Estera
Toko faha-9
1 Nigadona ny andro faha-13 tamin'ny volana faha-12 na volana Adara. Io andro io no natao hampiharana ny teny aman-didin'ny amperora ary nantenain'ireo fahavalon'ny Jiosy haharesena azy. Kanjo nivadika ny rasa, ka ny Jiosy indray no naharesy ny mpankahala azy.2 Tany amin'ny faritany rehetra manerana ny fanjakan'ny amperora Kserksesa, dia nivory tao an-tananany avy ny Jiosy mba hamely izay nitady hanisy ratsy azy; ary tsy nisy olona nahatohitra azy, satria nanindry ny olona rehetra ny fahatahorana azy.
3 Nanampy ny Jiosy koa ny mpitondra rehetra isam-paritany sy ny solotenan'ny amperora ary ny governora mbamin'ny mpandraharaha, satria nanindry azy ny fahatahorana an'i Mordokay.
4 Ambony toerana tao an-dapa manko i Mordokay sady niely laza eran'ny faritany rehetra, satria nisondrotra hatrany ny lehilahy.
5 Nasian'ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany; nataony araka izay sitraky ny fony tokoa ireo mpankahala azy.
6 Tao Sosany renivohitra aza dia dimanjato lahy no maty naringan'ny Jiosy.
7 Novonoiny koa izy folo lahy zanak'i Hamana, ilay zanakalahin'i Hamedata sady fahavalon'ny Jiosy: dia ry i Parsandata sy i Dalfona ary i Aspata, i Porata sy i Adalia ary i Aridata, i Parmasta sy i Arisay ary i Ariday sy i Vaiezata. Kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
11 Androtr'izay ihany dia nambara tamin'ny amperora ny isan'ny voavono tao Sosany renivohitra.
12 Ary hoy ny amperora tamin'i Estera mpanjakavavy: Teto Sosany renivohitra aza dia dimanjato lahy no maty naringan'ny Jiosy, ankoatran'izy folo lahy zanak'i Hamana; ka ho toy inona no nataony tany amin'ny faritany sisay Kanefa raha mbola misy zavatra angatahinao sy tadiavinao, dia homeko anao sy hotanterahiko izany.
13 Dia hoy i Estera hoe: Raha sitrakao, ry Andriamanjaka, dia aoka ny Jiosy eto Sosany homen-dalana hanao toy ny nataony androany koa rahampitso, ary aoka hahantona amin'ny hazo ireo fatin'izy folo lahy zanak'i Hamana!
14 Nasain'ny amperora natao izany ary navoaka tao Sosany ny didy; ka dia nahantona izy folo lahy zanak'i Hamana.
15 Dia nivory indray ny Jiosy tao Sosany iny andro faha-14 tamin'ny volana Adara iny ka namono olona telon-jato lahy tao an-tanana. Kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
16 Ny Jiosy hafa, nonina tany amin'ny faritany isan-tokony manerana ny fanjakan'ny amperora, dia nivory koa hiaro ny ainy, rehefa nigadona ny andro faha-13 tamin'ny volana Adara; afaka tamin'ny fahavalony izy ary 75000 no matiny kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory. Ary nitsahatra izy tamin'ny andro faha-14 ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany.
18 Fa ny Jiosy tao Sosany kosa nivory hamono fahavalo tamin'ny andro faha-13 sy faha-14; ary nitsahatra izy tamin'ny andro faha-15, ka dia io no nataony ho andro fanasana sy firavoravoana.
19 Koa, noho izany, ny Jiosy izay nitoetra tamin'ny tanana madinika tany ambanivohitra dia nanao ny andro faha-14 amin'ny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana ary fikoranana ka hifanateran-panomezana.
20 Dia nanoratra ny tantaran'izany zava-nitranga izany i Mordokay, ary nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin'ny faritany isan-tokony, na akaiky na lavitra, manerana ny fanjakan'ny amperora Kserksesa.
21 Niangavian'i Mordokay ry zareo mba hankalaza isan-taona ny andro faha-14 sy faha-15 amin'ny volana Adara.
22 Ireo manko no andro nahafahan'ny Jiosy tamin'ny fahavalony, ary io no volana nampodiana ny alahelony ho fifaliana sy ny fisaonany ho fikoranana; dia hataony ho andro fanasana sy firavoravoana ireo andro ireo ka hifanaterany fanomezana sy hahafoizany zavatra ho an'ny mahantra.
23 Nanaraka izay nosoratan'i Mordokay ny Jiosy ary nandraikitra ho fanao izany fety efa nankalazainy indray mandeha izany.
24 Fa izao no voasoratr'i Mordokay: i Hamana, zanakalahin'i Hamedata sady taranak'i Agaga, dia fahavalon'ny Jiosy rehetra ka nihevitra handringana azy. Efa nanao ny antsapaka (atao hoe Porima) izy mba hahafantarana ny fotoanandro hamelezany azy sy handringanany azy.
25 Saingy nankeo anatrehan'i Kserksesa i Estera, ka namoaka didy an-tsoratra ny amperora mba hafotitra amin'i Hamana ihany ny hevi-dratsy nokasainy hampiharina amin'ny Jiosy ary mba hahantona amin'ny hazo ny tenany sy ny zanany lahy.
26 Izany no iantsoana ireo andro ireo hoe Porima, avy amin'ny voambolana Pora izay midika hoe antsapaka. Ny zavatra rehetra izay raketin'io taratasy io ary koa izay hitan'ny Jiosy sy nihatra taminy
27 no nahatonga azy ireo hampijoro sy handraikitra izany fanao izany ho an'ny tenany sy ny taranany ary izay rehetra miray aminy: dia ny hankalaza isan-taona ireo andro roa ireo araka ny voasoratr'i Mordokay sy araka ny fotoana voatendry.
28 Tsy maintsy hotsarovana sy hankalazaina ireo andro ireo amin'ny taranaka mifandimby rehetra isam-pianakaviana sy isan-tanana ary isam-paritany; tsy azo foanana ireo andro Porima ireo ary tsy hitsahatra ny fahatsiarovana azy eo amin'ny Jiosy sy ny taranany.
29 I Estera, mpanjakavavy sady zanak'i Abihaila, ary koa i Mordokay ilay Jiosy dia nanoratra fanindroany tamim-pahefana tokoa mba hanamafy izany taratasy momba ny Porima izany.
30 Io taratasy faharoa io dia nalefa ho an'ny Jiosy rehetra any amin'ny faritany 127 manerana ny fanjakan'i Kserksesa. Firariana hiadana sy handry fahalemana no raketiny;
31 ary ireo andro Porima ireo, miaraka amin'ny fifadian-kanina sy fidradradradrana momba azy, no asainy ankalazaina amin'ny fotoana voatendry, araka izay fanamafisana nataon'i Mordokay ilay Jiosy sy i Estera mpanjakavavy; nohamafisin'izy mianaka izany ho an'ny Jiosy ary koa ho an'ny taranany.
32 Ny baikon'i Estera no nampijoro ireo zavatra fanao amin'ny Porima ireo, ary voasoratra tao amin'ny boky izany.