Zakarià
Toko faha-2
1 Nanopy maso aho, ka indreo hitako nisy tandroka efatra.2 Ary nanontaniako ilay anjely niresaka tamiko hoe: Inona moa no dikan'ireo tandroka ireo? Dia hoy ny navaliny ahy: Ireo no firenena matanjaka izay nampihahaka ny mponin'i Joda sy i Israely ary i Jerosalema.
3 Dia nampisehoan'ny TOMPO mpanefy efatra aho
4 ka nanontany indray hoe: Tonga mba hanao inona moa ireto? Ary dia namaly izy hoe: Ireto kosa dia tonga hampihorohoro sy hampiongana ny firenena matanjaka izay nitsangana hanohitra ny firenen'i Joda sady nampihahaka ny vahoakany mba tsy hisy na iray aza hanohitra azy.
5 Nanopy maso indray aho, ka indro hitako nisy lehilahy nihazona tady fandrefesana.
6 Ary nanontaniako izy hoe: Ho aiza moa ianao? Dia hoy izy namaly ahy: Ho any Jerosalema aho handrefy azy hahitana ny sakany sy ny lavany.
7 Dia nandroso ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely iray koa avy hitsena azy
8 sady nandidy azy hoe: Mihazakazaha, dia ilazao io zatovolahy izay mihazona tady fandrefesana io hoe: Tsy ho tananamimanda i Jerosalema fa ho marobe ny olona sy ny biby honina ao aminy.
9 Ary hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Izaho no ho manda afo manodidina hiaro ny tanana, ary ny voninahitro no ho eo afovoany.
10 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: He! Ianareo izay naeliko any amin'ny vazan-tany efatra, mandosira ankehitriny, ialao ny tany avaratra. Hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe:
11 He! Ry vahoakan'i Tsiona voasesitany ao Babilona, mitsoaha tao ianareo.
12 Fa ny TOMPOn'izao rehetra izao, Ilay naniraka ahy tamim-pahefana, dia miteny amin'ireo firenena izay namabo anareo hoe: Na zovy na zovy mikasika anareo, dia mikasika ny anakandriamasoko.
13 Eny, haninjirako tanana ireo firenena ireo mba ho lasa babon'ireo nandevoziny. Amin'izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn'izao rehetra izao no naniraka ahy.
14 Dia hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Mihobia sy mifalia, ry vahoakan'i Tsiona, fa indro avy honina ao afovoanareo Aho.
15 Amin'izany andro izany, firenena maro no hiraiki-po amiko ka ho tonga vahoakako; ary honina eo afovoanareo Aho. Amin'izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn'izao rehetra izao no naniraka ahy ho aty aminareo.
16 Dia ho fananan'ny TOMPO indray i Joda ao amin'ny tany masina; ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray Izy.
17 Aoka ny voaary rehetra hangina eo anatrehan'ny TOMPO satria avy ao amin'ny fonena-masiny Izy no hipoitra tampoka.