Hezrà

Toko faha-8

1 Araka ny firazanany, dia ireto avy ny loham-pianakaviana niaraka tamiko niala tany Babilona ka niverina an-tanindrazana, tamin'ny andro nanjakan'ny amperora Artakserksesa:

2 I Geresona, avy amin'ny terak'i Pinehasa; i Daniela, avy amin'ny terak'i Itamara; i Hatosy, avy amin'ny terak'i Davida;

3 lehilahy iray anisan'ny zanak'i Sekania; i Zakaria mbamin'ireo namany 150 lahy samy avy amin'ny terak'i Parehosy;

4 i Eliohenay mbamin'ireo namany roanjato lahy, samy avy amin'ny terak'i Zerahia;

5 i Sekania, zanakalahin'i Jahaziela, mbamin'ireo namany telonjato lahy, samy avy amin'ny terak'i Zato;

6 i Hebeda, zanakalahin'i Jonatana, mbamin'ireo namany dimampolo lahy, samy avy amin'ny terak'i Hadina;

7 i Jesahia, zanakalahin'i Hatalia, mbamin'ireo namany fitopolo lahy, samy avy amin'ny terak'i Helama;

8 i Zebadia, zanakalahin'i Mikaela, mbamin'ireo namany valopolo lahy samy avy amin'ny terak'i Sefatia;

9 i Hobadia, zanakalahin'i Jehiela, mbamin'ireo namany 218 lahy, samy avy amin'ny terak'i Joaba;

10 i Selomita, zanakalahin'i Josifia, mbamin'ireo namany 160 lahy, samy avy amin'ny terak'i Bany;

11 i Zakaria, zanakalahin'i Bebay, mbamin'ireo namany 28 lahy, samy avy amin'ny terak'i Bebay;

12 i Johanana, zanakalahin'i Hakatana, mbamin'ireo namany 110 lahy, samy avy amin'ny terak'i Hazgada;

13 i Elifelety sy i Jehiela ary i Semahia, izy telo lahy tanora indrindra, mbamin'ireo namany 60 lahy, samy avy amin'ny terak'i Adonikama;

14 i Hotahy sy i Zaboda, mbamin'ireo namany 70 lahy, samy avy amin'ny terak'i Bigvay.

15 Nangoniko teo amoron'ilay lakan-drano mankany Ahava ireo loham-pianakaviana rehetra ireo, ka nilasy teo nandritra ny telo andro izahay. Nony nandinika ny olona aho, dia nahita fa sarambabem-bahoaka sy mpisorona ry zareo fa tsy nisy levita na dia iray akory aza.

16 Ka dia nirahiko ry i Elihezera sy i Ariela, i Semahia, i Elnatana, i Jariba sy i Elnatana, i Natana sy i Zakaria ary i Mesolama izay samy loham-pianakaviana, mbamin'i Joiariba sy i Elnatana izay samy mpivaofy lalana;

17 nampitondraiko hafatra ho an'i Hidao loholona any Kasifia izy 11 lahy; ka nambarako azy izay teny holazaina amin'i Hidao sy ireo namany mpanampy ny Levita izay monina any Kasifia. Ny kendrena dia ny hitondran'izy 11 lahy aty aminay ireo olona ho mpandraharaha ao an-tranon'Andriamanitray.

18 Noho ny fiarovan'Andriamanitray, dia ireto avy ny olona azon'izy 11 lahy nentina ho aty aminay: i Serebia, olon-kendry anisan'ny tarik'i Mahely sady taranak'i Levy zanakalahin'i Jakoba, mbamin'ireo zanany sy mpiray tampo aminy, izany hoe lehilahy 18;

19 i Hasabia sy i Jesahia, anisan'ny tarik'i Merary, mbamin'ireo mpiray tampo aminy sy ny zanak'izy roa lahy, izany hoe lehilahy 20.

20 Nentin'ireto iraka koa ny lehilahy 220 notsongaina tamin'ireo mpanampy ny levita, dia ilay sokajin'olona notendren'i Davida sy ny loholona mba hanompo ny levita. Samy notononina anarana avokoa ireo lehilahy ireo.

