Nomerỳ
Toko faha-35
14 ny telo ety an-dafy atsinanan'i Jordana ary ny telo hafa ao amin'ny tany Kanahana: ho tanana fialokalofana ireo.15 Ny olona rehetra, na Israelita izy na vahiny miara-monina amin'ny Israelita ka nahafaty olona tsy nahy, dia afaka mialokaloka amin'ireo tanana enina ireo.
16 Raha vy no namelezana ka nahafaty olona, dia mpandatsaka aina izay manao izany ka hatao maty.
17 Raha vato no namelezana ka nahafaty olona, dia mpandatsaka aina izay nanao izany ka hatao maty.
18 Raha hazo no namelezana ka nahafaty olona, dia mpandatsaka aina izay nanao izany ka hatao maty.
19 Ny mpamaly faty no hamono hahafaty ny mpandatsaka aina, raha vao mahita azy izy.
20 Raha fankahalana no nandonana olona na koa lolom-po no nitorahana azy ka nahafaty azy,
21 na filana ady no namelezana totohondry olona ka nahafaty azy, dia hatao maty ilay mpamely satria mpandatsaka aina; ny mpamaly faty no hamono hahafaty ny mpandatsaka aina, vantany vao tafahaona aminy.
22 Kanefa mety tsy nahy na tsy filana ady no nandonana olona; mety tsy lolom-po no nitorahana zavatra azy;
23 mety misy sendra manjera vato ka nahafaty olona tsy nahy, saingy tsy fahavalon'io olona io izy sady tsy nitady handratra azy.
24 Amin'izay, dia hotsarain'ny fiangonana araka izany lalana izany ny mpamely sy ny mpamaly faty.
25 Harovan'ny fiangonana amin'ny mpamaly faty ilay nahafaty olona, ka hateriny indray any amin'ny tanana izay nialokalofany. Hitoetra ao amin'io tanana fialokalofany io ilay nahafaty olona tsy nahy mandra-pahafatin'ny mpisorombe izay voahosotra tamin'ny diloilo masina.
26 Fa raha mivoaka ho ao ivelan'ny tanana fialokalofana kosa izy,
27 ka hitan'ny mpamaly faty, dia azon'io vonoina ho faty; ary tsy meloka ny mpamaly faty amin'izany,
28 satria ilay nahafaty olona tsy nahy dia tokony ho nitoetra tao amin'ny tanana fialokalofany mandra-pahafatin'ny mpisorombe; fa rehefa maty kosa io, dia mahazo mody any amin'ny zara tany fananany ihany ilay nahafaty olona tsy nahy.
29 Izany fomba fanao izany dia hampiharinareo hatrany, na aiza na aiza honenanareo.
30 Raha misy namono nahafaty olona, dia tsy azo helohina ho faty izy raha tsy noho ny filazan'ny vavolombelona maro. Tsy hisy fanamelohana ho faty noho ny filazan'ny vavolombelona tokana.
31 Tsy handray kolikoly ianareo mba hanavotana ny ain'izay nahafaty olona ka meloka tokony ho faty; eny, hatao maty tokoa izy.
32 Tsy handray kolikoly koa ianareo mba hamelana azy handositra any amin'ny tanana fialokalofana na hamelana azy hiverina any amin'ny taniny alohan'ny hahafatesan'ny mpisorombe.
33 Aza mandoto ny tany onenanareo, fa ny famonoana olona dia fandotoana ny tany. Ary raha misy olona voalatsa-dra, ny tany dia tsy hadio raha tsy maty ny mpandatsa-dra.
34 Aza mandoto ny tany izay honenanareo sady honenako eo afovoanareo koa, fa Izaho no TOMPO Izay mitoetra eo anivon'ny Israelita.
Toko faha-36
1 Nisy nanatona an'i Mosesy sy ny filohan'ny foko israelita ireo taranak'i Josefa, dia ny loham-pianakaviana avy amin'ny tarik'i Gilehada zanakalahin'i Makira sady zafikelin'i Manase,2 ka nanao hoe: Efa nodidian'ny TOMPO hizara antsapaka ny tany ho an'ny Israelita ianao, ry Mosesy, ary efa nodidiany ihany koa hanome ny zara tanin'i Tselofehada rahalahinay ho an'ny zanakavaviny.
3 Raha manambady lehilahy avy amin'ny foko israelita hafa ireo vehivavy ireo, dia hoesorina amin'ny zara tanin-drazanay ny zara taniny ka hanampy ny anjaran'ny foko izay hidirany izany, ary dia hampihena ny anjara izay azonay tamin'ny antsapaka.
4 Rehefa tonga manko ny taon-jobily ho an'ny Israelita, ny zara tanin'ireo zanakavavin'i Tselofehada dia hanampy ny an'ny foko izay hidirany, ary hoesorina tanteraka amin'ny zara tany azon'ny razanay.
5 Dia nanome izao didy izao araka ny tenin'ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: Marina ny an'ireto taranak'i Josefa ireto.
