Deoterônômy
Toko faha-2
22 Toy izany koa no nataon'ny TOMPO ho an'ny Edomita taranak'i Hesao, izay nonina tany Sehira, fa naringany tsy ho eo anoloan'ny Edomita ireo Horita; dia nandroaka ny Horita ny Edomita ka nonina nisolo azy mandraka androany.23 Ny amin'ny Havita izay nonina tamin'ireo tanana mipaka hatrany Gaza kosa, dia ny Kaftorita avy tany Kaftora no nandringana azy ka nonina nisolo azy.)
24 Avy eo dia hoy ny TOMPO hoe: Mitsangana ianareo, miainga ka mita ny lohasahan-driaka Arnona. Jereonareo fa hatolotro eo an-tananareo i Sihona, mpanjaka amorita ao Hesbona, mbamin'ny taniny. Santaro ny fakana izany tany izany, ka tafiho i Sihona!
25 Manomboka anio, dia hataoko mahazo ny firenena rehetra ambany lanitra ny horohoro sy tahotra anareo; ka vantany vao reny ny lazanareo, dia hangovitra sy hipararetra noho ny aminareo izy.
26 Avy teo an-taniefitra Kedemota no nandefasako iraka hankany amin'i Sihona, mpanjaka tao Hesbona, omban'ny teny fihavanana hoe:
27 Aoka mba hamaky ny taninao izahay; ny lalambe ihany no halehanay ka tsy hivilivily ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia izahay.
28 Hamidinao vola aminay ny hanin-kohaninay; hatakalonao vola aminay ny rano hosotroinay; ary handalo fotsiny mandeha an-tongotra izahay.
29 Efa navelan'ireo taranak'i Hesao monina any Sehira sy ireo Moabita monina any Hara hanao toy izany izahay. Handalo fotsiny izahay mandra-pahatonganay eo amin'ny toerana hitanay ny ony Jordana ho any amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitray anay.
30 Tsy nety namela antsika hamaky ny taniny anefa i Sihona mpanjaka tao Hesbona; fa ilay TOMPO Andriamanitrareo efa nahatonga azy hidrikina sy ho mafy fo mba hanolorany azy eo an-tananareo, tamin'izany andro izany.
31 Dia niteny tamiko ny TOMPO hoe: Jereo fa manomboka nanolotra an'i Sihona sy ny taniny aminareo Aho. Santaro ny fakana izany tany izany mba hanananareo azy.
32 Dia niainga i Sihona mbamin'ny tafiny manontolo hiady amintsika tao Jahatsa,
33 fa natolotry ny TOMPO Andriamanitsika ho eo ambany fahefantsika ry i Sihona sy ny zanany lahy mbamin'ny tafiny manontolo ka noresentsika.
34 Ary afatsika tamin'izay ny tananany rehetra, ka noravantsika tanteraka; naringantsika ny lehilahy mbamin'ny zaza amam-behivavy isan-tanana ka tsy nasiantsika niangana na iray akory aza.
35 Ny biby fiompiny sy ny fananany, tao amin'ny tanana izay afatsika ihany, no nobabointsika.
36 Manomboka hatreo Harohera izay amoron'ny lohasahan-driaka Arnona sy ilay tanana hafa anatin'io lohasaha io ihany, ka miafara any Gilehada, dia tsy nisy tanana tsy afatsika; fa natolotry ny TOMPO Andriamanitsika eo ambany fahefantsika ny tanana rehetra.
37 Kanefa ny tanin'ny Hamonita kosa tsy nakekezintsika, dia ny faritra rehetra manamorona ny lohasahan-driaka Jaboka sy ireo tanana ao amin'ny havoana, toy ny toerana rehetra nosakanan'ny TOMPO Andriamanitsika tsy hakekezintsika.
Toko faha-3
1 Dia nihodina niakatra tamin'ny lalana mankany Basana isika; ary niainga hiady amintsika tao Edrehy i Hoga mpanjakan'i Basana, mbamin'ny tafiny manontolo.2 Tamin'izay, dia hoy ny TOMPO tamiko: Aza matahotra an'i Hoga ianareo, fa efa natolotro eo an-tananareo izy sy ny tafiny manontolo mbamin'ny taniny; ary ny hataonareo amin'i Hoga dia araka izay nataonareo tamin'i Sihona mpanjaka amorita, izay nonina tao Hesbona.
3 Dia natolotry ny TOMPO Andriamanitsika eo an-tanantsika koa i Hoga, mpanjakan'i Basana, mbamin'ny tafiny manontolo; noresentsika ireo ka tsy nisy niangana na iray akory aza.
4 Afatsika tamin'izay ny tananany enimpolo izay nanjakan'i Hoga manerana ny faritany Argoba manontolo tao Basana.
5 Tananamimanda avokoa ireo tanana ireo ka samy nisy manda avo sy vavahady voahidy mafy; ankoatra ireo, dia nisy tanana kely maro dia maro.
6 Noravantsika tanteraka ireny tanana ireny ary naringantsika ny lehilahy mbamin'ny zaza amam-behivavy isan-tanana, toy ny nataontsika tamin'ny tananan'i Sihona mpanjaka tao Hesbona.
7 Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tamin'ireo tanana ireo no nobabointsika.
8 Koa tamin'izany andro izany, dia nalaintsika tamin'ny mpanjaka amorita anankiroa ny tany izay any an-dafin'i Jordana, manomboka amin'ny lohasahan-driaka Arnona ka miafara amin'ny tendrombohitra Hermona,
9 (dia i Hermona izay nataon'ny Tsidonianina hoe Siriona ary nataon'ny Amorita kosa hoe Senira).
