Hezrà

Toko faha-10

1 Raha mbola nanao izany vavaka fieken-keloka izany i Hezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra, dia nisy vahoaka israelita maro, lehilahy sy vehivavy mbamin'ny ankizy madinika, nivory nanodidina azy; ary nitomany mafy dia mafy izy rehetra.

2 Tamin'izany no niteny i Sekania, zanakalahin'i Jehiela sady anisan'ny taranak'i Helama, ka nanao tamin'i Hezra hoe: Efa nanao izay mahadiso amin'Ilay Andriamanitsika izahay, satria naka vehivavy hafa firenena anisan'ireo mponin'ity tany ity ho vadinay; nefa na izany aza, dia mbola misy fanantenana ihany ho an'i Israely.

3 Aoka hifanaiky amin'Ilay Andriamanitsika izahay fa handroaka mbamin-janany ireo vehivavy rehetra hafa firenena ireo. Harahinay ny anatra nataonao sy naroson'izay fatra-panaja ny didin'Andriamanitra; aoka hatao araka ny lalanany tokoa izany!

4 Mitsangana fa adidinao izao raharaha izao; ary izahay koa vonon-kiaraka aminao. Aoka ho sahinao atao izany!

5 Dia nitsangana i Hezra ka nampianiana ny lohandohan'ireo mpisorona levita sy ireo filohan'ny Israelita hanao araka izany tolokevitr'i Sekania izany; ary dia nianiana ireo.

6 Taorian'izay i Hezra no niala teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra ka nankany amin'ny efitranon'i Johanana zanakalahin'i Eliasiba ary nitoetra tao; saingy tsy nety nihinan-kanina sy nisotro rano izy satria nalahelo tokoa noho ny fahadisoan'ireo Jiosy tafaverina avy any an-tsesitany.

7 Dia nisy teny nalefa eran'i Jerosalema sy i Joda ho an'ireo Israelita tafaverina avy any an-tsesitany mba hivory ao Jerosalema;

8 ary na iza na iza tsy tonga anatin'ny telo andro, araka ny tenin'ireo lehibe sy loholona, dia horobaina ny fananany rehetra ary hesorina tsy ho anisan'ny fiangonana israelita izy.

9 Nony afaka telo andro, izany hoe ny andro faharoapolon'ny volana fahasivy, dia vory tao Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin'i Joda sy i Benjamina; ary nipetraka teo an-kianjan'ny tranon'Andriamanitra ny vahoaka rehetra ka samy nangovitra noho izany toe-draharaha izany, ary koa noho ny ranonorana be.

10 Dia nitsangana i Hezra ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy israelita, efa nanao izay mahadiso tokoa ianareo satria naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahotan'ny firenentsika.

11 Koa samia ianareo miaiky heloka amin'ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo sy manao ny sitrapony; ary misaraha amin'ny valovotaka mponin'ity tany ity sy amin'ny vehivavy hafa firenena nalainareo ho vady.

12 Dia namaly ny olona rehetra tafangona teo ka niredona mafy hoe: Marina ny anao! Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay.

13 Nefa maro izahay ary ny andro manorana ka tsy mahatoetra eto alatrano izahay; sady raharaha tsy vita indray andro na indroa andro aza izao; fa maro izahay no efa nanota tamin'izany zavatra izany.

14 Koa aoka ny lehibentsika no hisolo toerana ny fiangonana manontolo; dia ny Israelita rehetra izay efa nanambady vehivavy hafa firenena no aoka hankaty amin'ny fotoanandro homena azy, miaraka amin'ny loholona sy mpitsara isan-tananany avy. Hotontosainay mihitsy izany raharaha izany mandra-pialan'ilay fahatezeran'Andriamanitsika mirehitra amintsika.

15 I Jonatana zanakalahin'i Hasahela sy i Jahizeia zanakalahin'i Tikva no hany nanohitra izany hevitra izany; ary niandany taminy koa i Mesolama sy ilay levita atao hoe Sabetahy.

