Hezrà

Toko faha-9

1 Taorian'izany zavatra izany, dia nanatona ahy ireo lehiben'ny Israelita ka nanao hoe: Na sarambabem-bahoaka na mpisorona na levita, dia tsy mbola miavaka amin'ny valovotaka, fa maka tahaka ny zava-maharikoriko fanaon'ny Kanahanita sy Hitita, ny Perizita sy Jebosita, ny Hamonita sy Moabita, ary ny Ejiptianina sy Amorita.

2 Ny zanakavavin'ireo manko no nalain'ny lehilahy israelita ho vadiny sy ho vadin'ny zananilahy, hany ka ny taranaka masina no miharoharo amin'ny valovotaka; ary ny lehibe sy mpifehy mihitsy aza no nitari-dalana tamin'izany fahadisoana izany.

3 Vao nandre izany aho, dia nandriatra ny lambako sy ny akanjoko sady nandrompotra ny volon-dohako sy ny somotro; ary nipetraka tahaka ilay torana iny aho,

4 ka mbola tafapetraka toy izany ihany mandra-pahatongan'ny fotoana fanolorana ny sorona hariva. Dia nivory teo amiko izay rehetra fatra-panaja ny tenin'Ilay Andriamanitr'i Israely ny amin'ny fahadisoan'ireo Jiosy efa tafaverina avy any an-tsesitany.

5 Tamin'ny fotoana fanolorana ny sorona hariva indrindra vao nody ny aiko, ka tafarina aho; dia mbola amin'ireto lambako sy akanjoko triatra ireto aho no nandohalika sy nanandra-tanana ho amin'ny TOMPO Andriamanitro

6 ka nivavaka nanao hoe: Andriamanitro o, menatra sy mangaihay loatra aho; ka tsy sahiko ny miandrandra aminao, ry Andriamanitro o, satria efa nihamaro sady niavosa mihoatra ny lohanay ny helokay ary lehibe manakatra ny lanitra ny fahotanay.

7 Eny, hatramin'ny andron'ireo razanay ka mandraka androany, dia lehibe ny fahotanay vahoakanao; ny helokay ihany no nanoloranao anay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay ho eo an-tanan'ireo mpanjakan'ny tany hafa hovonoin-tsabatra, ho babo, ho voaroba, ary hangaihay tahaka ny mbola mihatra aminay izao.

8 Kanefa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitray o, no fotoanandro nanehoanao famindrampo taminay, ka navelanao ho nisy sisa afaka izahay ary hiorim-ponenana eto amin'ity faritrao masina ity; dia nampamirapiratinao ny masonay ary nataonao velombelona kely ny ainay ao anatin'izao fahandevozanay izao.

9 Eny, ry Andriamanitray o, nandevozina izahay nefa tsy nafoinao na dia izany aza. Notarihinao ny amperoran'i Persia hamindrafo aminay; ka namelombelomany ny ainay izany, nahazoanay nanao ny tranonao sy nanamboatra ny rava, ary nanomezany anay fonenana voaaro eto Jerosalema sy eran'i Joda.

10 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray o, inona no holazainay amin'izany? Efa nafoinay ny didinao,

11 dia ireo didy nampilazainao ny mpaminany mpanomponao. Nampitandrina Ianao hoe: Ny tany, izay efa hidiranareo ho fanananareo, dia maloto satria manenika azy hatraiza hatraiza ny fahalotoana sy zava-maharikoriko fanaon'ireo firenena tompon-tany.

12 Koa aza manome ny zanakavavinareo ho vadin'ny zanakalahiny, na maka ny zanakavaviny ho vadin'ny zanakalahinareo. Aza mitady izay hampiadana azy na hahasoa azy na oviana na oviana; izany no handrosoanareo ho mahery ka hiarananareo amin'ny voka-tsoan'izany tany izany sy hamelanareo azy ho lovan'ny taranakareo hatrany hatrany.'

13 Ry Andriamanitray o, na dia efa nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsy sy fahotana vitanay, dia tsy nanafay anay araka ny helokay Ianao fa mbola namela anay hisy sisa afaka toy izao ihany.

14 Ahoana ary no mbola handikanay ny didinao indray ka hanambadianay amin'ireo olona mpanao zava-maharikoriko ireo? Tsy ho tezitra aminay ve Ianao ka handringana anay rehetra tsy misy ankanavakay

15 Ry TOMPO Andriamanitr'i Israely o, miantra Ianao ka mbola misy sisa afaka ihany izahay amin'izao anio izao; indreto izahay vesaran'ny fahotanay eto anatrehanao, na dia tsy tokony hisy hahajanona eto anatrehanao aza noho izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0546