Deoterônômy

Toko faha-14

21 Aza mihinam-biby maty ho azy fa omeo ho an'ny vahiny izay ao an-tanananareo izany mba hohaniny, na amidio amin'ny olona hafa firenena. Ianareo manko dia vahoaka voatokana ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.

22 Havahanareo ny ampahafolon'ny vokatra rehetra avy amin'ny voa nafafinareo, izany hoe ny vokatry ny sahanareo isan-taona.

23 Dia eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO Andriamanitrareo, eo amin'ny toerana izay hofidiny mba hipetrahan'ny voninahiny, no hihinananareo ny ampahafolon'ny vary sy divay ary menaka vokatry ny taninareo, ary koa hihinananareo ny voalohan-teraky ny omby sy ondry aman'osinareo. Izany no hianaranareo hanaja mandrakariva ny TOMPO Andriamanitrareo.

24 Rehefa notahin'ny TOMPO Andriamanitrareo tamin'ny famokarana ianareo, dia mety tsy hahazaka ny ampahafolon-bokatrareo hankany amin'ny toerana izay hofidiny mba hipetrahan'ny voninahiny, satria lavitra loatra ho anareo ny lalan-kaleha.

25 Amin'izay, dia hamidinareo ny ampahafolom-bokatrareo, ka ny vola vidiny no hataonareo tsara fihina mankany amin'ny toerana izay hofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo.

26 Io vola io no hividiananareo izay sakafo rehetra irinareo, na omby na ondry na osy na divay na zava-pisotro hafa misy alikaola; eny, hovidinareo avokoa izay rehetra tianareo, dia eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO Andriamanitrareo no hihinana izany an-kafaliana ianareo mbamin'ny ankohonanareo.

27 Aza ataonareo tsirambina ny Levita izay ao an-tanananareo, satria tsy mba manana zaratany na anjara miaraka aminareo ny Levita.

28 Isan-telo taona, dia havahanareo ny ampahafolon'ny vokatra rehetra azonareo amin'izany taona izany, ka hatobinareo ao an-tanananareo.

29 Ary ho avy hizarana an'izany ny Levita (izay tsy manana zaratany na anjara miaraka aminareo) sy ny vahiny ary ny kamboty mbamin'ny mpitondratena izay eo an-tanananareo; dia hihinana ireo ka ho voky, mba hitahian'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo amin'ny asa rehetra izay ataonareo.

Toko faha-15

1 Isaky ny fito taona dia hanao famoizan-trosa ianareo,

2 ka izao no fomba hampiharana izany: ianareo tompon-trosa rehetra, izay nampisambo-bola ny namany, dia hamoy izany, rehefa natao antso avo ny taona famoizan-trosa ho fanajana ny TOMPO; tsy hoterenareo hamerin-trosa ilay namana mpiray tanindrazana aminareo.

3 Ny olona hafa firenena ihany no azonareo terena hamerin-trosa; fa izay trosanareo amin'ny mpiray firenena aminareo kosa dia hafoinareo. 4 Kanefa tsy hisy mahantra eo aminareo, satria hotahin'ny TOMPO tokoa ianareo, any amin'ny tany izay homen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo,

5 raha henoinareo tsara ny feony ka imasoanareo hotanterahina manontolo izao didy ampitaiko aminareo anio izao.

6 Eny, hotahin'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, araka izay nampanantenainy anareo; ka ianareo tsy mba hisy hisambo-bola fa firenena maro kosa no hampisamborinareo vola; firenena maro no hofehezinareo, fa ianareo kosa tsy mba hofeheziny.

7 Raha sendra misy mahantra ny mpiray firenena aminareo ao an-tanana anankiray amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia aza anidianareo fo izy na anakombonanareo tanana;

8 fa sokafy tsara amin'io mahantra mpiray firenena aminareo io ny tananareo, ka ampisambory azy ny sahaza ilainy, araka izay mahory azy.

9 Tandremo fandrao mitsiry ao am-ponareo ny hevi-dratsy manao hoe: Antomotra ity ny taona fahafito, dia ny taona famoizan-trosa. Aoka ianareo tsy ho ratsy fijery an'ilay mahantra mpiray firenena aminareo, ka tsy hanome azy na inona na inona; fa hitaraina amin'ny TOMPO hiampanga anareo izy, ka dia ho fahotanareo izany.

10 Omeo tokoa izy ary aoka tsy halahelo ny fonareo raha manome azy, satria izany fahalalahan-tananareo izany no hitahian'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo amin'ny asa aman-draharaha rehetra ataonareo.

11 Koa satria hisy mandrakariva ny mahantra eo amin'ny taninareo, dia izany no andidiako anareo hoe: Sokafy tsara amin'ny mpiray firenena aminareo ny tananareo, dia amin'ny ory sy mahantra eo amin'ny taninareo.

12 Raha sendra misy mitolo-tena ho mpanomponareo ny lehilahy na vehivavy hebreo mpiray firenena aminareo, dia hanompo anareo enin-taona izy; amin'ny taona fahafito kosa hovotsoranareo ho afaka izy.

13 Rehefa hovotsoranareo ho afaka izy, dia tsy havelanareo handeha fotsiny;

14 fa hisy hampitondrainareo azy avy amin'ny ondry aman'osinareo ary avy amin'ny vary aman-divainareo: izay efa nitahian'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo no hanomezanareo azy.

15 Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, saingy efa nanafaka anareo ilay TOMPO Andriamanitrareo; koa izany no anomezako anareo anio izao didy izao.

