Zakarià

Toko faha-6

1 Mbola nanopy maso indray aho, ka indreo hitako nisy kalesy efatra nipoitra avy teo anelanelan'ny tendrombohitra varahina roa.

2 Soavaly mena no tamin'ny kalesy voalohany; soavaly mainty no tamin'ny faharoa;

3 soavaly fotsy no tamin'ny fahatelo; ary soavaly sadamena no tamin'ny kalesy fahefatra.

4 Dia nanontaniako ilay anjely niresaka tamiko hoe: Inona moa no dikan'ireo kalesy ireo, tompoko?

5 Dia hoy izy namaly ahy: Ireo kalesy efatra ireo dia hiroso ho any amin'ny vazan-tany efatra rehefa avy niseho teo anatrehan'ilay Tompon'ny tany tontolo.

6 Niroso nankamin'ny faritany avaratra ny kalesy tarihin'ireo soavaly mainty; niroso nankamin'ny faritany andrefana ireo soavaly fotsy ary niroso nankamin'ny faritany atsimo ireo soavaly sada.

7 Ireo soavaly manja koa niroso amin'ny lalany; fa samy maimay izy rehetra ireo handeha hitety ny tany. Dia hoy ny TOMPO taminy: Mandehana mitety ny tany ianareo. Ka dia lasa nitety ny tany ireto kalesy ireto.

8 Fa niantso ahy ny Tompo ka nanao tamiko hoe: Jereo fa ireo niroso nankamin'ny faritany avaratra dia hampidina ny Fanahiko amin'io faritany io.

9 Ary nisy baikon'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

10 Raiso ny fanomezana entin'i Helday sy i Tobia ary Jedahia, ka mankanesa izao anio izao any an-tranon'i Josia zanakalahin'i Tsefania, ilay novantanin'izy telo lahy raha vao tonga avy tany Babilona izy.

11 Ary hakanao volafotsy sy volamena izany, dia hanaovanao satroboninahitra ka hapetrakao eo an-dohan'i Josoa mpisorombe zanakalahin'i Jotsadaky;

12 avy eo izy dia hitenenanao hoe: Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Indro misy lehilahy atao hoe Itsimoka; fa hitsimoham-piainana izay lalovany, sady izy no hanorina indray ny tempoliko;

13 eny, izy no hanorina indray ny tempoliko. Ary hisalotra ny fanamiana maha mpanjaka izy, ka eo amin'ny sezafiandrianany no hipetrahany hanapaka ny vahoaka. Eo ankavanan'io lehilahy io kosa dia hisy mpisorona anankiray, izay eo amin'ny sezafiandrianany manokana; ka fisainana mifanaraka tsara no hisy amin'izy roalahy ireo.

14 Ary hijanona eo amin'ny tempolin'ny TOMPO ilay satroboninahitra ho fampahatsiarovana an'i Helday sy i Tobia ary i Jedahia, ary koa ho fampahatsiarovana ny fahalalaham-pon'ilay zanakalahin'i Tsefania.

15 Hisy koa olona avy lavitra ho tonga hanampy amin'ny fanamboarana ny tempolin'ny TOMPO. Amin'izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn'izao rehetra izao no naniraka ahy ho aty aminareo. Ho tonga izany, raha mankato ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0772