Zakarià
Toko faha-13
1 Amin'izany andro izany, dia hisy loharano mifantsitsitra hanasa ny loto amam-pahotan'ny taranak'i Davida sy ny mponin'i Jerosalema.2 Amin'izany andro izany, hoy ny teny hentitra avy amiko Tompon'izao rehetra izao, dia hofoanako amin'ny firenena ny anaran-tsampy ka tsy hisy hahatsiaro izany intsony. Hoesoriko ihany koa ireo mihambo ho mpaminany ary horavako ny fitiavanareo hanompo sampy.
3 Raha mbola misy mihambo haminany ihany, dia ny ray aman-dreniny niteraka azy no hiteny aminy hoe: Ho faty tokoa ianao satria mihambo hiteny amin'ny anaran'ny Tompo, kanefa dia mandainga. Ary ireo ray aman-dreniny hanomboka antsy azy mandra-pahafatiny, raha mbola maminany izy.
4 Amin'izany andro izany, ny mpaminany ho menatra ny haminany sy hilaza ny fahitany, ka tsy ho sahy hamita-bahoaka intsony amin'ny fitafiana akanjo volom-biby,
5 fa samy hiteny hoe: Tsy mpaminany aho fa mpamboly. Hatramin'ny fahatanorako no efa nananako tany!
6 Ary raha misy manontany azy hoe: Inona itony ratra amin'ny tratranao itony?, dia hovaliany hoe: Ratra azoko tany an-tranon'ny namako ireny!
7 Dia hoy ny teny hentitry ny Tompon'izao rehetra izao hoe: Ry sabatra, mifohaza hamely ity mpiandry sady lehilahy namako ity Asio ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry; ary hiverina hamely hatramin'ny madinika Aho.
8 Dia hoy indray ny teny hentitry ny Tompon'izao rehetra izao hoe: Ho faty ny androatokon'ny mponina amin'ny firenena manontolo, fa ny ampahatelony ihany sisa no ho velona.
9 Ary hotsapaiko io ampahatelony io ka hodioviko toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy amin'ny afo. Koa hivavaka amiko izy, ary hamaly azy Aho. Dia hilaza aminy Aho hoe: Ry vahoakakoary izy hanao hoe: Ny Tompo no Andriamanitray.