16 Kanefa mety milaza aminareo io mpanomponareo io fa tsy hiala aminareo, satria tiany ianareo mianakavy ka finaritra izy miaraka aminareo;

17 amin'izay, dia alaovy ny fitevika ka teveho amin'ny varavarana ny sofiny; dia ho mpanomponareo mandra-maty izy. Toy izany koa no hataonareo raha misy mpanompovavy tsy te hiala aminareo.

18 Aoka tsy ho mafy aminareo ny hamotsotra ny mpanomponareo ho afaka, satria nahazoanareo avo sasaka mihoatra noho izay vitan'ny mpikarama ny nanompoany anareo enin-taona. Eny, votsory izy, dia hotahin'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo amin'izay rehetra ataonareo.

19 Ny lahy rehetra amin'ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman'osinareo dia hatokanareo ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinareo, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman'osinareo.

20 Isan-taona isan-taona dia eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO Andriamanitrareo, ao amin'ny toerana izay hofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo, no hihinananareo izany.

21 Raha misy kilemany kosa ny voalohan-teraky ny biby fiompinareo fa mandringa na jamba na voan'ny kilema ratsy hafa, dia aza atolotra ho sorona ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo ireny.

22 Ao an-tanananareo ihany no hihinananareo ireny; ka samy mahazo mihinana azy na ny olona maloto ara-pivavahana na ny madio, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.

23 Saingy ny rany no aza haninareo fa araraho amin'ny tany toy ny rano.

Toko faha-16

1 Tandremo fa amin'ny volana Abiba no hankalazanareo ny Paska ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo. Volana Abiba manko no nitondran'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo niala tany Ejipta tamin'ny alina.

2 Koa hatolotrareo ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo ny sorom-pihavanana fanao amin'ny Paska, dia ondry aman'osy na omby, eo amin'ny toerana izay hofidin'ny TOMPO mba hipetrahan'ny voninahiny.

3 Aza mofo misy leviora no haninareo amin'ny sakafo Paska; fa mandritra ny fito andro, dia mofo tsy misy leviora no hohaninareo mba hahatsiahivanareo fa an-kamehana no nialanareo tany Ejipta; eny, mofo tsizarizary no hohaninareo mba hahatsiarovanareo ilay andro nialanareo tany Ejipta, mandritra ny andro rehetra iainanareo.

4 Aoka tsy hisy leviora eo aminareo, manerana ny taninareo, mandritra izany herinandro izany; ary aoka tsy hisy tavela ho tra-maraina ny henan'ilay sorom-pihavanana novonoinareo tamin'ny harivan'ny andro voalohany.

5 Tsy ho azonareo anaovana ny soron'ny Paska avokoa tsy akory ny tanana rehetra izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo;

6 fa amin'ny toerana izay hofidiny hipetrahan'ny voninahiny ihany no hanaovanareo ny soron'ny Paska, rehefa hariva maty masoandro iny, izany hoe amin'ilay fotoana nialanareo tany Ejipta

7 Dia handrahoinareo izany ka hohaninareo eo amin'ny toerana izay hofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo; ary rehefa maraina ny andro, dia hody any an-dainareo ianareo.

8 Mandritra ny enina andro no hihinananareo mofo tsy misy leviora; fa amin'ny andro fahafito, dia hisy fivoriana famaranana manetriketrika ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hanao raharaha ianareo amin'izany.

9 Hanisa fito herinandro ianareo, ka miantomboka amin'ny andro hiandohan'ny fijinjam-bary no hanisanareo izany.

10 Dia hankalaza ny fetin'ny Pentekosta ianareo, ka hanavaka fanati-tsitrapo homenareo araka izay itahian'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.

11 Hankany amin'ny toerana izay hofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan'ny voninahiny ianareo, ary hifaly eo anatrehan'ilay Toeramasin'ny TOMPO Andriamanitrareo ny tenanareo sy ny zanakareo ary ny mpanomponareo mbamin'ny Levita izay ao an-tanananareo ary koa ny vahiny sy kamboty ary mpitondratena izay eo anivonareo.

12 Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, ka imasoy hotanterahina ireo didy ireo.

13 Rehefa voaangonareo ny avy amin'ny famoloanareo sy famiazanareo, dia hankalaza ny fetin'ny Tranotomboka ianareo.

14 Ary hifaly am-piravoravoana ianareo sy ny zanakareo ary ny mpanomponareo mbamin'ny Levita ary koa ny vahiny sy kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanananareo.

15 Mandritra ny fito andro no hanaovanareo izany fankalazana izany ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo eo amin'ny toerana izay hofidiny; ary dia hifaly tokoa ianareo satria notahin'ny TOMPO Andriamanitrareo avokoa ny vokatrareo sy ny asan-tananareo.

16 Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra aminareo no hiseho eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo any amin'ny toerana izay hofidiny, dia amin'ny fankalazana ny mofo tsy misy leviora sy ny fankalazana ny Pentekosta ary ny fankalazana ny Tranotomboka. Ary aoka tsy ho tanam-polo no hisehoany eo anatrehan'ny Toeramasin'ny TOMPO;

17 fa aoka samy hitondra izay fanatitra zakany avy, araka ny fitahiana omen'ny TOMPO Andriamanitrareo azy.

18 Mifidiana mpitsara sy mpifehy ao an-tanana rehetra izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo araka ny fokonareo avy; ary dia ho ara-drariny no aoka hitsaran'ireo ny vahoaka.

19 Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan'olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny hendry ka mampamadika ny raharahan'ny manan-drariny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.985