Estera

Toko faha-10

1 Ny amperora Kserksesa dia nampanao asa an-terivozona ny mponina an'atitany sy amorontsiraka teo amin'ny fanjakany.

2 Izay rehetra nataony araka ny fahefana sy ny herimpo nananany ary koa ny andinindininy momba ny nanondrotany an'i Mordokay dia efa voasoratra ao amin'ilay boky milohateny hoe Asan'ireo amperoran'i Media sy i Persia.

3 I Mordokay, ilay Jiosy, no olona ambony indrindra nanarakaraka ny amperora Kserksesa teo amin'ny fanjakana; sady nalaza sy mamy hoditra izy teo amin'ny Jiosy rehetra mpiray firenena aminy, noho izy nitady hahasoa ny fireneny sy nanao didy hiadanan'ny olona rehetra iray firazanana aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0549