Deoterônômy

Toko faha-16

20 Ny ara-drariny mihitsy no harahinareo mba ho velona ianareo ka hahazo ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.

21 Aza anangananareo tsato-kazo fanajana an'i Asera eo anilan'ny alitara izay hamboarinareo ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo;

22 ary aza ampijoroanareo tsangambaton-tsampy koa eo, fa halan'ny TOMPO Andriamanitrareo izany.

Toko faha-17

1 Aza atao sorona ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo ny omby sy ondry aman'osy izay misy kilema maharatsy azy, satria fanimbazimbana an'ilay TOMPO Andriamanitrareo ny manao izany.

2 Ao amin'ny tanana izay homen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia mety hisy lehilahy na vehivavy hita manao izay ratsy eo imason'ny TOMPO Andriamanitrareo ka mivadika ny fanekempihavanana nataony.

3 Lasa izany olona izany manompo andriamani-kafa ary miankohoka aminy na amin'ny masoandro na amin'ny volana na amin'ny kintana, nefa zavatra efa norarana tsy hataonareo ireny.

4 Raha voatatitra aminareo izany toe-javatra izany ka renareo, dia fotopotory tsara; koa raha misy marina tokoa sady natao teo amin'i Israely izany fanimbazimbana izany,

5 dia avoahy ho eo am-bavahadin'ny tanananareo izay lehilahy na vehivavy nahavita izany zava-dratsy izany ka torahy vato ho faty.

6 Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin'ny vavolombelona iray monja dia tsy ampy hamonoana azy.

7 Ny tanan'ireo vavolombelona no hiainga voalohany hamono azy, vao ny tanan'ny vahoaka rehetra. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo.

8 Mety misy raharaha sarotra loatra ho an'ny fitsarana ao an-tanananareo ka tsy efanareo, na momba ny vonoan'olona izany na ady ifanolanana na fandratrana olona na zavatra hafa ifandirana. Raha mitranga izany, dia hiainga ianareo ka hiakatra any amin'ny toerana izay hofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo.

9 Hanatona an'ireo Levita mpisorona sy ilay mpitsara tompon-draharaha ianareo ka hanontany azy, dia hambarany aminareo ny didim-pitsarana.

10 Ary hampiharinareo io didim-pitsarana hambara aminareo eo amin'ny toerana izay hofidin'ny TOMPO io ka himasoanareo ny hanao araka izay rehetra hatorony anareo.

11 Eny, araka ny torolalana homeny anareo sy araka ny fomba fitsarana holazainy aminareo no hataonareo; aza mivily miala amin'izany didim-pitsarana hambarany aminareo izany ianareo, na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia.

12 Fa hovonoin-ko faty kosa ny olona entim-piavonavonana ka tsy mihaino an'ireo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo na tsy mihaino an'ilay mpitsara. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivon'i Israely.

13 Ary handre izany ny vahoaka rehetra, dia hatahotra ka tsy hoentim-piavonavonana toy izany intsony.

14 Rahatrizay ianareo tafiditra ao amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo ka hahazo azy ho fanananareo sy honina eo, dia mety haniry hanangana mpanjaka hifehy anareo, tahaka ny ataon'ny firenena rehetra manodidina anareo.

15 Koa izay mpanjaka hofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo ihany no tena hatsanganareo hifehy anareo; eo anivon'ny mpiray firenena aminareo no hangalanareo mpanjaka izay hatsanganareo hifehy anareo, fa tsy azonareo ekena hifehy anareo ny olona vahiny izay tsy mpiray firenena aminareo.

16 Kanefa aoka ny mpanjakanareo tsy hanana soavaly maro na handefa olona handevozina any Ejipta indray mba hahazoany soavaly maro, satria ny TOMPO efa niteny taminareo hoe: Aza miverina amin'izany lalam-panandevozana izany intsony!

17 Aoka ny mpanjakanareo tsy hampirafy, fandrao hivily ny fony, ary aoka izy tsy hangorona volafotsy na volamena be ho azy.

18 Rehefa tafapetraka eo amin'ny sezafiandrianana ilay mpanjakanareo, dia aoka hosoratany ho boky anankiray ho azy ny dikan'izao lalana izao ka hataony araka ilay tahirizin'ireo Levita mpisorona.

19 Ary ho eo aminy hatrany izany sady hovakiny mandritra ny andro rehetra iainany mba hianarany hanaja ny TOMPO Andriamaniny ka himasoany hanatanteraka ny teny sy didy rehetra raketin'izao lalana izao.

20 Izany no tsy hireharehany ho ambonin'ireo mpiray firenena aminy ary tsy hiviliany hiala amin'ny didy, na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia, ka ho maro andro hanjakana izy sy ny taranany eo anivon'i Israely.

Toko faha-18

1 Ny Levita mpisorona sy ny hafa rehetra anisan'ny fokon'i Levy dia tsy mba hanana zaratany na anjara miaraka amin'ny Israelita namany; fa ny ho fihinany dia ny sorona sy anjara atolotra ho an'ny TOMPO.

2 Tsy hanana anjara eo anivon'ny mpiray firenena aminy tsy akory ny Levita: ny TOMPO no anjarany, araka izay nampanantenainy taminy.

