Hezrà

Toko faha-7

1 Taty aoriana, tamin'ny andro nanjakan'i Artakserksesa amperoran'i Persia, no nipoiran'i Hezra. Io Hezra io dia zanakalahin'i Seraia sy zafin'i Hazaria sy zafiafin'i Hilkia

2 sy zafin-dohalik'i Saloma sy zafin-kitrokelin'i Tsadoka sy zafim-paladian'i Ahitoba

3 ary zafin-dorian'i Amaria, dia i Amaria zanakalahin'i Hazaria sy zafin'i Meraiota

4 sy zafiafin'i Zerahia sy zafin-dohalik'i Hozy sy zafin-kitrokelin'i Boky

5 sy zafim-paladian'i Abisoa ary zafin-dorian'i Pinehasa, dia i Pinehasa zanakalahin'i Elehazara sy zafin'i Aharona mpisorombe.

6 Niakatra avy tany Babilona i Hezra; mpahay lalana izy, ka fatra-pahalala tokoa ny lalana izay nampitain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely tamin'i Mosesy. Nomen'ny amperora an'i Hezra avokoa izay rehetra nangatahiny, noho izy nomban'ny herin'Ilay TOMPO Andriamaniny.

7 Tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Artakserksesa no nisy Israelita niverina tany Jerosalema, dia mpisorona sy levita mbamina mpihira sy mpiandry varavarana ary mpanampy ny levita.

8 Niaraka tamin'ireo i Hezra ka tonga tany Jerosalema tamin'ny volana fahadimin'io taona fahafito nanjakan'i Artakserksesa io.

9 Ny andro voalohan'ny volana voalohany no niaingan'i Hezra avy tany Babilona; ary ny andro voalohan'ny volana fahadimy no nahatongavany tao Jerosalema noho ny fiarovana mahery nomban'Andriamanitra azy.

10 I Hezra manko dia efa niorim-po hianatra ny lalanan'ny TOMPO sy hanatanteraka azy ary hampianatra ny didy amam-pitsipika raketiny.

11 Izao no kopian'ilay taratasy nomen'i Artakserksesa an'i Hezra mpisorona izay mpahay lalana fatra-pahalala ny antsipirian'ireo didy aman-dalan'ny TOMPO ho an'i Israely:

12 Avy amiko Artakserksesa, mpanjakan'ny mpanjaka, ity taratasy ho an'i Hezra mpisorona izay mpahay lalana fatra-pahalala ny lalanan'Ilay Andriamanitry ny lanitra. Mamangy anao aho sns...

13 Manao didy aho fa na iza na iza Israelita eto amin'ny fanjakako, na sarambabem-bahoaka na mpisorona na levita, no te hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy.

14 Fa izaho sy izy fito lahy mpanolotsaiko dia maniraka anao any Jerosalema sy any Joda mba handinika raha mifanaraka amin'ilay lalanan'Andriamanitrao izay any an-tananao ny toetran'ny Jiosy.

15 Irahinay koa ianao hitondra ny volafotsy sy volamena izay efa sitrako sy sitrak'ireo mpanolotsaiko nomena ho an'Ilay Andriamanitr'i Israely Izay ao Jerosalema no fonenany;

16 ary dia hoentinao koa ny fanomezana rehetra volafotsy sy volamena izay ho azonao eran'ny faritr'i Babilona, miaraka amin'ny fanomezana an-tsitrapo aterin'ireo mpiray firenena aminao na mpisorona na sarambabem-bahoaka, mba ho an'ny tranon'Ilay Andriamaniny izay any Jerosalema.

17 Koa himasoanao ny hividy amin'io vola io ny ombilahy sy ondrilahy ary zanakondry mbamin'izay ilaina hatao fanatitra hohanina sy fanatitra araraka; dia haterinao eo ambonin'ny alitara ao an-tranon'Andriamanitrareo any Jerosalema ireny.

18 Izay heverinao sy ny Israelita mpiara-dia aminao hatao amin'ny volafotsy sy volamena sisa dia ataovy araka ny sitrapon'Andriamanitrareo.

19 Ny fanaka nomena anao ho an'ny fanompoam-pivavahana ao an-tranon'Andriamanitrao dia apetraho eo anatrehan'Andriamanitra any Jerosalema.

20 Ary izay rehetra mbola hilaina ho an'io trano io ka tsy maintsy hiantsorohanao, dia ny tahirim-bolam-panjakana no hampandoavinao azy.

21 Izaho, Artakserksesa amperora, dia manao izao didy izao ho anareo rehetra mpitahiry harem-panjakana any andafy andrefan'ny ony Eofrata; iny i Hezra mpisorona, izay mpahay lalana fatra-pahalala ny lalanan'ilay Andriamanitry ny lanitra; na inona na inona ilainy ka takiny aminareo, dia hotanterahina tsy misy tomika izany.

22 Hatolotrareo an'i Hezra hatramin'ny volafotsy 3400 kilao sy ny varimbazaha telo alina kilao, ny divay efatra arivo litatra sy ny menaka efatra arivo litatra ary ny sira araka izay tiany.

23 Na inona na inona andidian'ilay Andriamanitry ny lanitra momba izany tranony izany, dia hotanterahina haingana mba tsy hiharan'ny fahatezerany amin'ny fanjakako sy amin'ny tenako ary amin'ny taranako.

24 Ampahafantarinay anareo mpitahiry harem-panjakana koa fa ny mpisorona sy ny levita, ny mpihira sy mpiandry varavarana, ary ny mpanampy sy mpiasa hafa ao amin'io tranon'Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra na haba na sara.

25 Ary ianao, ry Hezra, araka ny fahendren'ny lalanan'Andriamanitrao izay eny an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara mba hitsara ny olona rehetra mahalala ny lalanan'Andriamanitrao amin'ny mponina any andafy andrefan'ny ony Eofrata; fa izay tsy mbola mahalala izany lalana izany kosa dia aoka hampianarinareo.

26 Ary na iza na iza tsy mety mankato ny lalanan'Andriamanitrao sy ny lalanan'ny amperora, dia aoka izy hotsaraina araka ny rariny ka hovonoina, na horoahina, na hosazina vola, na hatao am-ponja.

27 Hankalazaina anie ny TOMPO Andriamanitry ny razanay, hoy i Hezra. Fa Izy no nanoro hevitra ny amperora hanatsara endrika ny tranony any Jerosalema;

28 sady teo anatrehan'ny amperora sy ireo mpanolotsainy ary ny manampahefana rehetra manodidina azy koa no nanehoany fitiavana ahy. Ary nampaherezin'ny fiarovan'ny TOMPO Andriamanitro aho ka nahangona loholona israelita mba hiara-miverina amiko any an-tanindrazana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0609