10 Nalaintsika ny tanana rehetra amin'ny lembalemba, nalaintsika i Gilehada sy i Basana manontolo hatrany Salka sy Edrehy izay tanana nanjakan'i Hoga tany Basana.
11 I Hoga mpanjakan'i Basana manko no hany sisa tavela tamin'ny Refaita. Mbola hita ao Raba, renivohitry ny Amorita, ny vatam-paty misy azy, dia vatam-paty natao tamin'ny vato vy voapaika ka efatra metatra sy sasany ny halavany ary roa metatra ny sakany araka ny refy mahazatra.
12 Tamin'izany andro izany tokoa no nahazoantsika io tany io. Ny antsasaky ny tany havoanan'i Gilehada mbamin'ny tanana eo, manomboka any Harohera izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, dia nomeko ny Reobenita sy ny Gadita.
13 Ny sisa tamin'i Gilehada sy i Basana manontolo, izay nanjakan'i Hoga, dia nomeko ny antsasa-pokon'i Manase. (Ny faritany Argoba miaraka amin'i Basana manontolo dia natao koa hoe tanin'ny Refaita.
14 Ireo terak'i Jairo zanakalahin'i Manase no nahazo ny faritany Argoba manontolo, mipaka amin'ny sisintanin'ny Gesorita sy Mahekatita; dia nantsoina hoe Havota-Jairo izany faritra izany araka ny anarana entiny mandraka androany.)
15 Ny terak'i Makira kosa nomeko faritany Gilehada.
16 Ny Reobenita sy ny Gadita dia nomeko ny ampahan'i Gilehada miafara amin'ny lohasahan-driaka Arnona (ka tao afovoan'io lohasahan-driaka io no sisintany), sy miafara amin'ny lohasahan-driaka Jaboka izay sisin-tany mampisaraka amin'ny Hamonita;
17 nomeko azy ireo koa i Haraba, ka ny ony Jordana no sisintany, manomboka ao Kinereta ka miafara amin'ny Ranomasin'i Haraba, dia ny Ranomasina Maty, eo am-bodin'ny tendrombohitra Pisga izay ao atsinanany.
18 Tamin'izany andro izany, dia nomeko baiko ireo ka nataoko hoe: Efa nomen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo ity faritany ity; ka ndeha mita eo alohan'ny Israelita hafa havanareo ianareo lehilahy mahery fo rehetra samy efa voaoman-kiady.
19 Fa ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo, (fantatro fa be biby fiompy ianareo), dia hitoetra ao amin'ireo tanana izay nomeko anareo.
20 Ampio ny Israelita hafa mandra-panomen'ny TOMPO azy fitsaharana tahaka ny nataony taminareo, ka hananany ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo azy any andafin'i Jordana; dia samy hiverina any amin'ny zaratany izay nomeko anareo avy ianareo.
21 Tamin'izany andro izany koa dia nomeko baiko i Josoa ka nilazako hoe: Efa hitanao maso izay rehetra nataon'ny TOMPO Andriamanitrareo tamin'ireo mpanjaka roa lahy; dia toy izany no hataon'ny TOMPO amin'ny mpanjaka rehetra hatrehinao eny ampita.
22 Aza matahotra azy ianareo satria ny TOMPO Andriamanitrareo mihitsy no hiady ho anareo.
23 Tamin'izany andro izany, dia nitaraina tamin'ny TOMPO aho ka nanao hoe:
24 Ry Tompo ANDRIANANAHARY o, vao nanehoanao ny fahalehibeazanao sy ny fiarovanao mahery aho mpanomponao. Fa, na any an-danitra na eto an-tany, aiza no misy andriamanitra mahay manao araka ny asanao sy ny zava-dehibe vitanao?
25 Aoka mba hahazo mita aho ka hahita izany tany soa any andafin'i Jordana izany, dia ilay faritra be tendrombohitra tsara sy i Libano.
26 Fa tezitra tamiko ny TOMPO noho ny aminareo, ka tsy nihaino ahy sady nilaza tamiko hoe: Aoka izay fa aza teneninao amiko intsony izany zavatra izany.
27 Miakara eo an-tampon'i Pisga ianao ary atopazy miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana ny masonao, dia aoka hijery; satria tsy hahazo mita izany Jordana izany ianao.
28 Fa i Josoa no omeo baiko, dia ampaherezo sy hatanjaho, satria izy no hiampita eo alohan'ity vahoaka ity sady hampahazo azy ny tany izay ho hitanao.
29 Dia nijanona teo an-dohasaha tandrifin'i Bety-Pehora isika.
Toko faha-4
1 Ary hoy indray i Mosesy hoe: Ankehitriny, ry Israelita, henoy ny lalana amam-pitsipika izay ampianariko anareo hotanterahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy hanana ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo anareo.2 Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo ary aza anesorana; fa tandremo ny didin'ny TOMPO Andriamanitrareo, izay ampitaiko aminareo.
3 Efa nahita maso izay nataon'ny TOMPO noho ny amin'ilay Bahala tao Pehora ianareo; fa ny olona rehetra nanompo an'io Bahala io taminareo, dia naringan'ny TOMPO Andriamanitrareo tsy ho eo aminareo intsony.
4 Fa ianareo nifikitra tamin'ny TOMPO Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao.
5 Araka izay nandidian'ny TOMPO Andriamanitro ahy, indro ianareo efa nampianariko lalana amam-pitsipika hotanterahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.