ZakariĆ 

Toko 1 Tamin'ny volana fahavalon'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Zakaria mpaminany zanakalahin'i Berekia sady zafikelin'i Hidao.
Toko 2 Nanopy maso aho, ka indreo hitako nisy tandroka efatra.
Toko 3 Ary nasehon'ny TOMPO tamiko i Josoa mpisorombe izay nitsangana teo anatrehan'ny anjelin'ny TOMPO. Ary nijoro teo ankavanan'i Josoa i Satana mba hiampanga azy.
Toko 4 Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko, ka namoha ahy toy ny famoha olona matory
Toko 5 Nanopy maso indray aho, ka indro hitako nisy horonam-boky manidina.
Toko 6 Mbola nanopy maso indray aho, ka indreo hitako nisy kalesy efatra nipoitra avy teo anelanelan'ny tendrombohitra varahina roa.
Toko 7 Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Dariosa, fony andro fahefatry ny volana fahasivy na ny volana Kisleo, no nisy hafatry ny TOMPO tamiko.
Toko 8 Ary nisy tenin'ny TOMPOn'izao rehetra izao tamiko nanao hoe:
Toko 9 Hafatry ny TOMPO. Any amin'ny tanin'i Hadraka no tafapaka ny teniny, ka niato tao Damasy; satria samy an'ny TOMPO na ireo tananan'i Arama na ny fitambaran'ireo fokon'ny Israely.
Toko 10 Mangataha amin'ny Tompo handefasany ranonoran-dohataona fa Izy no manao ny oram-baratra; dia homeny oram-be mivatravatra ianareo ary samy hataony maitso mavana ny sahanareo
Toko 11 Vohay ny varavaranao, ry Libano o! ary aoka ny afo handevona ny sederanao!
Toko 12 Hafatry ny Tompo momba an'i Israely. Izao no teny hentitra ambaran'ny Tompo Izay namelatra ny lanitra sy namorona ny tany, ary nanome aina ny olona:
Toko 13 Amin'izany andro izany, dia hisy loharano mifantsitsitra hanasa ny loto amam-pahotan'ny taranak'i Davida sy ny mponin'i Jerosalema.
Toko 14 Indro akaiky ny andron'ny Tompo. Ka eo imasonareo, ry mponin'i Jerosalema, no hifampizaran'ny hafa ny fanananareo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0377