Estera

Toko voalohany

1 Ity tantara ity dia nitranga tamin'ny andron'ny amperora Kserksesa, izay nanjaka tamina faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiopia.

2 Tamin'ny taona fahatelo nanjakany, fony izy nitoetra tamin'ny sezafiandrianana maha andriamanjaka azy tao Sosany renivohitra, dia nanaovany fanasana ireo rehetra andriambaventiny sy mpandraharahany; tonga teo anatrehany koa ny filohan'ny tafik'i Persia sy i Media ary ny governora sy ny mpitondra isam-paritany.

4 Nasehon'ny amperora azy ny harena amam-boninahitry ny fanjakana ary ny harevaka aman-drentin'ny fahalehibiazany; ka enim-bolana no naharetan'izany lanonambe izany.

5 Rehefa tapitra ireo andro ireo, dia nanaovan'ny amperora fanasana teo amin'ny kianja ao anatin'ny zaridainan'ny lapa koa ireo olona rehetra izay tao Sosany renivohitra, na ny lehibe na ny kely; ka herinandro no naharetan'ny lanonana.

6 Nisy lamba temitra fotsy na maitso na manga, ka tady rongony fotsy sy volomparasy no nihantonany tamina masom-bolafotsy na tamina andry vatokaranana; nisy farafara volamena sy volafotsy nalahatra teo ambony lampivato alabasitra sy vatokaranana fotsy ary hara sy vatokaranana mainty.

7 Tsatokaty volamena karazany samy hafa no nampisotroana ny olona ary nitobaka ny divay satria nalala-tanana tokoa ny amperora.

8 Araka ny fepetra dia samy nisotro tsy nisy naneritery azy ny olona; fa ny nandidian'ny amperora ireo mpanompo rehetra ao an-dapany manko dia ny hanaovan'ny olona tsirairay araka izay sitrapony avy.

9 Tamin'izay i Vasty, vadin'ny amperora, dia mba nanao fanasana ho an'ny vehivavy koa tao amin'ny lapan'i Kserksesa.

10 Tamin'ny andro fahafiton'izany fanasambe izany, dia falifaly i Kserksesa azon'ny divay nosotroiny. Koa nampiantsoiny ny tandapa fito lahy izay nanompo azy manokana, dia ry i Mehomana sy i Bizeta, i Harbona sy i Bigta, i Abagta sy i Zetara ary i Karkasa;

11 ka nasainy hoentin'ireto tandapa ireto eo anatrehany i Vasty mpanjakavavy, misatroka ny satroboninahitra maha mpanjakavavy azy. Tiany haseho amin'ny manampahefana sy ny olon-kafa teo manko ny hatsaran-tarehin'i Vasty, satria maha te hizaha ravehivavy.

12 Nampitain'izy fito lahy tamin'ny mpanjakavavy ny tenin'ny amperora fa tsy nety nandeha mihitsy izy. Dia nisafoaka mafy ny amperora ka nirehitra izaitsizy ny fahatezerany.

13 Ary nakany hevitra ireo olon-kendry lalim-pahaizana, satria ny raharahan'ny amperora dia nalamina teo anatrehan'izay rehetra nahay lalana sy fitsarana.

14 Ny olon-kendry teo akaikin'ny amperora indrindra dia ry i Karsena sy i Setara, i Admata sy i Tarsisy, i Meresa sy i Marsena ary Memokana, izay minisitra fito tamin'i Persia sy i Media; nitokiany ry zareo ka nitana toerana voalohany teo amin'ny fanjakana.

15 Dia hoy ny amperora tamin'ireto olon-kendry: Tsy nankatoavin'i Vasty mpanjakavavy ny didiko nentin'ireo tandapako; ka, araka ny lalana, dia inona no sazy tokony hampiharina aminy?

16 Dia niteny teo anatrehan'ny amperora sy ny minisitra i Memokana ka namaly hoe: Tsy ny amperora ihany no nanaovan'i Vasty mpanjakavavy izao fihetsika ratsy izao, fa ny manampahefana rehetra koa sy ny vahoaka tsivakivolo isan-tokony eran'ny fanjakana.

17 Hiely amin'ny vehivavy rehetra manko izao zavatra vitan'ny mpanjakavavy izao ka hahatonga azy samy hanao tsinontsinona ny vadiny sy hilaza hoe: Ny amperora Kserksesa aza nandidy ny hitondrana an'i Vasty mpanjakavavy eo anatrehany, nefa tsy nety nandeha izy!

18 Ary na dia izao anio izao aza, dia handre ny nataon'ity mpanjakavavy ny vadin'ireo manampahefana manerana an'i Persia sy i Media ka samy hamalivaly ny vadiny avy; ary ny hatezeran'ny lehilahy no ho vokatr'izany famingavingan'ny vehivavy izany.

19 Koa raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka hisy didy havoakanao hisakanana an'i Vasty tsy hiseho eo anatrehanao intsony ary hanomezana ny voninahitra maha mpanjakavavy ho ana vehivavy hafa mendrika izany kokoa noho izy; izany didy izany dia hosoratana ao amin'ny lalanan'i Persia sy i Media ka tsy ho azo ovana.

20 Rehefa ho tafaely eran'ity fanjakanao midadasika ity ny fanapahan-kevitra halainao, dia samy homen'ny vehivavy rehetra voninahitra ny vadiny, na lehibe na kely.

21 Sitraky ny amperora sy ireo minisitra ny torohevitr'i Memokana, ka dia narahin'i Kserksesa.

22 Nandefasany taratasy ny faritany rehetra manerana ny fanjakany, dia taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony; notakina mba ho masi-mandidy ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra ary mba ho ny fitenim-pireneny no hampisain'ny ankohonany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0616