Estera

Toko 1 Ity tantara ity dia nitranga tamin'ny andron'ny amperora Kserksesa, izay nanjaka tamina faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiopia.
Toko 2 Taorian'izany, rehefa nionona ny fahatezeran'ny amperora Kserksesa, dia nahatsiaro izay efa nataon'i Vasty sy izay tinapaka ny aminy izy. 2 Ka hoy ireo tandapa mpanompon'ny amperora hoe: Aoka ianao, ry andriamanjaka, hitadiavana tovovavy virijiny sady tsara tarehy!
Toko 3 Taty aorian'izany, dia nomen'ny amperora Kserksesa laharana ambony i Hamana zanakalahin'i Hamedata sady taranak'i Agaga, ka nasandrany hipetraka eo amin'ny toerana maha praiminisitra.
Toko 4 Nony fantatr'i Mordokay ny zava-drehetra nitranga, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy gony sady nihosin-davenona ary nankeo afovoan'ny tanana ka nitaraina sy nidradradradra mafy.
Toko 5 Rehefa tapitra ny andro fahatelo nifadian-kanina, dia nitafy ny fanamiana maha mpanjakavavy azy i Estera ka niseho teo amin'ny kianja anatin'ny lapa, teo anoloan'ny efitranon'ny amperora. Tamin'izay ny amperora dia tao an-dapa sady nipetraka teo amin'ny sezafiandrianany, tandrifin'ny varavarana fidirana.
Toko 6 Tsy nahita tory ny amperora tamin'iny alina iny ka nampaka ny boky fitadidiana milohateny hoe Asan'ireo amperora; ary novakina teo anatrehan'ny amperora izany.
Toko 7 Dia lasa ny amperora sy i Hamana nankany amin'i Estera mpanjakavavy, ho ao amin'ilay fanasana faharoa.
Toko 8 Androtr'io ihany dia nomen'ny amperora Kserksesa ho an'i Estera mpanjakavavy ireo fananan'i Hamana fahavalon'ny Jiosy. I Mordokay koa, rehefa nampahafantarin'i Estera fa rainy izy, dia nasaina hankeo amin'ny amperora.
Toko 9 Nigadona ny andro faha-13 tamin'ny volana faha-12 na volana Adara. Io andro io no natao hampiharana ny teny aman-didin'ny amperora ary nantenain'ireo fahavalon'ny Jiosy haharesena azy. Kanjo nivadika ny rasa, ka ny Jiosy indray no naharesy ny mpankahala azy.
Toko 10 Ny amperora Kserksesa dia nampanao asa an-terivozona ny mponina an'atitany sy amorontsiraka teo amin'ny fanjakany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0443