16 Fa ny Israelita hafa avy any an-tsesitany dia nanaraka izany avokoa. I Hezra mpisorona kosa nifidy lehilahy izay loham-pianakaviana araka ny tarika isany avy, sady samy voatonona anarana tsirairay; ka ireo lehilahy ireo no nipetraka handamina izany raharaha izany tamin'ny andro voalohan'ny volana fahafolo.

17 Ka ny andro voalohany, tamin'ny volana voalohan'ny taona manaraka, vao vita lamina ny raharaha ny amin'ireo lehilahy rehetra naka vehivavy hafa firenena ho vady.

18 Tamin'ireo taranaky ny mpisorona dia nisy naka vehivavy hafa firenena ho vady, ka ireto avy: tamin'ny taranak'i Jesoa mirahalahy avy, zanakalahin'i Jotsadaka, dia ry i Mahaseia sy i Elihezera ary i Jariba sy i Gedalia;

19 nametra-teny izy efa-dahy fa handroaka ny vadiny sy hanolotra ondrilahy iray avy ho sorona fanalana ny otany;

20 tamin'ny taranak'i Imera, dia ry i Hanany sy i Zebadia;

21 tamin'ny taranak'i Harima, dia ry i Mahaseia sy i Elia mbamin'i Semahia sy i Jehiela ary i Hozia;

22 tamin'ny taranak'i Pasehora, dia ry i Eliohenay sy i Mahaseia mbamin'i Jismahela sy i Netaneela ary i Jozabada sy i Elehasa.

23 Tamin'ny levita dia ireto avy: ry i Jozabada sy i Simehy mbamin'i Kelaia (atao hoe koa Kelita) sy i Petahia ary i Jehoda sy i Elihezera.

24 Tamin'ny mpihira dia i Eliasiba. Tamin'ny mpiandry varavarana dia ry i Saloma sy i Telema ary i Ory.

25 Tamin'ny sarambabem-bahoaka israelita dia ireto avy: tamin'ny taranak'i Parehosy dia ry i Ramia sy i Jizia ary i Malkia mbamin'ny Miamina sy i Elehazara ary i Malkia sy i Benaia;

26 tamin'ny taranak'i Helama dia ry i Matania sy i Zakaria mbamin'i Jehiela sy i Habdy ary i Jeremota sy i Elia;

27 tamin'ny taranak'i Zato dia ry i Eliohenay sy i Eliasiba mbamin'i Matania sy i Jeremota ary i Zabada sy i Haziza;

28 tamin'ny taranak'i Bebay dia ry i Johanana sy i Hanania ary i Zabay sy i Hatlay;

29 tamin'ny taranak'i Bany dia ry i Mesolama sy i Maloka mbamin'i Hadaia sy i Jasoba ary i Seala sy i Jeremota;

30 tamin'ny taranak'i Pahata-Moaba dia ry i Hadna sy i Kelala ary i Benaia sy i Mahaseia mbamin'i Matania sy i Betsalela ary i Binoy sy i Manase;

31 tamin'ny taranak'i Harima dia ry i Elihezera sy i Jisia ary i Malkia sy i Semahia mbamin'i Simehona

32 sy i Benjamina ary i Maloka sy i Semaria;

33 tamin'ny taranak'i Hasoma dia ry i Matenay sy i Matata ary i Zabada sy i Elifelety mbamin'i Jeremay sy i Manase ary i Simehy;

34 tamin'ny taranak'i Bony dia ry i Mahaday sy i Hamrama ary i Oela,

35 i Benaia sy i Bedia ary i Keloho,

36 i Vania sy i Meromota ary i Eliasiba,

37 i Matania sy i Matenay ary i Jahasay,

38 i Bany sy i Binoy ary i Simehy,

39 i Selemia sy i Natana ary i Hadaia,

40 i Maknadebay sy i Sasay ary i Saray,

41 i Hazarela sy i Selemia ary i Semaria,

42 mbamin'i Saloma sy i Amaria ary i Josefa;

43 tamin'ny taranak'i Nebao, dia ry i Jehiela sy i Matitia ary i Zabada sy i Zebina mbamin'i Jadao sy i Joela ary i Benaia.

44 Ireo lehilahy rehetra ireo no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny, sady efa niteraka ny vehivavy sasantsasany tamin'ireny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0553