21 Teo amoron'io lakan-dranon'i Ahava io, dia nanainga anay rehetra hanao fifadian-kanina aho mba hietrenay tena eo anatrehan'Andriamanitray sy hangatahanay Azy hahatsara dia anay sy ny vady aman-janakay omban'ny fanananay rehetra.

22 Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin'ny amperora mba hiaro anay amin'ny fahavalonay eny an-dalana; fa efa nilaza taminy manko izahay hoe: Momba izay rehetra mitady Azy ny fiarovan'Andriamanitray, fa ny fahatezerany kosa hamely mafy izay rehetra mahafoy Azy.

23 Izany no nifadianay hanina sy nangatahanay ny hiarovan'Andriamanitra anay; ary nohenoiny vavaka izahay.

24 Avy eo dia nifidy 12 lahy tamin'ireo lohandoha-mpisorona aho ary koa nifidy an'i Serebia sy i Hasabia mbamin'ny levita folo lahy namany.

25 Nolanjaiko teo anatrehan'izy 24 lahy ny volafotsy sy volamena ary fanaka horaisiny, dia ny zavatra natokana ho an'ny tranon'Andriamanitray ka naterin'ny amperora sy ny mpanolotsainy sy ny manampahefana ary ny Israelita rehetra vory teo.

26 Eny, nolanjaiko hatolotra an'ireo mpisorona sy levita ireo ny volafotsy roa alina kilao,

27 ny koveta volamena roapolo milanja valo kilao, ary ny fanaka varahina anankiroa sarobidy toy ny fanaka volamena satria vita varahina manganohano.

28 Ka hoy aho tamin'ireo mpisorona sy levita ireo: Tahaka ny maha voatokana anareo ho an'ny TOMPO no maha voatokana an'ireto fanaka ireto ho Azy koa; ny volafotsy sy volamena dia fanomezana an-tsitrapo ho an'ny TOMPO, Ilay Andriamanitry ny razanareo.

29 Koa tandremo tsara ireo mandra-pahatonga any Jerosalema, ary lanjao eo anatrehan'ny lohandohany amin'ny mpisorona sy levita ary eo anatrehan'ny loham-pianakaviana, ao amin'ny efitrano fanaovana izany ao an-tranon'ny TOMPO.

30 Dia noraisin'ireo mpisorona sy levita ireo izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba hoentiny any Jerosalema, ho ao an-tranon'Andriamanitray.

31 Tamin'ny andro faha-13, volana voalohany, no nialanay teo amin'ny lakan-dranon'i Ahava mba hankany Jerosalema; ary nomban'ny fiarovan'Andriamanitra izahay teny an-dalana ka novonjeny tamin'ny famelezan'ny fahavalo sy mpanotrika.

32 Nony tonga tany Jerosalema izahay, dia niala sasatra telo andro.

33 Tamin'ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy volamena ary fanaka, alohan'ny hanolorana azy an'i Meromota mpisorona, zanakalahin'i Oria, izay nampian'i Elehazara, zanakalahin'i Pinehasa, ary koa ny levita anankiroa, dia i Jozabada zanakalahin'i Jesoa, sy i Nohadia zanakalahin'i Binoy.

34 Voaisa sy voalanja avokoa ny zavatra rehetra, ka natao an-tsoratra androtr'izay ihany ny tontaliny.

35 Izay rehetra niverina avy any an-tsesitany dia nanolotra sorona ho an'Ilay Andriamanitr'i Israely. Ka tamin'ny anaran'i Israely tsivakivolo no nanolorany ombilahy 12 sy ondrilahy 96 ary zanakondry 77 ho sorona dorana manontolo, sady nanolorany osilahy 12 ho sorona fanalana ny ota: natao sorona nolevonina manontolo ho an'ny TOMPO izany rehetra izany.

36 Avy eo dia natolotray an'ireo solotenan'ny andriamanjaka sy ireo governoran'ny faritra aty andafy andrefan'ny ony Eofrata ny didin'i Artakserksesa; ka nampian-dry zareo ny vahoaka israelita sy ny tranon'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0576