Hezrà
Toko voalohany
1 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kirosa amperoran'i Persia no tanteraka ny teny nampilazain'ny TOMPO an'i Jeremia mpaminany. Nanaitra fanahy an'i Kirosa manko tamin'izay ny TOMPO ka nahatonga azy hampiely an-kabary sy an-tsoratra eran'ny fanjakany manontolo ireto hafatra ireto:2 Izao no lazain'i Kirosa amperoran'i Persia. Ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra dia efa nanome ahy ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany ary efa nandidy ahy hanorina tempoly ho Azy any Jerosalema, izay ao amin'ny tanin'i Joda.
3 Koa aoka ianareo rehetra anisan'ny vahoakan'ny Tompo mba hiakatra any Jerosalema, ao amin'ny tanin'i Joda, ka hanorina indray ny tranon'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely, dia ilay Andriamanitra Izay ivavahana ao Jerosalema. Homba anareo anie ilay Andriamanitrareo! 4 Na aiza na aiza onenan'ireo sisa tavela amin'izany vahoaka izany dia aoka ny tompontany hanome azy volafotsy sy volamena ary koa fananana hafa sy biby fiompy mbamin'ny fanatitra an-tsitrapo ho an'ilay tranon'Andriamanitra any Jerosalema.
5 Dia nioman-kiainga ny loham-pianakaviana tamin'ny fokon'i Joda sy ny fokon'i Benjamina mbamin'ny mpisorona sy ny levita, izany hoe izay rehetra nampirisihin'ny TOMPO Andriamanitra hiakatra hanorina ilay tranony any Jerosalema.
6 Ny olona rehetra nifanakaiky taminy dia nanampy azy tamin'ny fanaka volafotsy sy volamena, fananana hafa sy biby fiompy ary zavatra sarobidy mbamin'ny fanomezana an-tsitrapo ho an'ny tempoly.
7 Nasain'ny amperora Kirosa navoaka ireo fanaky ny tranon'ny TOMPO, dia ny fanaka nalain'i Nebokadnetsara tany Jerosalema ka efa napetrany tao an-tranon'ireo andriamaniny.
8 I Mitredata, mpitahiry ny harem-panjakana, no nasainy namoaka ireny fanaka ireny sy nanisa azy ary nanolotra azy tamin'i Sesebatsaro, taranaky ny mpanjakan'i Joda.
9 Izao no isany: lovia volamena telopolo; lovia volafotsy arivo; antsy 29;
10 koveta volamena telopolo; koveta volafotsy 410; fitaovana hafa arivo.
11 Ny isan'ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra dia 5400; ka nentin'i Sesebatsaro ireo, fony niakatra avy tany Babilona ho any Jerosalema ny voasesitany.