Estera

Toko faha-8

1 Androtr'io ihany dia nomen'ny amperora Kserksesa ho an'i Estera mpanjakavavy ireo fananan'i Hamana fahavalon'ny Jiosy. I Mordokay koa, rehefa nampahafantarin'i Estera fa rainy izy, dia nasaina hankeo amin'ny amperora.

2 Ary nesorin'i Kserksesa ilay peratra tombokase, izay efa nalainy tamin'i Hamana, ka nomeny an'i Mordokay. Ankoatra izany i Mordokay dia notendren'i Estera hitantana ireo fananan'i Hamana.

3 Dia niteny teo anatrehan'ny amperora indray i Estera sady niankohoka teo an-tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hanafoana ny loza notetehin'i Hamana taranak'i Agaga hamelezana ny Jiosy.

4 Ary notondroin'ny amperora tamin'ny tehim-bolamena i Estera, ka nitsangana sy nijoro teo anatrehany

5 ary nanao hoe: Ry andriamanjaka, raha sitrakao sy ataonao ho mety ary raha mba mahazo fitia eo anatrehanao sy tsara eo imasonao aho, dia aoka hisy soratra hanova ireo taratasy voahevitr'i Hamana zanakalahin'i Hamedata sady taranak'i Agaga. Nosoratan'i Hamana manko ireny taratasy ireny hampandringana ny Jiosy any amin'ny faritany rehetra manerana ny fanjakanao.

6 Ka hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ireo mpiray firenena amiko sy ny fandringanana ireo iray firazanana amiko?

7 Dia hoy ny amperora Kserksesa tamin'i Estera mpanjakavavy sy tamin'i Mordokay ilay Jiosy: Indro efa nahantona tamin'ny hazo i Hamana satria naninji-tanana hamely ny Jiosy; sady ireo fananany koa, ry Estera, efa nomeko anao.

8 Tsy azo foanana rehefa taratasy voasoratra tamin'ny anarako sy voatomboka tamin'ny peratro; kanefa manorata taratasy amin'ny anarako ianareo, araka izay sitrakareo mba hamonjena ny Jiosy, ka tombohy amin'ny peratro izany.

9 Tamin'io andro io, andro faha-23 tamin'ny volana fahatelo na volana Sivana, dia nantsoina ny mpitantsoratry ny amperora. Araka izay rehetra nandidian'i Mordokay no nanoratany taratasy ho an'ny Jiosy sy ny solotenan'ny amperora mbamin'ny governora sy mpitondra any amin'ny faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiopia. Taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony na araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny Jiosy no nataony.

10 Nosoniavina tamin'ny anaran'ny amperora ireo taratasy ireo sy notombohina tamin'ny peratra tombokaseny ary dia nampitondraina iraka, mitaingina soavalim-panjakana haingam-pandeha avy amin'ny fiompian-tsoavalin'ny amperora.

11 Voarakitry ny taratasy fa ny Jiosy isan-tanana misy azy dia nomen'ny amperora lalana hivory hiaro ny ainy. Navela koa ry zareo handringana sy hamono ho ripaka izay andian'olona mamely azy any amin'ny firenena sy faritany isan-tokony; azony atao aza ny mamono ny vady aman-janak'ireo sy ny mandroba ny fananany.

12 Andro iray ihany no hampiharana izany fanomezan-dalana izany amin'ny faritany rehetra manerana ny fanjakan'i Kserksesa, dia ny andro faha-13 amin'ny volana faha-12 na volana Adara.

13 Ny kopian'io taratasy io dia navoaka ho didy manan-kery amin'ny isam-paritany ary nampahafantarina ny olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy ho amin'izany andro hamaliany ny fahavalony izany.

14 Noho ny baikon'ny amperora, dia nandeha faingana sy dodona ny iraka, nitaingina soavalim-panjakana haingam-pandeha avy amin'ny fiompian-tsoavalin'ny amperora. Ary navoaka tao Sosany renivohitra koa izany didy manan-kery izany.

15 Fony i Mordokay nivoaka ny lapa, dia akanjo lava vita rongony madinika miloko jaky no nanaovany, fanamiam-piandrianana fotsy sy volomparasy no nitafiany, ary satroboninahitra volamena lehibe no nisatrohany; koa faly sy ravo i Sosany iray vohitra.

16 Ny Jiosy dia miramirana sy ravoravo ary heni-kafaliana amam-boninahitra.

17 Isam-paritany sy isan-tanana nahatongavan'ny teny aman-didin'ny amperora, dia ravoravo sy heni-kafaliana ny Jiosy ary nanao fanasana sy lanonana. Maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nanindry azy ny fahatahorana ny Jiosy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0562