Hezrà
Toko faha-3
1 Nony tonga ny volana fahafito, ireo Israelita rehetra, izay efa samy tafapetraka teny amin'ny tananany avy, dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray ihany.2 Tamin'izay i Jesoa, zanakalahin'i Jotsadaka, sy ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy, ary koa i Zerobabela, zanakalahin'i Sealtiela, sy ireo olona iray tarika aminy no nirotsaka nanorina ny alitaran'Ilay Andriamanitr'i Israely mba hanolorana sorona dorana manontolo, araka izay voasoratra ao amin'ny lalanan'i Mosesy, olon'Andriamanitra.
3 Na dia nampahatahotra azy aza ireo valovotaka tao Joda, dia naorin'ny Israelita teo amin'ny toerany taloha ihany ny alitara; ary teo amboniny no nanolorany sorona dorana manontolo ho an'ny TOMPO, dia ireo sorona fanao maraina sy hariva.
4 Avy eo dia nanao ny fankalazana ny Tranotomboka araka ny voasoratra koa ny Israelita ka nanolotra sorona dorana manontolo isan'andro araka izay voafetra hatao isan'andro.
5 Taorian'izany dia natolotry ry zareo ny sorona dorana manontolo tsy tapaka sy ny sorona dorana manontolo fanao amin'ny voaloham-bolana na amin'ny fankalazana rehetra voatokana ho an'ny TOMPO ary koa ny avy amin'izay rehetra manao fanatitra an-tsitrapo ho Azy TOMPO.
6 Amin'izao andro voalohan'ny volana fahafito izao ny Israelita no nanomboka nanolotra sorona dorana manontolo ho an'ny TOMPO, na dia mbola tsy nalatsaka akory aza ny fototr'ilay tempolin'ny TOMPO.
7 Dia nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra; nomeny hanina amam-pisotro sy menaka ny Tirianina sy ny Tsidonianina mba hitondra hazo sedera avy any Libano ka hitatitra azy an-dranomasina hatrany Jafao. Araka ny fanomezan-dalana nomen'i Kirosa amperoran'i Persia no nanaovan'ny Israelita izany.
8 Ary tamin'ny volana faharoan'ny taona faharoa nahatongavany teo amin'ny tranon'Andriamanitra tao Jerosalema, dia nisantatra ilay asa i Zerobabela zanakalahin'i Sealtiela, sy i Jesoa zanakalahin'i Jotsadaka mbamin'ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy sy ny levita ary izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany ka tonga tao Jerosalema. Nanendry ny Levita hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra ny daholobe mba ho tonian'izao asa amin'ny tranon'ny TOMPO izao;
9 ary niray hina nijoro ho tonian'ny mpiasa ireo levita: dia ry i Jesoa sy i Kadmiela mirahalahy zanak'i Hodavia mbamin'ny taranany avy, ireo zanakalahin'i Henadada mbamin'ny taranany avy, ary koa levita hafa mpiray foko aminy.
10 Nony nandatsaka ny fototr'ilay tempolin'ny TOMPO ireo mpiasa, dia nasaina nanatrika teo ny mpisorona nanao fanamiana sy nitondra trompetra ary koa ny levita terak'i Asafa nitondra kipantsona, mba hidera ny TOMPO araka ny nandidian'i Davida mpanjakan'i Israely.
11 Dia nidera sy nisaotra ny TOMPO ireto terak'i Asafa ka nanao hira nifamalivaly hoe: Tsara ny Tompo, ary maharitra mandrakizay ny fitiavany an'i Israely! Nihoby mafy koa ny vahoaka rehetra raha nidera ny TOMPO, satria vita ny fototry ny tranon'ny TOMPO.
12 Maro ny mpisorona sy ny levita ary ny loham-pianakaviana, dia ireo antitra efa nahita ilay trano taloha, no nitomany mafy dia mafy nony nalatsaka teo imasony ny fototr'izany trano vaovao izany; nefa maro koa no nanandra-peo nihoby sy nifaly.
13 Ka dia tsy hay navahany ny hobin-kafalian'ny andaniny sy ny feo fitomanian'ny ankilany, satria samy nanao horakoraka mafy sy re lavitra tokoa ny olona.