Estera

Toko faha-6

1 Tsy nahita tory ny amperora tamin'iny alina iny ka nampaka ny boky fitadidiana milohateny hoe Asan'ireo amperora; ary novakina teo anatrehan'ny amperora izany.

2 Ka hita voasoratra tao fa i Mordokay no nanambara ny amin'i Bigtana sy i Taresa, roa lahy anisan'ny tandapan'ny amperora, dia ireo mpiambina teo am-baravaran'ny efitranony kanefa nitady hamono an'i Kserksesa.

3 Ary hoy ny amperora hoe: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an'i Mordokay noho izany? Fa novalian'ireo mpanompo mpikarakara ny amperora hoe: Tsy mbola nisy nomena azy.

4 Ary hoy indray ny amperora hoe: Iza no ao an-kianja ao? I Hamana kosa no efa sendra niditra tao an-kianja. Tonga izy hangataka amin'ny amperora ny hanantonana an'i Mordokay amin'ilay hazo efa nomanina ho azy.

5 Ka hoy ny mpanompon'ny amperora hoe: Indro fa i Hamana no mitsangana ao an-kianja ao. Ary hoy ny amperora hoe: Asaovy miditra izy.

6 Dia niditra i Hamana ka nanontanian'ny amperora hoe: Inona no tokony hataoko amin'izay lehilahy iriko homem-boninahitray Nihevitra anakampo i Hamana fa tsy misy irin'ny amperora homem-boninahitra afa-tsy ny tenany,

7 ka dia namaly azy hoe: Ny amin'izay lehilahy irinao homem-boninahitra, ry andriamanjaka,

8 dia aoka halaina ny fanamiam-piandrianana efa niakanjoanao sy ny soavaly efa nitaingenanao sady voaisy satroboninahitra ny lohany.

9 Hatolotra ny anankiray amin'ireo andriambaventy voatendrinao izany fanamiana sy soavaly izany; ary aoka izay lehilahy irinao homem-boninahitra hampiakanjoiny ny fanamianao sy hampitaingeniny amin'ny soavalinao. Dia io andriambaventy io ihany no hitondra azy eny an-kianjan'ny tanana sady hiantso eo alohany hoe: Toy izao no ataon'ny amperora amin'izay lehilahy iriny homem-boninahitra!

10 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana: Alaonao faingana ary ny fanamiana sy ny soavaly araka ny voalazanao; ka dia ataovy araka izany amin'i Mordokay, ilay Jiosy miasa eo am-bavahadin'ny lapa. Aza asiana latsaka izay rehetra voalazanao.

11 Dia naka ny fanamiana sy ny soavaly i Hamana, ka nampiakanjo an'i Mordokay ny fanamiana ary nampitaingina azy tamin'ny soavaly; dia izy ihany no nitondra azy ho eny an-kianjan'ny tanana sady niantso teo alohany hoe: Toy izao no ataon'ny amperora amin'izay lehilahy iriny homem-boninahitra!

12 Ary niverina nankeo am-bavahadin'ny lapa i Mordokay; fa i Hamana kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha.

13 Dia nitantaran'i Hamana ny zavatra nanjo azy i Zeresa vadiny sy ny sakaizany rehetra mpanolotsaina azy ka niteny taminy hoe: Raha taranaky ny Jiosy i Mordokay izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao fa ho lavo eo anatrehany tokoa.

14 Mbola niresaka amin'i Hamana eo ry zareo no tonga ireo tandapa nirahin'ny amperora ka nitondra faingana an'i Hamana ho any amin'ny fanasana izay efa nomanin'i Estera.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0551