Zakarià

Toko faha-4

1 Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko, ka namoha ahy toy ny famoha olona matory

2 sady nanontany ahy hoe: Inona no hitanao? Dia hoy aho namaly: Fitoeran-jiro volamena misy fitahirizan-diloilo eo an-tampony no hitako. Fanaovan-jiro fito no eo amin'izany fitoeran-jiro izany; ary lahin-jiro fito kosa no eo amin'ny fanaovan-jiro tsirairay avy.

3 Misy hazo oliva roa eo anilan'ilay fitahirizan-diloilo, ka ny anankiray eo an-kavanany, ary ny anankiray eo an-kaviany.

4 Tamin'izay ilay anjely niresaka tamiko dia nanontaniako hoe: Inona moa no dikan'ireo, Tompoko?

5 Ka hoy izy tamiko: Tsy fantatrao va ny dikan'ireo? Fa novaliako hoe: Tsia, Tompoko.

6a Dia nohazavainy tamiko ary

10b fa ireo jiro fito ireo no mason'ny TOMPO izay mahita ny zavatra rehetra ambonin'ny tany.

11 Dia nanontaniako indray izy hoe: Inona moa ireo hazo oliva roa eo an-kavanana sy eo an-kavian'ny fitoeran-jiro ireo?

12 Ary mbola nanontaniako fanindroany izy hoe: Inona koa ireo sampan'oliva roa izay mandraraka diloilo volamena ireo amin'ny alalan'ny fantsona volamena anankiroa?

13 Ka hoy izy tamiko: Tsy fantatrao koa va ny dikan'ireo? Fa novaliako hoe: Tsia, Tompoko.

14 Dia nohazavainy tamiko ary fa ireo zavatra ireo dia manambara ny olona roa voahosotra tamin'ny diloilo mba hanompo ilay Tompon'ny tany tontolo.

6b Ary niteny tamiko ilay anjely mba hampita izao hafatry ny TOMPO ny amin'i Zerobabela izao: 'Tsy amin'ny herin-tafika na amin'ny fahatanjahanao no hahatanterahanao andraikitra fa kosa amin'ny Fanhiko, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao.'

7 Sady niteny koa ny Tompo hoe: 'Sakana va io tendrombohitra lehibe io? Holemahin'i Zerobabela izy. Hoesoriny avy ao ny vato izay hatao tendron'ny tempoly ka hantsoantsoin'ny olona hoe: 'Mahafinaritra, mahafinaritra!"

8 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko indray nanao hoe:

9 Ny tanan'i Zerobabela no nametraka ny fanorenan'ity tempoly ity, ary ny tanany koa no hamita azy.' Amin'izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn'izao rehetra izao no naniraka ahy ho aty aminareo.

10a Misy olona manamavo ny andro anaovana asa madinika fanombohana. Kanefa aoka hifaly kosa ireo, raha mahita an'i Zerobabela mampiasa pilao eny an-tanany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0636