Deoterônômy
Toko faha-5
7 Aza manana andriamani-kafa ianao, fa Izaho ihany.8 Aza manao sarin-tsampy voasokitra ho anao, ampisehoanao endri-javatra izay eny amin'ny habakabaka ambony na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
9 Aza miankohoka eo anatrehan'ireny sampy ireny ianao ary aza manompo azy, satria Izaho TOMPO Andriamanitrao dia saro-piaro amin'ny maha Andriamanitra Ahy. Raha misy olona meloka amin'izany ka mankahala Ahy, dia mamaly azy sy ny taranany hatrany amin'ny zafin-dohalika Aho;
10 nefa kosa amin'izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko, dia mamindrafo hatrany amin'ny taranaka faharivo Aho.
11 Aza manonom-poana ny anarako ianao, fa Izaho TOMPO Andriamanitrao dia tsy hamela ho afa-potsiny izay manonom-poana ny anarako.
12 Mitandrema ny andro sabata mba hanokananao azy ho Ahy TOMPO Andriamanitrao, araka izay nandidiako anao.
13 Enina andro no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
14 Fa ny andro fahafito kosa dia sabata voatokana ho Ahy TOMPO Andriamanitrao; koa aza manao raharaha akory amin'izany, na ny tenanao, na ny zanakao, na ny mpanomponao, na ny ombinao na ny borikinao, na ny biby hafa rehetra fiompinao, na ny vahiny izay ao an-tranonao; aoka mba hitsahatra tahaka anao koa ireo mpanomponao.
15 Ary tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianao ka fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina no nitondrako anao niala tany; izany no mahatonga Ahy TOMPO Andriamanitrao handidy anao hitandrina ny andro sabata.
16 Manaja ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidiako anao, mba ho maro andro iainana ianao ary mba hahita soa any amin'ny tany omeko anao.
17 Aza mamono olona.
18 Aza manitsakitsa-bady na maka vadin'olona.
19 Aza mangalatra.
20 Aza mety ho vavolombelona mandainga hamelezana ny namanao.
21 Aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny tranony, na ny taniny, na ny mpanompony, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho fananany.
22 Ireo didy ireo no nampitain'ny TOMPO tamim-peo mahery tany an-tendrombohitra, avy tao anatin'ny afo sy ny setroka ary ny rahona mikitroka. Ianareo Israelita rehetra izay tafavondrona teo am-bodin'ny tendrombohitra no nampitany azy ary tsy nanampiany na inona na inona. Ireo didy ireo avy eo dia nosoratany tamin'ny takela-bato anankiroa izay natolony ahy.
23 Rehefa renareo ilay feo avy tao anatin'ny haizina, fony nirehitra afo manontolo ny tendrombohitra, dia nanatona ahy ireo filohan'ny fokonareo sy ireo loholonareo
24 ka nitondra ny teninareo tamiko hoe: Indro efa nampahitan'ny TOMPO Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany izahay sady efa nandre ny feony avy tao anatin'ny afo; koa tsapanay androany fa itenenan'Andriamanitra ny olona saingy mbola velona aina ihany.
25 Kanefa nahoana izahay no hitolo-batana holevonin'io afo lehibe io ka ho faty? Fa raha mbola mandre ny feon'ny TOMPO Andriamanitsika izahay, dia ho faty mihitsy.
26 Satria iza moa tamin'ny olombelona rehetra no efa nandre tahaka anay ny feon'ilay Andriamanitra velona niteny avy tao anatin'ny afo, ka velona aina ihany?
27 Ianao no aoka hanatona ny TOMPO Andriamanitsika sy hihaino ny zavatra rehetra holazainy; avy eo vao hampitainao aminay ny zavatra rehetra nolazain'ny TOMPO Andriamanitsika taminao, ka hohenoinay sy hotanterahinay izany.
28 Fony nambara tamiko ny teninareo, dia ren'ny TOMPO izany ka hoy Izy tamiko: Efa reko ny teny nampitain'io vahoaka io taminao, ka tsara avokoa ny voalazany.
29 Enga anie io vahoaka io mba ho tapa-kevitra mandrakariva toy izany hanaja Ahy sy hitandrina ny didiko rehetra, mba ho sambatra hatrany hatrany izy sy ny taranany.
30 Ndeha asaovy miverina any an-dainy ireo.
31 Fa ianao kosa, mijanona eto anilako ka holazaiko aminao ny didy sy lalana amam-pitsipika rehetra izay hampianarinao azy mba hotanterahiny any amin'ny tany omeko azy ho fananany.