3 Izao no zo ananan'ny mpisorona amin'ny vahoaka, izany hoe amin'ireo olona manolotra omby na ondry na osy hatao sorona: homena ho an'ny mpisorona ny sorok'ilay biby sy ny valanoranony ary ny vavoniny;

4 homenareo azy koa ny voaloham-bokatrareo na vary na divay na menaka; ary homenareo azy ny volon'ireo ondry aman'osy voalohany hetezanareo.

5 Fa ny taranak'i Levy no voafidin'ny TOMPO Andriamanitra tamin'ny foko israelita rehetra hanao lalandava ny fanompoam-pivavahana amin'ny anaran'ny TOMPO.

6 Raha misy Levita maniry mafy hiala ny tanana nonenany, na aiza na aiza manerana an'i Israely, ka mandeha any amin'ilay toerana izay hofidin'ny TOMPO,

7 dia hanao fanompoam-pivavahana amin'ilay TOMPO Andriamaniny izy, tahaka ny ataon'ny Levita rehetra mpiray foko aminy eo anoloan'ny Toeramasina.

8 Ary anjara mitovy amin'ny an'ireo ihany no ho fihinany, na dia misy aza izay azony tamin'ny fivarotana ny fananan-drainy.

9 Rahatrizay ianareo tafiditra eo amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo, dia aza mianatra maka tahaka ny fomba mahatsiravina fanaon'ireo firenena monina ao ireo.

10 Aoka eo aminareo tsy hisy olona mpandefa ny zanany lahy na ny zanany vavy hatao sorona, na mpimasy, na mpanandro, na mpisikidy na mpamosavy;

11 aoka eo aminareo tsy hisy manao fandraikiraikena na manadina ny olona tsindrian-javatra, na mamoha angatra, na manontany ny maty,

12 fa izay rehetra mpanao ireny zavatra ireny dia mahatsiravina eo imason'ny TOMPO; ary izany no handroahan'ny TOMPO Andriamanitrareo an'ireny firenena ireny eo anoloanareo.

13 Aoka ianareo hifikitra tanteraka amin'ny TOMPO Andriamanitrareo.

14 Ireo firenena izay efa horoahinareo ireo no mihaino ny mpanandro sy ny mpimasy; fa ianareo kosa tsy avelan'ny TOMPO Andriamanitrareo hanao izany.

15 Mpaminany anankiray tahaka ahy izao, mpaminany hipoitra avy amin'ny mpiray firenena aminareo, no hatsangan'ny TOMPO Andriamanitrareo ho anareo; izy no hohenoinareo.

16 Izany indrindra no nangatahinareo tamin'ny TOMPO Andriamanitrareo fony ianareo tafavondrona tany Horeba ka nitenenanareo hoe: Aoka tsy ny feon'ny TOMPO Andriamanitray intsony no ho henonay, ary aoka tsy ho hitanay intsony izany afo lehibe izany, fandrao maty izahay.

17 Dia hoy ny TOMPO tamiko: Tsara ny nilazany an'izany.

18 Mpaminany anankiray tahaka anao izao, mpaminany hipoitra avy amin'ny mpiray firenena aminy, no hatsangako ho azy; hataoko eo am-bavan'io mpaminany io ny teniko, ka izay rehetra hasaiko hambarany no holazainy amin'ireo mpiray firenena aminy.

19 Izay rehetra tsy mihaino ny teny izay holazain'io mpaminany io amin'ny anarako, dia Izaho no hampamoaka azy ny amin'izany.

20 Fa ny mpaminany izay sahy hilaza amin'ny anarako zavatra tsy nasaiko nambarany, na izay miteny amin'ny anaran'andriamani-kafa, dia hatao maty izany mpaminany izany.

21 Ianareo angamba hanao anakampo hoe: Ahoana no hahafantaranay ny teny tsy nolazain'ny TOMPO!

22 Raha hoe miteny amin'ny anaran'ny TOMPO ilay mpaminany, kanefa tsy mitranga na tsy tanteraka ny zavatra nolazainy, dia teny tsy nolazain'ny TOMPO izany: fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany ka aoka tsy hampihontsina anareo izy.

Toko faha-19

1 Rahatrizay haringan'ny TOMPO Andriamanitrareo sady horesenareo ny firenena mpanana ny tany izay homen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia honenanareo ny tananany sy ny tranony.

2 Hozarainareo ho faritra telo izany tany omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo izany; dia hanokana tanana telo eo afovoan'ny isam-paritany ianareo ka hamboatra ny lalana mankany mba hahazoan'izay mahafaty olona rehetra mandositra ao amin'ireo tanana ireo.

4 Ny mahazo mandositra ao ka ho velona aina dia izay olona nahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha.

5 Ohatra ny olona izay miaraka amin'ny namany ho any an'ala mba hikapa hazo; ka nony manainga ny famaky hikapa ny hazo ireo tanany, dia mitsoaka amin'ny zarany ny lela-famaky ary mahavoa sady mahafaty ilay namany: handositra ao amin'ny anankiray amin'ireo tanana ireo izany olona izany ka ho velona aina.

6 Aoka ny mpamaly faty, raha mbola mirehi-katezerana, mba tsy hanenjika ny nahafaty olona ka hahatratra azy mbola lavitry ny tanana handosirany sy hamely hahafaty azy; nefa olona tsy tokony ho faty izy, satria tsy nankahala ny namany teo aloha.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9625