Deoterônômy
Toko voalohany
17 Aza mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana, fa henoy na ny kely na ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an'Andriamanitra ny fitsarana. 18 Eny, tamin'izay aho no efa namoaka didy ho anareo ny amin'ny zavatra rehetra tokony hataonareo.19 Dia niala tany Horeba isika, araka ny nandidian'ny TOMPO Andriamanitsika; ary nandeha isika namaky ilay taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay hitanareo teny an-dalana mankany amin'ny faritra havoana onenan'ny Amorita. Rehefa mby tao Kadesy-Barnea isika,
20 dia hoy aho taminareo; Efa tonga eto amin'ny faritra havoana onenan'ny Amorita ianareo, faritra izay omen'ny TOMPO Andriamanitsika ho antsika.
21 Indro ataon'ny TOMPO Andriamanitrareo eo anoloanareo izany tany izany; iakaro izy ka alao ho fanananareo, araka izay nampanantenain'ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo taminareo. Aza matahotra na mivadi-po akory!
22 Dia nohatoninareo rehetra aho ka nilazanareo hoe: Aoka isika haniraka olona hialoha antsika mba hisafo ny tany; dia hanao tatitra ho antsika ireo ka hilaza ny lalana tokony hiakarantsika sy ny tanana izay hivantanantsika.
23 Sitrako izany teny izany, ka dia nifidy 12 lahy teo aminareo aho, iray avy isam-poko.
24 Ary niainga ireo ka niakatra ny faritra havoana, dia tonga tao amin'ny hadilalana Eskola ary nisafo azy.
25 Nangalany ny vokatry ny tany ka nentiny nidina tamintsika; ary izao no tatitra nataony ho antsika: Soa ny tany omen'ny TOMPO Andriamanitsika ho antsika.
26 Kanefa tsy nety niakatra ianareo, fa nanda ny tenin'ny TOMPO Andriamanitrareo.
27 Nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao hoe: Noho isika halan'ny TOMPO no nitondrany antsika hiala tany Ejipta. Te hanolotra antsika eo an-tanan'ny Amorita Izy mba handringanana antsika.
28 Aiza ity hiakarantsika? Mpiray firenena amintsika no efa nanaketraka ny fontsika tamin'ny nanaovany hoe: Vaventy sy ranjanana noho isika ny olona monina ao; ny tanana dia lehibe sady misy manda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay tao aza ny taranak'i Hanaka!
29 Dia hoy aho taminareo: Aza manahy, ary aza matahotra azy!
30 Ny TOMPO Andriamanitrareo, Ilay mandeha eo alohanareo, no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo teo imasonareo tany Ejipta
31 sy taty an-taniefitra; efa hitanareo fa nentin'ny TOMPO Andriamanitrareo tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany ianareo, tany amin'ny lalana rehetra nalehanareo, mandra-pahatonganareo amin'ity toerana ity.
32 Ary, tamin'izany toe-javatra izany, dia tsy ninoanareo ny TOMPO Andriamanitrareo.
33 Kanefa Izy no nandeha teo alohanareo teny an-dalana mba hitady toerana hitobianareo; ka ny afo nony alina ary ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay lalana nety halehanareo.
34 Ren'ny TOMPO ny fimonomononanareo ka tezitra Izy sady nianiana hoe:
35 Tsy hisy mihitsy amin'ireto olona ratsy fanahy ireto hahita ilay tany soa nianianako homena ny razany.
36 Tsy hisy hahita azy afa-tsy i Kaleba, zanakalahin'i Jefone; ary dia izy sy ireo zanany no homeko ny faritany izay efa nodiaviny, satria nanaraka tanteraka Ahy TOMPO i Kaleba.
37 Ianareo ihany koa no nitezeran'ny TOMPO ahy, ka nanaovany hoe: Ianao koa tsy hiditra amin'io tany io;
38 fa i Josoa mpanomponao, i Josoa zanakalahin'i Nona, no hiditra any. Koa ampaherezo izy, fa izy no hampahazo ny Israelita izany tany izany.
39 Ny zanakareo nolazainareo fa ho babom-pahavalo, eny, ny zanakareo tsy mbola mahay manavaka izay tsara sy ratsy amin'izao andro izao, dia ireo no hiditra izany tany izany, ireo no homeko azy, ireo no hanana azy.
40 Ianareo kosa, miverena ka mizora mankany an-taniefitra mihazo ny lalana ho any amin'ny Ranomasin'ny Volotara.
41 Ho setrin'izany kosa dia hoy ianareo tamiko: Efa nanota tamin'ny TOMPO izahay! Hiakatra ihany izahay ka hiady, araka izay rehetra nandidian'ny TOMPO Andriamanitray anay. Dia samy nivonona tamin'ny fiadiany avy ianareo rehetra, ka nataonareo ho mora ny hananika izany faritra havoana izany.
42 Fa hoy ny TOMPO tamiko: Ilazao ireo mba tsy hiakatra ary tsy hiady, satria tsy eo afovoany Aho, ka aoka izy tsy hanao izay handresen'ny fahavalony azy!
