Hezrà
Toko faha-4
1 Ren'ny valovotaka, fahavalon'ny Jiosy tao Joda sy tao Benjamina, fa manorina tempoly ho an'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely ny Jiosy nody avy any an-tsesitany.2 Dia nanatona an'i Zerobabela sy ny loham-pianakaviana ireo valovotaka ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izahay mba hiara-manorin-trano aminareo. Ilay Andriamanitrareo manko dia hajainay tahaka ny anajanareo Azy sady Izy mihitsy no toloranay sorona hatramin'ny andron'i Esara-Hadona, mpanjaka asirianina, izay nampiakatra anay ho aty.
3 Fa i Zerobabela sy i Jesoa mbamin'ireo namany loham-pianakaviana israelita kosa namaly azy hoe: Tsy misy ilanay anareo amin'ny fanorenana trano ho an'ilay Andriamanitray; fa izahay ihany no hanorin-trano ho an'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely, araka ny didy efa navoakan'i Kirosa amperoran'i Persia.
4 Tamin'izany ny valovotaka dia nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sady nandevilevy azy mba tsy hanorina ilay trano.
5 Novidiny vola aza ny mpanolotsain'ny amperora mba hanohitra ny Jiosy ka hampandamoka ny fikasany. Nanomboka tamin'ny andron'i Kirosa amperoran'i Persia ka hatramin'ny nanjakan'i Dariosa amperoran'i Persia no nanaovana izany teti-dratsy izany.
6 Raha vao nanjaka i Kserksesa, dia nanoratra taratasy ho azy ny fahavalon'ny Jiosy mba hanendrikendrika ny mponina tao Jerosalema sy eran'i Joda.
7 Tamin'ny andro nanjakan'i Artakserksesa amperoran'i Persia, dia nanoratra taratasy ho azy ry i Bislama sy i Mitredata ary i Tabeela mbamin'ireo namany hafa; ka tarehin-tsoratra aramianina sy fiteny aramianina no nanaovany an'ilay taratasy.
8 I Rehoma governora sy i Simsay mpitantsorany dia nanoratra taratasy anankiray koa ho an'ny amperora Artakserksesa ny amin'i Jerosalema. Toy izao no fanombohan'izany:
9 Avy amin'i Rehoma governora sy amin'i Simsay mpitantsoratra ary avy amin'ireo namany hafa mifehy ny valovotaka: dia ny Dinaita sy Afarsatekita ary Tarpelita, ny Afarsaita sy Arkevita ary Babilonianina, ny Sosanita sy Dehavita ary Helamita,
10 mbamin'ny firenena hafa nafindran'i Asnapara mpanjaka lehibe sady malaza, ka namponeniny tamin'ireo tananan'i Samaria na tamin'ny toerana sisa aty andafy andrefan'ny ony Eofrata,...
11 Izao kosa no kopian'ilay taratasy nalefany ho an'ny amperora Artakserksesa: Voninahitra ho anay mpanomponao aty andafy andrefan'ny ony Eofrata... ny manoratra ity taratasy ity aminao, ry Andriamanjaka.
12 Aoka ho fantatrao fa ny Jiosy, izay niala avy tany aminao mba hiverina hankaty aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka miroso manorina indray ilay tanana mpikomy sady ratsy. Efa manangana ny manda ry zareo izao rehefa avy nanamboatra ny fototra.
13 Aoka ho fantatrao, ry Andriamanjaka, fa raha voaorina indray io tanana io ka tafatsangana ny mandany, dia tsy hety handoa hetra na haba na sara intsony ry zareo; ka dia hahatonga fatiantoka ho an'ny fanjakanao izany.
14 Tsy ho zakanay ny hahita anao afa-baraka, ry Andriamanjaka, satria izahay dia mandray tombontsoa amin'ny fanompoana anao; koa naniraka olona izahay hampahafantatra anao izany.
15 Aoka hozahanao ny boky mirakitra ny tantaran-drazanao; dia ho hitanao sy ho fantatrao fa tanana nikomy hatrany io tanana io.
16 Ary ampahafantarinay anao, ry Andriamanjaka, fa raha voaorina indray io tanana io ka tafatsangana ny mandany, dia tsy hanana faritany aty andafy andrefan'ny ony Eofrata intsony ianao.
17 Izao kosa no valin-taratasy nalefan'ny amperora: Ho an'i Rehoma governora sy i Simsay mpitantsoratra ary ny namany hafa izay monina any Samaria na amin'ny toerana sisa any andafy andrefan'ny ony Eofrata. Mamangy sy miarahaba anareo, aho sns...
18 Ny taratasy izay nalefanareo ho ahy dia efa voavaky tsara teo anatrehako.
19 Ary efa nanome baiko aho hizahana ny boky firaketana; dia hita fa nitroatra nanohitra mpanjaka maro hatrizay ela izay tokoa io tanana io, ka nisy fikomiana sy fiodinana niseho tao.
20 Efa nisy mpanjaka mahery izay nanjaka tany Jerosalema, ka nanapaka ny tany rehetra any andafy andrefan'ny ony Eofrata sady nandoavana hetra sy haba ary sara.
21 Koa dia maka fepetra hampitsahatra ireo olona ireo; fa tsy haorina indray io tanana io, raha tsy efa nahazo teny avy aty amiko.
22 Tandremo tsara fandrao manao tsirambina amin'izany ianareo, ka hitombo ny fahavoazana hahafatiantoka ny fanjakana.
23 Vao voavaky teo anatrehan'i Rehoma sy i Simsay ary ny namany kosa ilay taratasin'ny amperora Artakserksesa, dia niakatra faingana ho any amin'ny Jiosy tany Jerosalema ry zareo ka nampitsahatra azy an-keriny sy an-ditra.
24 Dia nitsahatra ny asa fanorenana ny tranon'Andriamanitra tao Jerosalema; ary naharitra hatramin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, amperoran'i Persia, izany fiatoana izany.