Hezrà

Toko 1 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kirosa amperoran'i Persia no tanteraka ny teny nampilazain'ny TOMPO an'i Jeremia mpaminany. Nanaitra fanahy an'i Kirosa manko tamin'izay ny TOMPO ka nahatonga azy hampiely an-kabary sy an-tsoratra eran'ny fanjakany manontolo ireto hafatra ireto:
Toko 2 Tamin'ireo olona nobaboin'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona ka nentiny ho any Babilonia, dia maro ny teraky ny faritanin'i Joda no niala sesitany ka nitodi-doha ho any Jerosalema sy Joda, samy niverina ho any an-tananany avy;
Toko 3 Nony tonga ny volana fahafito, ireo Israelita rehetra, izay efa samy tafapetraka teny amin'ny tananany avy, dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray ihany.
Toko 4 Ren'ny valovotaka, fahavalon'ny Jiosy tao Joda sy tao Benjamina, fa manorina tempoly ho an'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely ny Jiosy nody avy any an-tsesitany.
Toko 5 Indray andro, ny mpaminany Hagay sy ny mpaminany Zakaria zanakalahin'i Hidao dia nitondra hafatra ho an'ny Jiosy tao Jerosalema sy Joda, tamin'ny anaran'Ilay Andriamanitr'i Israely, Izay nanentana azy.
Toko 6 Dia nanome baiko ny amperora Dariosa mba hizahana ny trano fitehirizan-taratasy sady fitehirizan-drakitra tao Babilona.
Toko 7 Taty aoriana, tamin'ny andro nanjakan'i Artakserksesa amperoran'i Persia, no nipoiran'i Hezra. Io Hezra io dia zanakalahin'i Seraia sy zafin'i Hazaria sy zafiafin'i Hilkia
Toko 8 Araka ny firazanany, dia ireto avy ny loham-pianakaviana niaraka tamiko niala tany Babilona ka niverina an-tanindrazana, tamin'ny andro nanjakan'ny amperora Artakserksesa:
Toko 9 Taorian'izany zavatra izany, dia nanatona ahy ireo lehiben'ny Israelita ka nanao hoe: Na sarambabem-bahoaka na mpisorona na levita, dia tsy mbola miavaka amin'ny valovotaka, fa maka tahaka ny zava-maharikoriko fanaon'ny Kanahanita sy Hitita, ny Perizita sy Jebosita, ny Hamonita sy Moabita, ary ny Ejiptianina sy Amorita.
Toko 10 Raha mbola nanao izany vavaka fieken-keloka izany i Hezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra, dia nisy vahoaka israelita maro, lehilahy sy vehivavy mbamin'ny ankizy madinika, nivory nanodidina azy; ary nitomany mafy dia mafy izy rehetra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0371