Estera

Toko faha-4

1 Nony fantatr'i Mordokay ny zava-drehetra nitranga, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy gony sady nihosin-davenona ary nankeo afovoan'ny tanana ka nitaraina sy nidradradradra mafy.

2 Tonga hatrany anoloan'ny lapa aza izy, saingy nijanona teo satria tsy azon'ny olona mitafy gony atao ny miditra ny lapa.

3 Tany amin'ny faritany rehetra nahatongavan'ny baiko aman-didin'ny amperora, dia nalahelo mafy koa ny Jiosy ka nifady hanina sy nitomany ary nidradradradra, sady maro no nitafy gony sy nandry teo ambony lavenona.

4 Tonga nilaza izany tamin'i Estera ireo mpanompovaviny. Dia nalahelo tokoa ity mpanjakavavy ka nampanatitra akanjo hitafian'i Mordokay mba hanesorany ny gony teny aminy; kanefa tsy nety nandray izy.

5 Ary nantsoin'i Estera i Hataka, anisan'ireo tandapa tinendrin'ny amperora hanompo azy; io Hataka io no nalefan'ny mpanjakavavy ho any amin'i Mordokay mba hanontany azy ny zava-nitranga sy izay nahatonga azy hitafy gony.

6 Dia lasa i Hataka nankany amin'i Mordokay izay teo an-kianjan'ny tanana anoloan'ny lapan'ny amperora;

7 ary nambaran'i Mordokay taminy avokoa ny zava-drehetra nanjo azy sy ny tontalim-bola nokasain'i Hamana haloa ho ao an-trano firaketan'ny amperora noho ny handringanana ny Jiosy.

8 Nomeny an'i Hataka koa ny kopian'ny didy navoaka tao Sosany handringanana ny Jiosy; nasainy hampiseho izany amin'i Estera izy sy hampahafantatra azy ny toe-javatra ary hiangavy azy hankao amin'ny amperora mba hifona aminy sy hangataka famindrampo ho an'ny fireneny.

9 Dia lasa i Hataka nanambara ny tenin'i Mordokay tamin'i Estera;

10 fa mbola nirahin'ity mpanjakavavy indray izy hilaza amin'i Mordokay hoe:

11 Ny olona rehetra, hatramin'ny mpanompon'ny amperora sy sarambabem-bahoaka any amin'ny faritany aza, dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin'ny amperora ho eo an-kianja anatin'ny lapa, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia lalana tokana manameloka ho faty no mihatra aminy; izay hotondroin'ny amperora amin'ny tehim-bolamena ihany no ho velona. Izaho kosa efa telopolo andro izay no tsy nantsoina hankao amin'ny mpanjaka.

12 Rehefa nilazana ny tenin'i Estera i Mordokay,

13 dia izao no nasainy navaly azy: Aza mihevitra anakampo fa ho afaka irery amin'ny Jiosy rehetra ianao satria monina ao an-dapa.

14 Raha hangina mihitsy ianao amin'ity toe-javatra ity, dia hisy fanampiana sy fanafahana hipoitra avy any an-kafa ho an'ny Jiosy; fa ianao no haringana ary ho lany tamingana ny fianakavianao. Ary iza no mahalala fa angamba ho amin'ity toe-javatra ity mihitsy no nanandratana anao ho mpanjakavavy?

15 Izao kosa no nasain'i Estera navaly an'i Mordokay:

16 Ndeha vorio ary ny Jiosy rehetra eto Sosany; dia manaova fifadian-kanina noho ny amiko ianareo, ka aza mihinana na misotro mandritra ny telo andro sy telo alina. Hifady hanina toy izany koa ny tenako sy ireo mpanompovaviko; avy eo dia hankao amin'ny amperora aho, na dia tsy ara-dalana aza izany. Koa raha tsy maintsy ho faty aho, dia ho faty!

17 Dia lasa i Mordokay nanao araka izay rehetra nandidian'i Estera azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.055