny TOMPO an'i Datana sy i Abirama izay samy zanakalahin'i Eliaba, taranak'i Reobena; teo afovoan'ny Israelita rehetra no nisokafan'ny tany sy nitelemany azy roa lahy mbamin'ny ankohonany sy ny lainy ary ny olona rehetra mpomba azy.

7 Eny, efa nahita maso ireny asa lehibe rehetra nataon'ny TOMPO ireny ianareo.

8 Koa tandremo avokoa ny didy izay ampitaiko aminareo anio mba hahery ianareo ka haka ho fanananareo ilay tany izay hiampitanareo sy hidiranareo,

9 ary mba ho maro andro ianareo any amin'io tany io izay nianianan'ny TOMPO tamin'ny razambenareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely.

10 Ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana azy manko dia tsy mba tahaka an'i Ejipta izay nialanareo. Tany Ejipta, rehefa namafy voan-javatra ianareo, dia nampiasa ny tongotrareo hampidiran-drano hanondrahana azy tahaka ny fanao amin'ny voly anana.

11 Fa ny tany, izay hiampitanareo mba halainareo ho fananana, dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady vonton'ny ranonoran-danitra,

12 tany izay voakarakaran'ny TOMPO Andriamanitrareo sady tsinjovin'ny masony mandrakariva hatreo amin'ny fiandohan'ny taona ka hatrany amin'ny fiafarany.

13 Raha tena hankatoavinareo ny didy izay ampitaiko aminareo anio, ka ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo no hitiavanareo sy hanompoanareo Ahy TOMPO Andriamanitrareo,

14 dia halatsako eo amin'ny taninareo ny ranonorana amin'ny fotoanandrony, izany hoe ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanareo vary sy divay ary menaka.

15 Hampaniriko ahitra koa ny sahanareo ho an'ny biby fiompinareo; ary hihinan-kanina ianareo ka ho voky.

16 Mitandrema ianareo fandrao ho voafitaka ny fonareo ka hivily hanompo andriamani-kafa ianareo sy hiankohoka eo anatrehany.

17 Dia hirehetan'ny fahatezeran'ny TOMPO ianareo, ka hanampina ny lanitra Izy mba tsy hisy ranonorana; ary tsy hahavokatra intsony ny tany, dia ho lany ringana ianareo any amin'ny tany soa izay homen'ny TOMPO anareo.

18 Koa alatsaho ao amin'ny fo amam-panahinareo ireto didiko ireto; ary mba ho marika fampahatsiahivana azy anareo, dia ataovy anaty boaty famehy eny amin'ny hato-tananareo na eny an-kandrinareo.

19 Ampianaro ny zanakareo izany ary resaho na mipetraka ao an-tranonareo ianareo na mandeha eny an-dalana, na mandry ianareo na mifoha;

20 ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonareo sy eo amin'ny vavahadin'ny tanananareo.

21 Dia ho maro andro ianareo sy ny taranakareo eny amin'ny tany izay nianianan'ny TOMPO tamin'ny razambenareo homena azy; eny, ho maro andro tahaka ny aharetan'ny lanitra eo ambonin'ny tany.

22 Fa raha tena imasoanareo hotanterahina avokoa izao didy ampitaiko aminareo izao ka hotiavinareo sy hifikiranareo ny TOMPO Andriamanitrareo ary hizoranareo ny sori-dalany rehetra,

23 dia horoahin'ny TOMPO ny firenena rehetra manoloana anareo ka ho voaroakanareo ny firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianareo.

24 Ho anareo avokoa ny toerana rehetra hodiavin'ny tongotrareo: ny faritaninareo dia hanomboka amin'ny taniefitra any atsimo ka hiafara any Libano any avaratra, ary hanomboka amin'ny ony Eofrata any atsinanana ka hiafara amin'ny Ranomasina Mediteranea any andrefana.

25 Tsy hisy hahatohitra anareo fa hataon'ny TOMPO Andriamanitrareo ho azon'ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra hodiavin'ny faladian-tongotrareo, araka ny nampanantenainy anareo.

26 Indro aho Mosesy mametraka fitahiana sy ozona hisafidiananareo anio.

27 Hotahina ianareo raha mankato ireo didin'ny TOMPO Andriamanitrareo, izay ampitaiko aminareo anio;

28 ho voaozona kosa ianareo raha tsy mankato ireo didin'ny TOMPO Andriamanitrareo fa mivily hiala ny lalana izay soritako ho anareo ka hanaraka andriamani-kafa tsy fantatrareo.

29 Rahatrizay ny TOMPO Andriamanitrareo hahatafiditra anareo any amin'ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana, dia ny fitahiana no tonony eo an-tendrombohitra Gerizima, ary ny ozona kosa tonony ao an-tendrombohitra Hebala.

30 (I Gerizima sy i Hebala dia tendrombohitra roa any an-dafy andrefan'ny ony Jordana, any amparan'ny lalana miankandrefana, eo amin'ny tanin'ireo Kanahanita monina ao amin'ny faritr'i Haraba; ireo tendrombohitra roa ireo dia eo akaikin'ny oakan'i Mora, tandrifin'i Gilgala ).

