Deoterônômy

Toko faha-6

24 Nodidian'ny TOMPO isika hanatanteraka ireo lalana rehetra ireo sy hanaja Azy TOMPO Andriamanitsika, mba ho sambatra lalandava sy ho velona aina tahaka ny amin'izao anio izao.

25 Ary ho toetra marina ny antsika raha imasoantsika ny hanatanteraka manontolo izany didy izany eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitsika, araka izay nampitainy tamintsika.

Toko faha-7

1 Ny TOMPO Andriamanitrareo no hampiditra anareo any amin'ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana. Firenena maro, firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianareo, no horoahin'ny TOMPO hiala eo anoloanareo: dia ny Hetita sy ny Girgasita, ny Amorita sy ny Kanahanita, ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.

2 Rehefa hatolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ho eo ambany fahefanareo ireny ka horesenareo, dia ataovy ringana tanteraka. Aza manao fanekempihavanana aminy na mamindrafo aminy.

3 Aza mampifanambady ny zanakareo aminy; ny zanakavavinareo tsy homenareo ho vadin'ny zanakalahiny, ary ny zanakavaviny tsy halainareo ho vadin'ny zanakalahinareo.

4 Fa havilin'ireny vahiny ireny tsy hanaraka ny TOMPO ireo taranakareo ka hanompo andriamani-kafa; dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'ny TOMPO ka haringany vetivety ianareo.

5 Fa izao kosa no ataovy amin'ireny firenena ireny: ny alitarany, horavanareo; ny tsangambaton-tsampiny, hovakivakinareo; ny tsato-kazo fanajany an'i Asera, hokapainareo; ary ny sarin-tsampiny voasokitra, hodoranareo.

6 Ianareo manko dia vahoaka voatokana ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo; ianareo no efa nofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany mba ho vahoaka fananany sarobidy indrindra.

7 Tsy hoe ianareo maro noho ny firenena hafa rehetra no nampiraiki-po ny TOMPO taminareo sy nifidianany anareo, satria vitsy noho ny firenena hafa rehetra aza ianareo.

8 Fa raha nentin'ny TOMPO tamin'ny fiarovana mahery ianareo sy navotany tamin'ny toeram-panandevozana teo ambany fifehezan'ny Farao mpanjakan'i Ejipta, dia satria tian'ny TOMPO ianareo ary tandroviny aminareo ny fianianana nataony tamin'ny razambenareo.

9 Aoka ho fantatrareo fa ny TOMPO Andriamanitrareo no hany Andriamanitra tena Izy. Mitandro ny fanekempihavanany sy ny fitiavany hatramin'ny taranaka faharivo Izy amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny;

10 fa an-karihary sady tsy an-kitaredretra kosa no amaliany sy andringanany an'izay mankahala Azy.

11 Koa tandremo ny didy sy lalana amam-pitsipika izay andidiako anareo anio mba hotanterahinareo.

12 Raha ireo fitsipika ireo no henoinareo ka imasoanareo hotanterahina, dia hotandrovin'ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo ny fanekempihavanana sy ny fitiavana izay nianianany tamin'ny razambenareo.

13 Eny, ho tiany sy hotahiny ary hohamaroiny ianareo; hotahiny ny zaza haterakareo sy ireo vokatry ny taninareo, dia ny varinareo sy ny divainareo ary ny menakareo; hotahiny koa ny vokatry ny fiompianareo, dia ny ombinareo sy ny ondry aman'osinareo any amin'ny tany izay nianianany tamin'ny razambenareo fa homena anareo.

14 Hotahiny mihoatra noho ny firenena hafa rehetra ianareo; tsy hisy lahy na vavy momba eo aminareo na eo amin'ny biby fiompinareo.

15 Ary harovan'ny TOMPO tsy ho azon'aretina ianareo, ka tsy hisy hamelezany anareo ny aretin-dratsy izay fantatrareo fa nanjo an'i Ejipta; saingy hafitsony amin'izay rehetra mankahala anareo kosa ireny.

16 Aoka hofongoranareo tsy hisy antra mihitsy ny firenena rehetra izay hatolotry ny TOMPO Andriamanitrareo; ary aza tompoinareo ny andriamaniny, fa ho fandrika hampanompo sampy anareo ireny.

17 Raha ianareo hiteny anakampo hoe: Maro noho izahay ireo firenena ireo, ka hataonay ahoana no fandroaka azy?,

18 dia aza matahotra azy ianareo. Tsarovy tsara kosa izay nataon'ny TOMPO Andriamanitrareo tamin'ny Farao sy tamin'i Ejipta manontolo.

19 Masonareo no nahita ny fampahoriana mafy nafitsony an-dry zareo, ny famantarana sy zava-mahagaga vitany ary ny fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina namoahany anareo tany Ejipta: toy izany koa no hataon'ny TOMPO Andriamanitrareo amin'ny firenena rehetra izay atahoranareo!

20 Na izay sisa tavela ka hiery tsy ho hitanareo aza, dia handefasan'ny TOMPO Andriamanitrareo fanenitra hamely azy mandra-paharingany.

21 Aza matahotra ireny firenena ireny ianareo, fa eo afovoanareo ilay TOMPO Andriamanitrareo, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.

22 Horoahiny tsikelikely eo anoloanareo izy ireny; tsy ho azonareo fongorana vetivety manko ireny, fandrao hihamaro ny bibidia ka hamely anareo.