43 Dia niteny taminareo aho fa tsy nohenoinareo; nolavinareo ny tenin'ny TOMPO, ary nanao sahisahy ianareo ka nananika iny faritra havoana iny.
44 Kanjo niainga hiady aminareo ny Amorita izay nonina tamin'izany faritra havoana izany, dia nandresy anareo tao Sehira ka tahaka ny andian-drenitantely ireo no nanenjika anareo hatrany Horma.
45 Dia niverina ianareo, ka nitomany teo anatrehan'ny TOMPO; nefa tsy nihaino ny feonareo IZY na nanongilan-tsofina taminareo.
46 Ary nitoetra ela tao Kadesy-Barnea ianareo, araka izay fotoana tokony ho nitoeranareo tao.
Toko faha-2
1 Avy eo niverin-dia kely isika, ka nandeha an-taniefitra nizotra ny lalana mankany amin'ny Ranomasin'ny Volotara, araka izay nolazain'ny TOMPO tamiko; ary naharitra ela ihany isika teny amin'ny manodidina ny tendrombohitra Sehira.2 Dia niteny tamiko ny TOMPO nanao hoe:
3 Ampy izay nahateto amin'ny manodidina ity tendrombohitra ity izay, fa mizora mianavaratra ianareo.
4 Koa izao no baiko homenao ny vahoaka: Efa tomorinareo ny tanin'ny taranak'i Hesao havanareo izay eo amin'ny faritr'i Sehira. Atahorany ianareo; nefa mitandrema tsara
5 mba tsy hila ady aminy, fa tsy hanomezako anareo ny taniny na eram-paladia akory aza, satria efa nomeko ho fananan'ny taranak'i Hesao ny faritra havoanan'i Sehira.
6 Koa ny sakafonareo hovidinareo vola aminy, ary na dia ny rano hosotroinareo aza.
7 Eny, Izaho TOMPO Andriamanitrareo efa nitahy anareo tamin'izay rehetra nataonareo. Fantatro ny nandehananareo namaky ity taniefitra midadasika ity; satria efapolo taona izay no momba anareo Aho TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy nanan-java-mahory ianareo.
8 Dia nialantsika ny taranak'i Hesao havantsika mponina any Sehira; nandalovantsika ny lalana amin'ny lohasaha Haraba, izany hoe ny lalana miakatra avy any Elata sy Hetsiony-Gebera; ary nivily nihazo ny lalana mankany amin'ny taniefitr'i Moaba isika.
9 Dia hoy ny TOMPO tamiko: Aza mandrafy ny Moabita ianareo na mila ady aminy fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, satria ny faritr'i Hara dia nomeko ho fananan'ny taranak'i Lota.
10 Ny mponina tao Moaba fahiny dia ny Emita, izay firenena lehibe sy maro isa ary olona ranjanana tahaka ny Hanakita.
11 Nisy nihevitra azy ireo ho Refaita, tahaka ny Hanakita; fa ny Moabita no niantso azy hoe Emita.
12 Ny faritany Sehira kosa fahiny dia nonenan'ny Horita, saingy ny taranak'i Hesao no nandroaka azy ka nandringana azy tsy ho eo anoloany ary nonina nisolo azy. Toy izany koa no nataon'ny Israelita teo amin'ny tany nomen'ny TOMPO azy ho fananany.
13 Ankehitriny, miainga ianareo ka mandehana mita ny lohasahan-driaka Zahareda. Dia nita ny lohasahan-driaka Zahareda isika.
14 Naharitra 38 taona ny diantsika niainga hatreo Kadesy-Barnea ka hatramin'ny nitantsika ny lohasahan-driaka Zahareda, izany hoe mandra-pahalany ritra tsy hisy eo an-toby intsony ny mpiantafika rehetra tamin'izany taranaka izany, araka izay efa nianianan'ny TOMPO taminy.
15 Ary ny TOMPO mihitsy no namely azy mba handringana azy tsy ho eo amin'ny toby, mandra-pahalany ritra azy.
16 Rehefa lany ritra tsy teo anivon'ny vahoaka israelita intsony ny mpiantafika rehetra,
17 dia niteny tamiko ny TOMPO nanao hoe:
18 Izao ianareo no hiampita ny sisintanin'i Moaba ka hamaky ny faritr'i Hara.
19 Dia ho tonga ao akaikin'ny Hamonita ianareo, kanefa aza mandrafy azy na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, satria nomeko ho fananan'ny taranak'i Lota izany.
20 (Nisy nihevitra izany faritany izany ho tanin'ny Refaita. Fahiny manko dia nonina tao ny Refaita izay nantsoin'ny Hamonita hoe Zamzomita.
21 Firenena lehibe sy maro isa ary olona ranjanana tahaka ny Hanakita ireo, nefa naringan'ny TOMPO tsy ho eo anoloan'ny Hamonita; dia nandroaka ny Zamzomita ka nonina nisolo azy ny Hamonita.