31 Efa hiampita an'i Jordana ianareo ka hiditra haka ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo; ary hahazo azy ho fanananareo ianareo ka honina eo.

32 Koa imasoy hotanterahina avokoa ny lalana amam-pitsipika izay apetrako eo anoloanareo anio.

Toko faha-12

1 Ireto no lalana amam-pitsipika izay himasoanareo hotanterahina any amin'ny tany izay homen'ny TOMPO, Andriamanitry ny razambenareo, ho fanananareo; amin'ny andro rehetra hiainanareo eto an-tany no himasoanareo hotanterahina ireo lalana amam-pitsipika ireo.

2 Hopotehinareo mihitsy ny toerana fanompoan-tsampy rehetra eny an-tendrombohitra sy eny an-tampon-kavoana ary eny am-bodihazo maitso rehetra eny; amin'ireny toerana ireny manko ireo firenena horoahinareo no manompo ny andriamaniny.

3 Dia horavanareo ny alitarany, hovakivakinareo ny tsangambaton-tsampiny, hodoranareo ny tsato-kazo fanajany an'i Asera, ary hokapainareo ny sarin-tsampy voasokitra izay andriamaniny; ka hofoananareo ny fahatsiarovana ireny andriamanitra sampy ireny eo amin'izany toerana izany.

4 Aza anaovanareo fomba toy ireny ny TOMPO Andriamanitrareo;

5 satria ilay toerana hofidiny eo amin'ny fokonareo rehetra mba honenany sy hipetrahan'ny voninahiny no hitadiavanareo Azy, ao ihany no halehanareo.

6 Ao no hitondranareo ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana ataonareo, ny fahafolon-karenareo, ny fitia tsy mba hetra foinareo, ny fanalam-boadinareo, ny fanati-tsitraponareo, ary ny voalohan-teraky ny omby sy ondry aman'osinareo.

7 Ao ianareo sy ny ankohonanareo no hanao sakafo sy hifaly eo anoloan'ny Toeramasin'ilay TOMPO Andriamanitrareo noho ny fiharian-karena rehetra nitahiany anareo.

8 Aza anaovanareo fomba toy izao ataontsika ankehitriny izao ny TOMPO, ka ny tsirairay no samy manao izay heveriny ho mety.

9 Ianareo manko tsy mbola tonga any amin'ny toeram-pitsaharana, izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo.

10 Fa rehefa tafita an'i Jordana ianareo ka honina any amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, dia homeny fitsaharana ianareo ka tsy hisotasotan'ny fahavalo manodidina anareo fa handry feizay.

11 Amin'izay, ilay toerana hofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan'ny voninahiny no hitondranareo ny zavatra rehetra nandidiako anareo: dia ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana ataonareo, ny fahafolon-karenareo, ny fitia tsy mba hetra foinareo, ny zavatra rehetra voafantinareo mba hanalana ny voadinareo tamin'ny TOMPO.

12 Dia hifaly eo anoloan'ny Toeramasin'ilay TOMPO Andriamanitrareo ianareo mbamin'ny zanakareo sy ny mpanomponareo ary koa ny Levita izay ao an-tanananareo, satria tsy mba manana zaratany na anjara miaraka aminareo ny Levita.

13 Mitandrema mba tsy hanolotra sorona dorana manontolo eny amin'ny toeram-pivavahana rehetra hitanareo;

14 fa ilay toerana nofidin'ny TOMPO amin'ny fokonareo anankiray ihany no hanoloranareo ireny, sady hanaovanareo koa ny zavatra rehetra nandidiako anareo.

15 Kanefa, eny amin'ny tanana rehetra onenanareo, dia mahazo mamono biby amin'izay fotoana tianareo ianareo sy mihinana ny henany, arakaraka ny fitahiana nomen'ny TOMPO anareo; na ny olona maloto ara-pivavahana na ny madio, dia samy mahazo mihinana amin'izany, tahaka ny ahazoany mihinana gazela sy ombimanga.

16 Saingy ny ran'ilay biby no aza haninareo, fa araraho amin'ny tany toy ny rano.

17 Tsy azonareo hanina ao an-tanananareo ny ampahafolon'ny vary sy divay ary menaka novokarinareo, ny voalohan-teraky ny omby sy ondry aman'osinareo, ny zavatra rehetra nataonareo voady, ny fanati-tsitraponareo ary ny fitia tsy mba hetra foinareo.

18 Fa eo anoloan'ny Toeramasina, ao amin'ny faritra nofidian'ilay TOMPO Andriamanitrareo, no hihinana izany ianareo mbamin'ny zanakareo sy ny mpanomponareo ary koa ny Levita izay ao an-tanananareo; eny, hifaly eo anoloan'ny Toeramasin'ilay TOMPO Andriamanitrareo ianareo amin'izay fiharian-karena rehetra nataonareo.

19 Mitandrema mba tsy hanao tsirambina ny Levita ianareo amin'ny andro rehetra hiainanareo amin'ny taninareo.

20 Rehefa hitarin'ny TOMPO Andriamanitrareo ny faritaninareo araka ny nampanantenainy taminareo, raha maniry mafy hihinan-kena ianareo, dia mahazo mihinana araka izay tianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9649