Zakarià
Toko faha-10
1 Mangataha amin'ny Tompo handefasany ranonoran-dohataona fa Izy no manao ny oram-baratra; dia homeny oram-be mivatravatra ianareo ary samy hataony maitso mavana ny sahanareo2 Fa zava-poana no tenenin'ny sampy. Ary lainga no hany hitan'ny mpisikidy; tsy misy dikany ny nofy tantarainy, feno fitaka ny fampiononana entiny. Izany no nahavoatery ny vahoaka handeha, ka ory tahaka ny andianondry tsy misy mpiandry.
3 Ireo vahiny miandry ny vahoakako no irehetan'ny fahatezerako; ireo osilahy no iantefan'ny famaliako. Izaho Tompon'izao rehetra izao kosa efa hamangy ny ondriko, dia ny taranak'i Joda izany. Toy ny soavaly voaravaka hiady izy no hoentiko any amin'ny toeram-piadiana.
4 Avy ao aminy no hipoiran'ny filoha rehetra izay azo antoka toy ny vatofehizoro, matotra toy ny tsatokan-day, ary hentitra toy ny tsipikan'ady.
5 Ho toy ny mpiady mahery ireo, ka hanitsakitsaka ny mpifanandrina aminy toy ny fotaka eny an-dalambe. Hiady ireo, satria Izaho Tompo no momba azy; ary dia ho safo-kenatra ny fahavalo mpitaingin-tsoavaly.
6 Hampahery ny taranak'i Joda Aho ary hamonjy ny taranak'i Josefa; dia haveriko amin'ny laoniny indray ireo, satria hanehoako famindrampo ka ho toy ny tsy nariako na oviana na oviana. Ary hamaly vavaka azy koa Aho, fa Izaho no Tompo Andriamaniny.
7 Ho toy ny mpiady mahery ireo lehilahin'i Efraima, ary ho dibo-kafaliana toy ny azon-divay ny fony. Hahita izany ny zanany, ka ho ravoravo; ary noho Izaho Tompo dia hibitaka ny fony.
8 Hiantso ny vahoakako Aho ka hanangona azy, satria efa navotako izy, ka hihamaro toy ny taloha indray.
9 Tahaka ny fanaparitaka voa famafy no nanelezako azy tany amin'ny firenena; fa na dia any lavitra any aza ireo dia hahatsiaro Ahy ihany. Any izy no hiaina miaraka amin-janany, kanefa avy eo dia hiverina indray.
10 Hampodiko avy any Ejipta izy ary hangoniko avy any Asiria, ka hoentiko any Gilehada sy any Libano; saingy na dia ireo toerana ireo aza dia mbola tsy ho omby azy ihany.
11 Hamakivaky ny ranomasim-pahoriana izy; Izaho Tompo kosa hively ny onjan-dranomasina sy hahatankina tanteraka ny onin'ny Neily. Dia haetry ny avonavon'i Asiria, ary ho very fahefana i Ejipta.
12 Dia Izaho Tompo no ho herin'ny vahoakako; ary amin'ny anarako no hifampiarahabany. Izaho Tompo no manao izany teny hentitra izany.