Zakarià
Toko voalohany
1 Tamin'ny volana fahavalon'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Zakaria mpaminany zanakalahin'i Berekia sady zafikelin'i Hidao.2 Ary nasain'ny TOMPO nilaza izany tamin'ny Israelita i Zakaria nanao hoe: Izaho TOMPO dia tezitra mafy tamin'ny razanareo.
3 Kanefa hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao hoe: Miverena amiko ianareo, dia mba hiverina aminareo Aho. Izaho TOMPOn'izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.
4 Aza manahaka ny razanareo. Fa efa nantsoin'ny mpaminany fahiny tamin'ny anarako ireo mba hiala amin'ny toetra sy ny asa ratsiny, kanefa tsy nety nihaino sy nankato Ahy. Izaho TOMPOn'izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.
5 Fantatrareo fa tsy eo intsony ny razanareo ary tsy velona eo mandrakizay ny mpaminany.
6 Nefa ny teny sy ny didy izay nomeko ny mpaminany mpanompoko dia mba nandresy lahatra ny razanareo ihany; ka niala tamin'ny ratsy izy ary niaiky fa Izaho TOMPOn'izao rehetra izao no efa nitondra azy araka izay notapahiko, dia araka izay sahaza ny toetrany sy ny asany.
7 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, fony andro faha-24 tamin'ny volana faha-11 na volana Sebata, dia nisy hafatry ny TOMPO tamin'i Zakaria mpaminany, zanakalahin'i Berekia sady zafikelin'i Hidao; ka toy izao no fitantaran'i Zakaria izany:
8 Alina no nahitako fa indro nisy lehilahy mitaingin-tsoavaly mena ka nijanona teo anivon'ny hazo mirta teny an-dohasaha lalina; ary teo aoriany nisy soavaly mena sy sadamena ary fotsy sy mainty.
9 Dia nanontaniako izy hoe: Tompoko, inona moa no dikan'ireo soavaly ireo? Dia hoy ny navalin'ilay anjely niresaka tamiko: Hohazavaiko anao ny amin'ireo.
10 Ary ilay lehilahy nijanona teo anivon'ny hazo mirta dia niteny hoe: Nirahin'ny TOMPO ireo mba hitety ny tany.
11 Dia namaly ilay anjelin'ny TOMPO ireo mpitaingin-tsoavaly ka nanao hoe: Efa notetezinay ny tany manontolo, ka hitanay fa milamina sy mandry feizay.
12 Dia hoy ilay anjely hoe: Ry TOMPOn'izao rehetra izao o, indro fitopolo taona izao no nirehetan'ny fahatezeranao tamin'i Jerosalema sy tamin'ny tanana hafa ao Joda. Mandra-pahoviana no mbola tsy hamindranao fo amin'izy ireo?
13 Ary teny mahafinaritra sy mampionona no nataon'ny TOMPO tamin'ilay anjely niresaka tamiko.
14 Ary ilay anjely izay niresaka tamiko dia nandidy ahy hanambara hoe: Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Miredaredam-pitiavana an'i Jerosalema sy ny tendrombohitra Tsiona Aho,
15 kanefa kosa mirehi-pahatezerana mafy amin'ireo firenen-kafa matoky tena loatra; satria fony Aho mbola tezitra kely tamin'i Israely, no nampitombo fahoriana azy kosa ireo.
16 Koa Izaho TOMPOn'izao rehetra izao dia milaza hoe: Haneho indrafo no iverenako eto Jerosalema. Ho voaorina eto indray ny tranoko; ary ho voavoatra indray ny tanana.' Izaho TOMPOn'izao rehetra izao dia miteny hentitra ny amin'izany.
17 Avy eo ilay anjely dia nandidy ahy hanambara koa hoe: Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Mbola hihoa-pampana indray ny fanambinana ireo tananako; sady Izaho TOMPO mihitsy no mbola hampionona an'i Tsiona indray ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray.