Estera

Toko faha-7

1 Dia lasa ny amperora sy i Hamana nankany amin'i Estera mpanjakavavy, ho ao amin'ilay fanasana faharoa.

2 Ary teo am-pamaranana ny sakafo, dia hoy indray ny amperora tamin'i Estera: Inona no angatahinao sy tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany ary ho azonao tokoa.

3 Dia namaly i Estera mpanjakavavy ka nanao hoe: Ry andriamanjaka, raha mba mahazo fitia eo imasonao ary raha sitrakao izao, dia aoka hotsimbininao aina ny tenako sy ny mpiray firenena amiko fa izany no angatahiko sy tadiaviko.

4 Namidy manko ny tenako sy ny mpiray firenena amiko mba haringana sy hovonoina ho ripaka; fa raha tahiny namidy handevozina fotsiny izahay, dia ho nangina ihany aho satria tsy tokony hanahiranana anao izany fampahoriana izany.

5 Dia nanontany an'i Estera mpanjakavavy ny amperora Kserksesa nanao hoe: Iza moa ilay olona mikasa hanao izany ary aiza no misy azy?

6 Ka novalian'i Estera hoe: Io Hamana ratsy fanahy io no fahavalonay sy mpankahala anay! Dia raiki-tahotra teo anatrehan'ny amperora sy ny mpanjakavavy i Hamana.

7 Ary tezitra mafy ny amperora, dia niala teo amin'ny fanasana ho eny amin'ny zaridainan'ny lapa. I Hamana kosa nahatsapa fa misy loza hamelezan'ny amperora azy ka nijanona nangataka tamin'i Estera mpanjakavavy izy mba hotsimbinina ny ainy;

8 ary niankohoka teo am-parafaran'i Estera mihitsy aza i Hamana. Tamin'izay indrindra ny amperora no niverina avy teo an-jaridaina ho ao an'efitrano fanasana ka vaky vava hoe: Dia sahin'ilehio koa ve ny misavika ny mpanjakavavy, eto anatrehako, ato an-dapakoy Vantany vao niloa-bava ireo teny ireo ny amperora, dia nisy mpanompony nanarona ny tavan'i Hamana.

9 Fa i Harbona, anisan'ireo tandapa, dia nilaza tamin'ny amperora hoe: Ry andriamanjaka, i Hamana dia efa nampanamboatra hazo hanantonany an'i Mordokay, ilay nanao tatitra hanasoavana anao. Indro miorina eo akaikin'ny tranon'i Hamana io hazo io, ka 25 metatra ny haavony. Dia hoy ny amperora hoe: Ahantony amin'io i Hamana!

10 Ary nahantona tamin'ilay hazo efa nomaniny hanantonana an'i Mordokay i Hamana. Dia vao izay no nionona ny fahatezeran'ny amperora.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0575