23 Hatolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ho eo ambany fahefanareo ireny firenena ireny, ka hataony mifanaritaka be ihany mandra-paharingana ireny.

24 Dia hatolony eo an-tananareo koa ny mpanjakany ka ho foananareo tsy ho re laza intsony eto amin'izao tontolo izao; tsy hisy olona hahatohitra anareo mandra-paharinganareo azy.

25 Ny sarin-tsampy voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo; aza tsiriritinareo na alainareo ho anareo ny volafotsy na volamena izay eo amin'ireny sarin-tsampy ireny, fandrao ho fandrika hampanompo sampy anareo izany: eny, zava-mahatsiravina eo imason'ny TOMPO Andriamanitrareo ireny rehetra ireny.

26 Aza mampiditra sarin-tsampy ao an-tranonareo ianareo, fandrao ho mendrika haringana miaraka aminy; ho halanareo indrindra sy ho zava-mahatsiravina tokoa eo imasonareo izany, satria zavatra tsy maintsy haringana tanteraka.

Toko faha-8

1 Ny didy izay ampitaiko aminareo anio dia imasoy avokoa ny hanatanteraka azy, mba ho velona ianareo sy hihamaro ary hiditra haka ho fanananareo ny tany izay tamim-pianianana no nampanantenan'ny TOMPO azy ny razambenareo.

2 Tsarovy avokoa ny lalana izay nasain'ny TOMPO Andriamanitrareo halehanareo taty an-taniefitra, nandritra izay efapolo taona izay, mba hampanetry tena anareo; nizaha toetra anareo Izy tamin'izany mba hahalalany izay ao am-ponareo na hitandrina ny didiny ianareo na tsia.

3 Rehefa nampanetry tena sy namela anareo ho noana Izy, dia namahana anareo tamin'ny mana izay hanina tsy fantatrareo na ny razanareo; tiany hampahalalaina anareo manko fa tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa izay teny rehetra aloaky ny vavan'ny TOMPO.

4 Ny fitafianareo tsy rovitra, ny tongotrareo tsy mivonto, nandritra izay efapolo taona izay.

5 Dia hoekenareo ao am-ponareo fa tahaka ny anabeazan'ny raim-pianakaviana ireo zanany no nanabeazan'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo;

6 ka hotandremanareo ny didiny mba hizoranareo amin'ny lalany sy hanajanareo Azy.

7 Tany soa no efa hampidiran'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo: dia tany misy renirano sy loharano ary rano mitoby anaty tany ka miboiboika eny amin'ny lemaka na eny an-tendrombohitra;

8 tany vokatra varimbazaha sy vary orza ary koa voaloboka sy aviavy aman'ampongabendanitra; tany itobahan'ny menaka oliva sy tantely;

9 tany hahitanareo vy sy vato eo aminy ary hihadianareo varahina ny tendrombohiny. Hanaram-po hihinan-kanina ianareo sady tsy hanan-java-mahory akory eo amin'izany tany izany.

10 Ary rehefa hihinana ka ho voky ianareo, dia hisaotra ny TOMPO Andriamanitrareo noho ny tany soa nomeny anareo.

11 Kanefa tandremo fandrao hadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo ka tsy tandremanareo ny didy sy ny fitsipika aman-dalany, izay ampitaiko aminareo anio.

12 Eny, hihinana sy ho voky ianareo, hanao trano tsara hitoeranareo,

13 hihamaro omby sy ondry aman'osy, hitombo volafotsy sy volamena, ary hiavosa fananana isan-karazany;

14 saingy tandremo fandrao hiavonavona ny fonareo ka hohadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo, Izay nampiala anareo tany Ejipta toera-nanandevozana anareo.

15 Izy no nitondra anareo hitety taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay ahitana menarana misy poizina sy maingoka; kanefa izany tany mangentana tsy misy rano izany no nampiboiboihany rano ho anareo, avy tamin'ny vatolampy mafy indrindra.

16 Izy koa, taty an-taniefitra, no namahana anareo tamin'ny mana, izay hanina tsy fantatry ny razanareo; nampanetry tena anareo sy nizaha toetra anareo Izy mba hahasambatra anareo rahatrizay.

17 Aoka ianareo tsy hanao anakampo hoe: Ny tanjakay sy ny herinay no nahavorianay izao harena izao!;

18 tsarovy kosa fa ny TOMPO Andriamanitrareo no manome anareo ny hery hamoriana harena, ka mahato tahaka ny amin'izao anio izao ny fanekempihavanana izay nataony sady nianianany tamin'ny razambenareo.

19 Fa raha hadinoinareo tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo ka andriamani-kafa no harahinareo sy hotompoinareo ary hiankohofanareo, dia milaza marimarina aminareo aho fa haringana mihitsy ianareo.

20 Tahaka ny handringanan'ny TOMPO ireo firenen-tsamy hafa eo anoloanareo no handringanana anareo koa, satria tsy nohenoinareo ny feon'ilay TOMPO Andriamanitrareo.

Toko faha-9

1 Mihainoa, ry vahoaka Israely o! Efa hiampita an'i Jordana ianareo izao, ary hiroso handroaka firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianareo, sady hahafaka tanana lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra.

2 Soritana manokana ny Hanakita, firenena lehibe sady olona ranjanana, izay fantatrareo sy renareo laza hoe: <Iza no hahatohitra ny taranak'i Hanaka?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9141