Estera
Toko faha-3
1 Taty aorian'izany, dia nomen'ny amperora Kserksesa laharana ambony i Hamana zanakalahin'i Hamedata sady taranak'i Agaga, ka nasandrany hipetraka eo amin'ny toerana maha praiminisitra.2 Ny mpandraharaha rehetra tao an-dapa dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan'i Hamana, satria izany no didin'ny amperora. Fa i Mordokay kosa tsy mba nety nanao izany.
3 Ka hoy ny mpandraharaha hafa tamin'i Mordokay: Nahoana ianao no mandika ny didin'ny amperoray
4 Na dia naverimberin'ireo tamin'i Mordokay isan'andro aza izany fanontaniana izany, dia tsy niraharaha izy fa namaly fotsiny hoe: Jiosy aho! Dia notaterin'ireo tamin'i Hamana izy mba hizahany na haharitra amin'ny teniny ihany i Mordokay na tsia.
5 Rehefa hitan'i Hamana fa tsy mba nety nandohalika sy niankohoka teo anatrehany tokoa i Mordokay, dia tezitra mafy izy.
6 Nampahafantarina azy rahateo fa Jiosy i Mordokay. Ary nataon'i Hamana fa tsy ampy ny maninji-tanana hamely an'i Mordokay irery ihany, ka dia notadiaviny haringana koa ny Jiosy rehetra manerana ny fanjakan'i Kserksesa, satria mpiray firenena amin'i Mordokay ireo.
7 Tamin'ny taona faha-12 nanjakan'i Kserksesa, volana voalohany na volana Nisana, no nanaovana ny antsapaka (atao hoe Porima) teo anatrehan'i Hamana hahafantarana ny fotoanandro tokony hanatanterahana izany; ka rehefa notetezina ny andro sy ny volana, dia ny volana faha-12 na volana Adara no voatondron'ny antsapaka.
8 Ary hoy i Hamana tamin'ny amperora Kserksesa: Ry andriamanjaka, misy firenena iray efa miely eny amin'ny faritany rehetra manerana ny fanjakana; maningana io firenena io ary hafa lalana noho ny firenena rehetra sady tsy mba mankato ny lalananao. Tsy mahasoa anao ny mamela azy fotsiny amin'izao.
9 Koa raha sitrakao, dia aoka ianao hamoaka didy an-tsoratra mba handringanana azy; volafotsy 340 000 kilao kosa no haloako ho eo an-tanan'ireo mpandraharahanao mba harotsany ao amin'ny tahirim-bolam-panjakana.
10 Dia nesorin'ny amperora teny an-tanany ny peratra tombokase ka nomeny an'ilay fahavalon'ny Jiosy, dia i Hamana zanakalahin'i Hamedata sady taranak'i Agaga;
11 ary hoy izy tamin'i Hamana: Afoy ho anao ny volafotsy; ary hatolotra anao koa izany firenena izany hanaovanao azy araka izay sitrakao. 12 Tamin'ny volana voalohany, andro faha-13, dia nantsoina ireo mpitantsoratry ny amperora: Araka izay rehetra nandidian'i Hamana no nanoratany taratasy ho an'ny solotenan'ny amperora sy ho an'ny governora isam-paritany ary ho an'ny mpitondra isam-pirenena, dia taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony. Tamin'ny anaran'i Kserksesa no nanasoniavana azy ka nasiana tombokase tamin'ny peratry ny amperora.
13 Nisy iraka nampitondraina ireo taratasy ireo ho any amin'ny faritany rehetra manerana ny fanjakana. Ny baiko raketiny dia ny handringanana sy hamonoana ho ripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra, hatramin'ny zaza amam-behivavy aza, ary koa ny handrobana ny fananany. Anatin'ny indray andro monja no hanatanterahana izany fandripahana izany, dia ny andro faha-13 amin'ny volana faha-12 na volana Adara.
14 Ny kopian'io taratasy io dia navoaka ho didy manan-kery amin'ny isam-paritany ary nampahafantarina ny olona rehetra mba hampiomana azy ho amin'izany andro izany.
15 Noho ny baikon'ny amperora, dia nandeha faingana ny iraka; ary navoaka tao Sosany renivohitra koa izany didy manan-kery izany. Dia nipetraka hisotro ny amperora sy i Hamana, fa very hevitra kosa i Sosany iray tanana.