Zakarià
Toko faha-7
1 Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Dariosa, fony andro fahefatry ny volana fahasivy na ny volana Kisleo, no nisy hafatry ny TOMPO tamiko.2 Ny mponin'i Betela dia efa naniraka an'i Saretsera sy i Regema Meleka mbamin'ny olony hifona amin'ny TOMPO.
3 Ireo no voatendry hanontany ny mpisorona niasa tao amin'ny tranon'ny TOMPOn'izao rehetra izao ary hanontany ny mpaminany hoe: Mbola hitomany sy hifady hanina amin'ny volana fahadimy toy ny efa fanaonay hatramin'ny ela ihany va izahay?
4 Koa nisy baikon'ny TOMPOn'izao rehetra izao
5 nampitondra ahy ny valin-teniny ho an'ny mpisorona sy ho an'ny mponina rehetra teo amin'ny tany nanao hoe: Hatramin'izay fitopolo taona izay, raha nifady hanina sy nitomany tamin'ny volana fahadimy sy fahafito ianareo, moa ho Ahy va no nanaovanareo izany?
6 Ary raha nihinana sy nisotro ianareo, moa tsy ho an'ny tenanareo va no nanaovanareo izany?
7 Fahiny efa niteny toy izany tamin'ny alalan'ireo mpaminany ny TOMPO, fony mbola nandry fahalemana ny mponin'i Jerosalema sy ny tanana manodidina, ary mbola nonenana koa ny faritany atsimo sy ny lemak'i Sefela.
8 Ary nisy baikon'ny TOMPOn'izao rehetra izao mba hampahatsiahivako izay efa nambarany hoe: Manaova fitsarana marina ianareo, samia mifankatia sy mifamindrafo.
10 Ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na koa ny vahiny na ny mahantra. Aza mba mihevitra hanisy ratsy ny namany.
11 Kanefa tsy nety nihaino izany ny olona; fa nanainga soroka ho fandavana izy sady nanentsin-tadiny mba tsy handre.
12 Eny, nanao ny fony ho mafy toy ny diamondra izy ka tsy nety nihaino ny fampianaran'ilay TOMPOn'izao rehetra izao, dia ny teny izay nampilazan'ny Fanahiny tamin'alalan'ny mpaminany fahiny. Noho izany tezitra mafy ny Tompon'izao rehetra izao,
13 ka nanao hoe: Satria tsy nety nihaino izy rehefa mba nanao antso avo taminy Aho, dia tsy mba nihaino azy kosa Aho rehefa mba niantso vonjy tamiko izy.
14 Fa naeliko ho any amin'ny firenena isan-tokony izay tsy fantany akory izy. Tany lao no sisa navelany taoriany, ka tsy nivezivezen'olona intsony. Ary ilay taniny nahafinaritra iny dia nataony tonga taniefitra.