6 Izao no teny izay nandidian'ny TOMPO momba ny zanakavavin'i Tselofehada: aoka izy hanambady izay tiany, nefa lehilahy ao amin'ny tarika nisy an-drainy ihany no hovadiny.
7 Amin'izay dia tsy hisy zara tany hifindra foko eo amin'ny Israelita, fa samy ho eo amin'ny zara tany azon'ny fokon-drainy avy no hifikiran'ny Israelita.
8 Ny tovovavy rehetra, izay handova eo amin'ny foko israelita anankiray, dia hanambady lehilahy ao amin'ny tarika nisy an-drainy ihany. Izay no hitazonan'ny Israelita tsirairay avy ny zara tany azon'ny razany;
9 ary tsy hisy zara tany hifindra foko, fa samy ho eo amin'ny zara taniny avy no hifikiran'ny foko israelita.
10 Dia nataon'ny zanakavavin'i Tselofehada araka izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy izany,
11 ka i Mahela sy i Tiritsa, i Hogla sy i Milka ary i Noha dia samy nanambady ny zanakalahin-drahalahin-drainy avy;
12 izany hoe lehilahy taranak'i Manase, zanakalahin'i Josefa, ihany no fanambadian'ireo; ka tafajanona tamin'ny fokon-drainy ihany ny zara tany izay nolovany.
13 Ireo no didy amam-pitsipika nomen'ny TOMPO ny Israelita tamin'ny alalan'i Mosesy tao amin'ny lemak'i Moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jerikao.
Deoterônômy
Toko voalohany
1 Ireto avy no lahateny nataon'i Mosesy tamin'ny Israelita rehetra, fony ireo mbola tsy niampita ny ony Jordana. Tanatin'ny taniefitr'i Haraba, teo akaikin'i Sofa, ny Israelita tamin'izay, dia tanelanelan'i Parana an-kilany ary Tofela sy Labana mbamin'i Hatserota sy Dizahaba an-daniny.2 (Lalana 11 andro i Kadesy-Barnea raha miala ny tendrombohitra Horeba ka mihazo ny lalana mankany amin'ny tendrombohitra Sehira).
3 Tamin'ny taona fahefapolo nialana an'i Ejipta, nony andro voalohan'ny volana faha-11, dia niteny tamin'ny Israelita i Mosesy, araka izay rehetra nodidian'ny TOMPO holazainy aminy.
4 Taorian'ny nandresen'i Mosesy an'i Sihona, ilay mpanjakan'ny Amorita sady nonina tao Hesbona, sy taorian'ny nandreseny tao Edrehy an'i Hoga, ilay mpanjakan'i Basana sady nonina tao Hastarota, no nitrangan'izany.
5 Tany an-dafy atsinanan'i Jordana, tao amin'ny faritr'i Moaba, no nanomboka nanazava ny lalanan'Andriamanitra i Mosesy ka nanao hoe:
6 Fony teo amin'ny tendrombohitra Horeba isika, dia nitenenan'ny TOMPO Andriamanitsika hoe: Ela izay nitoeranareo teto amin'ity tendrombohitra ity izay.
7 Mihodina ianareo, ary mandehana mankany amin'ny tendrombohitra fonenan'ny Amorita; mandehana mankany amin'ny faritra manodidina fonenan'ny Kanahanita, dia ny lemak'i Haraba, ny faritra havoana, ny lemak'i Sefela, ny Negeba, mbamin'ny moron-tsiraka; mandehana mankany Libano ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
8 Indro efa natolotro eo anoloanareo io tany io; idiro ka alao ho fanananareo izany fa efa nianianako tamin'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba razambenareo mba homena azy sy ny taranany mandimby azy.
9 Izaho Mosesy, tamin'izany andro izany, dia niteny taminareo hoe: Tsy zakako samirery ny mitondra anareo.
10 Efa nahamaro anareo ny TOMPO Andriamanitrareo, ka indro ankehitriny efa maro toy ny kintana eny amin'ny habakabaka ianareo.
11 Ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nampanantenainy anareo!
12 Kanefa hataoko ahoana no fitondra samirery ny olanareo sy ny fitakianareo ary ny adiadinareo?
13 Koa tolory lehilahy hendry sy manan-tsaina ary hita toetra eo amin'ny fokonareo aho, dia hataoko ho lehibenareo izy.
14 Ary namaly ahy ianareo ka nanao hoe: Tsara izany soso-kevitra arosonao hotanterahina izany.
15 Dia nalaiko ny lohandohan'ny fokonareo, dia lehilahy hendry sady hita toetra, ka notendreko ho lehibenareo; tao ny mpifehy arivo sy mpifehy zato mbamin'ny mpifehy dimampolo sy mpifehy folo, ary tao ny mpandraharaha amin'ny fokonareo.
16 Tamin'izay koa aho no namoaka didy ho an'ny mpitsaranareo ka nanao hoe: Henoy ny fifanolanan'ny mpiray firenena aminareo, ka tsarao ara-drariny izany, na ho azy samy Israelita, na ho an'ny Israelita sy ny vahiny valovotaka eo aminy.