32 Koa himasoanareo, hoy indray i Mosesy, ny hanatanteraka izay efa nandidian'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo ary tsy hivily na amin'ny ankavanana na amin'ny ankavia ianareo.
33 Fa ny lalana rehetra izay nosoritan'ny TOMPO Andriamanitrareo ho anareo no halehanareo mba ho velona ianareo ka hahita soa ary ho maro andro iainana any amin'ny tany izay halainareo ho fananana.
Toko faha-6
1 Izao no didy sy lalana amam-pitsipika, nasain'ny TOMPO Andriamanitrareo hampianarina hotanterahinareo any amin'ny tany izay hiampitanareo mba halainareo ho fananana.2 Ny tanjona kendrena, ho an'ny andro rehetra iainanareo, dia ny hanajanareo ny TOMPO Andriamanitrareo ka hitandremanareo ny lalanany sy didiny rehetra izay ampitaiko aminareo sy amin'ny taranakareo mba ho maro andro ianareo.
3 Henoy izany, ry vahoaka Israely, ary imasoy ny hanatanteraka azy, mba ho sambatra sy hitombo isa ianareo any amin'ilay tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nampanantenain'ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo taminareo.
4 Mihainoa, ry vahoaka Israely: Ny TOMPO Andriamanitsika no TOMPO tokana.
5 Koa tiavo ny TOMPO Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo sy amin'ny fanahinao manontolo ary amin'ny herinao manontolo.
6 Aoka haraikitrao ao am-ponao izao didy ampitaiko anao anio izao.
7 Dia ampianaro tsara ny zanakao izany; ary resaho na mipetraka ao an-tranonao ianao na mandeha eny an-dalana, na mandry ianao na mifoha.
8 Mba ho fampahatsiahivana anao, dia ataovy amin'ny boaty famehy eny amin'ny hato-tananao na eny an-kandrinao ireny,
9 ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao na eo amin'ny vavahadin'ny tanananao.
10 Rehefa izay ianareo hampidirin'ny TOMPO Andriamanitrareo any amin'ny tany nianianany tamin'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba razambenareo fa homeny anareo,
11 dia hahita tanana lehibe sady tsara izay tsy ianareo no nanorina azy, sy lavaka famorian-drano izay tsy ianareo no nandavaka azy, ary saham-boaloboka aman'oliva izay tsy ianareo no namboly azy; ka hihinana sy hivoky ianareo.
12 Amin'izay, dia tandremonareo fandrao hadinoinareo ny TOMPO Izay nampiala anareo tany Ejipta, toera-nanandevozana anareo.
13 Ilay TOMPO Andriamanitrareo ihany no hohajainareo, Izy no hotompoinareo, ary ny anarany no aoka hianiananareo.
14 Aza manaraka andriamani-kafa amin'ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo ireny,
15 satria Andriamanitra saro-piaro amin'ny maha Andriamanitra Azy ilay TOMPO Andriamanitrareo Izay eo afovoanareo. Koa tandremo fandrao hirehitra aminareo ny fahatezeran'ilay TOMPO Andriamanitrareo ka hofongorany tsy ho eto ambonin'ny tany ianareo.
16 Aza maka fanahy ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, tahaka ny nataonareo tany Masa.
17 Tandremo tsara ny didy sy baiko aman-dalana izay efa nampitain'ny TOMPO Andriamanitrareo taminareo.
18 Tanteraho izay mahitsy sady tsara eo imason'ny TOMPO mba ho sambatra ianareo sy hiditra hahazo ny tany soa izay tamim-pianianana no nampanantenan'ny TOMPO azy ny razambenareo;
19 ary dia horoahinareo lavitra anareo avokoa ny fahavalonareo, araka izay voalazan'ny TOMPO.
20 Rahatrizay ny zanakareo hanontany anareo hoe: Inona no anton'ireo baiko sy lalana amam-pitsipika izay efa nandidian'ny TOMPO Andriamanitsika anareo?,
21 dia hovalianareo hoe: Nandevozin'ny Farao tany Ejipta isika, ary fahefana mahery no nampialan'ny TOMPO antsika tany.
22 Famantarana sy zava-mahagaga goavana sady mandoza no nataon'ny TOMPO teo imasontsika hamelezana ny Farao mbamin'ny ankohonany sy ny Ejiptianina.
23 Isika kosa nampialany tany Ejipta mba hampidirina eto homena ilay tany izay nampanantenainy ny razambentsika tamim-pianianana.