Zakarià
Toko faha-8
1 Ary nisy tenin'ny TOMPOn'izao rehetra izao tamiko nanao hoe:2 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Miredaredam-pitiavana an'i Tsiona Aho; eny, miredaredam-pitiavana fatratra azy Aho.
3 Koa Izaho TOMPO mihitsy no milaza fa efa tafaverina indray eto Tsiona Aho ka monina eo afovoan'i Jerosalema. Ny hiantsoana an'i Jerosalema dia Tanana mahatoky. ary ny hiantsoana an'i Tsiona tendrombohitro dia Tendrombohitra masina.
4 Eny, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao, mbola hisy lehilahy sy vehivavy antitra hipetrapetraka eny an-kianjan'i Jerosalema; ka isan'olona ireo, noho ny fahanterany, dia samy hitondra tehina an-tanana.
5 Ary ny kianjan'io tanana io koa dia ho feno zazalahy sy zazavavy milalao.
6 Dia hoy ihany Izaho TOMPOn'izao rehetra izao: Raha sarotra atao ho amin'ireo andro ireo izany ho an'ny vahoaka israelita sisa velona, dia tsy ho sarotra atao kosa izany amiko. Izaho TOMPOn'izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.
7 Eny, Izaho TOMPOn'izao rehetra izao dia mampanantena fa ny vahoakako voaeliko dia hovonjeko avy any atsinanana sy avy any andrefana.
8 Hitondra azy avy any Aho, ka hamponina azy ao Jerosalema; dia ho vahoakako izy, ary Izaho ho Andriamaniny amim-pahitsiana sy amim-pahamarinana.
9 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Mahereza, fa efa renareo ankehitriny ny fampanantenana izay nambaran'ny mpaminany tamin'ny andro nametrahana ny fototry ny tranoko mba hanorenana indray ny tempoliko.
10 Talohan'izany andro izany dia tsy nisy valin-kasasarana na ho an'ny olona na ho an'ny biby. Ary tsy nisy olona afa-nivezivezy ka tsy notandindomim-pahavalo; fa navelako hifamely ny olon-drehetra.
11 Ankehitriny kosa dia tsy toy ny taloha intsony no ho fitondrako ny sisa amin'ny vahoakako. Izaho TOMPOn'izao rehetra izao no manao teny hentitra
12 fa hamafy fiadanana ety amin'ny tany Aho ka hamoa be ny voaloboka ary hahavokatra ny saha; ny lanitra hampilatsaka ny orana sahaza, ary dia homeko ireo soa rehetra ireo izay sisa velona amin'ny vahoakako.
13 Ry fanjakan'i Joda sy i Israely, toy ny nahatongavanareo ho oha-panozonana tany amin'ny hafa firenena, dia toy izany koa ankehitriny no anafahako anareo ka hahatonga anareo ho oha-pitahiana; koa aza matahotra intsony, fa mahereza.
14 Izao manko no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Tamin'ny nampahatezeran'ny razanareo Ahy, dia nihevitra hahatonga loza aminareo Izaho TOMPOn'izao rehetra izao ka tsy nisalasala nanatanteraka izany.
15 Fa ankehitriny kosa dia mihevitra ny hanisy soa hanisy soa anareo Aho, mponin'i Jerosalema sy i Joda; koa aza matahotra intsony ianareo.
16 Izao no tsy maintsy hataonareo: samia milaza ny marina amin'ny namany avy ianareo; aoka ho didim-pitsarana ara-drariny no havoaka eo amin'ny toeram-pitsaranareo mba hahatonga fiadanana eo aminareo.
17 Aza mieritreritra hanisy ratsy ny namana ary aza mety hianiana lainga, fa halako ny zavatra rehetra toy ireny. Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.
18 Ary nisy tenin'ny TOMPOn'izao rehetra izao tamiko nanao hoe:
19 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: ny fifadian-kanina izay tandremanareo amin'ny volana fahefatra sy fahadimy ary fahafito sy fahafolo, dia ho tonga fetim-pifaliana sy firavoravoana mahafinaritra ho an'ny vahoakan'i Joda. Kanefa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.
20 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Mbola hisy firenena vahiny sy mponina avy amin'ny tanana maro ho tonga indray eto Jerosalema.
21 Ary ny mponina ao amin'ny tanana iray dia hankany amin'ny mponin'ny tanana iray hafa ka hitaona azy hanao hoe Ndao tokoa isika handeha hivavaka amin'ny TOMPO, eny, hitady an'ilay TOMPOn'izao rehetra izao. Dia hamaly ireo hoe: Izahay koa mba handeha.
22 Eny, olona maro sy firenena matanjaka no ho tonga eto Jerosalema hitady Ahy TOMPOn'izao rehetra izao ka hivavaka amiko.
23 Amin'izay andro izay, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao, dia hisy vahiny folo izay samy hafa fiteny hihazona Jiosy iray amin'ny sisin'akanjony, ka hitambezo aminy hoe: Mba te handeha hiaraka aminareo izahay, satria efa renay fa momba anareo Andriamanitra.