Nomerỳ
Toko faha-33
49 Teo amoron'i Jordana, tanelanelan'i Bety-Jesimota sy Abela-Sitima tao amin'ny lemak'i Moaba, no nitobian'ny Israelita.50 Tao amin'ny lemak'i Moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jerikao, no nitenenan'ny TOMPO tamin'i Mosesy
51 mba hamepetra ny Israelita hoe: Rehefa tafita an'i Jordana ianareo ka tonga any amin'ny tany Kanahana,
52 dia horoahinareo avokoa ny mponina rehetra eo amin'ny tany, hopotehinareo ny sary vato sy sary metaly rehetra mampiseho ny andriamaniny, ary horaranareo avokoa ny toeram-pivavahany.
53 Halainareo ny tany ka honenanareo, fa ianareo no nomeko azy ho lovanareo.
54 Antsapaka no hizaranareo ny tany araka ny tarikareo avy; izay maro an'isa no homenareo zara tany bebe kokoa, ary izay vitsy kosa dia homenareo zara tany kelikely kokoa. Antsapaka ihany no hamaritana ny toerana hisy ny anjaran'ny tarika tsirairay; ary araka ny fokon-drainareo avy no hahazoanareo zara tany.
55 Fa raha tsy roahinareo ny mponina rehetra amin'ny tany ao, dia ho lay amin'ny masonareo sy ho tsilo amin'ny tehezanareo izay olona sisa tavela ka hampijaly anareo eo amin'ny tany honenanareo.
56 Ary dia hataoko aminareo izay efa nokasaiko hatao aminy.
Toko faha-34
1 Niteny tamin'i Mosesy koa ny TOMPO2 mba hamepetra ny Israelita hoe: Rehefa tafiditra any amin'ny tany Kanahana ianareo, dia izao no tany izay ho anjara lovanareo araka ireto sisin-tany ireto:
3 Any atsimo, ny taninareo dia voafaritry ny taniefitra Tsina sy ny tanin'i Edoma. Izany dia manomboka avy eo atsinanana ao amin'ny tendrony atsimon'ny Ranomasina Maty;
4 avy eo dia miolaka eo atsimon'ny fiakaran'i Akrabima, dia mandalo an'i Tsina, dia mahazo ny atsimon'i Kadesy-Barnea sy mipaka any Hatsara, ary mitohy hatrany Hatsemona;
5 avy eo Hatsemona, dia miolaka any amin'ny lohasahan-driakan'i Ejipta ary miafara amin'ny Ranomasina Mediteranea.
6 Any andrefana dia ny Ranomasina Mediteranea no mamaritra ny taninareo.
7 Any avaratra dia hofaritanareo ny sisin-tany manomboka amin'ny Ranomasina Mediteranea ka hatrany amin'ny tendrombohitra Hora.
8 Avy eo an-tendrombohitra Hora, dia ny lalana mankany Lebo-Hamata no hamaritanareo azy, ary hipaka any Tsedada.
9 Dia hitohy hatrany Zifrona izany ka hiafara any Hatsara-Heinana. Izany no sisin-taninareo any avaratra.
10 Any atsinanana dia hofaritanareo ny sisin-tany manomboka eo Hatsara-Heinana ka hatrany Sefama.
11 Avy eo dia mahazo an'i Ribla atsinanan'i Haina, dia midina mipaka amin'ny sisiny atsinanan'ny farihin'i Kinereta,
12 ka hitsontsorika hatrany Jordana ary hiafara any amin'ny Ranomasina Maty. Izany no taninareo araka ny sisin-tany manodidina azy.
13 Dia namepetra ny Israelita i Mosesy ka nanao hoe: Izany no tany izay nandidian'ny TOMPO fa hozarainareo antsapaka ho an'ny foko sivy sy sasany.
14 Fa ny foko robenita sy ny foko gadita ary koa ny antsasaky ny fokon'i Manase dia efa samy nahazo ny zara taniny,
15 dia aty an-dafy atsinanan'i Jordana tandrifin'i Jerikao manatrika ny fiposahan'ny masoandro.
16 Dia niteny tamin'i Mosesy indray ny TOMPO ka nanao hoe:
17 I Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin'i Nona no hisahana ny fizarana ny tany.
18 Hisy tompon'andraikitra iray avy isam-poko hotendrenareo hanampy azy amin'izany.
19 Izao avy ny anaran'izy ireo: ho an'ny fokon'i Joda dia i Kaleba zanakalahin'i Jefone;
20 ho an'ny fokon'i Simehona, dia i Semoela zanakalahin'i Hamihoda;
21 ho an'ny fokon'i Benjamina, dia i Elidada zanakalahin'i Kislona;
22 ho an'ny fokon'i Dana, dia i Boky zanakalahin'i Jogly;
23 ho an'ny fokon'i Manase zanak'i Josefa, dia i Haniela zanakalahin'i Efoda;
24 ho an'ny fokon'i Efraima zanak'i Josefa, dia i Kemoela zanakalahin'i Siftana;
25 ho an'ny fokon'i Zebolona, dia i Elitsafana zanakalahin'i Parnala;
26 ho an'ny fokon'i Jisakara, dia i Paltiela zanakalahin'i Hazana;
27 ho an'ny fokon'i Asera, dia i Ahihoda zanakalahin'i Selomy;
28 ho an'ny fokon'i Naftaly, dia i Pedahela zanakalahin'i Hamihoda.
29 Ireo no olona nodidian'ny TOMPO hisahana ny fizarana ny tany Kanahana ho an'ny Israelita.
Toko faha-35
1 Tao amin'ny lemak'i Moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jerikao ihany, no nitenenan'ny TOMPO tamin'i Mosesy mba hamepetra ny Israelita hoe:2 Aoka ianareo hanome tanana eo amin'ny zara tany fanananareo avy ho an'ny Levita mba honenany. Homenareo azy koa ny tany manodidina hiandrasany ny bibiny.
3 Ny tanana dia ho azy mba honenany, fa ny tany kosa ho an'ny biby fiompiny sy ny fitaovany ary ny bibiny hafa rehetra.
4 Koa ny tany manodidina ny tanana izay homenareo ny Levita dia dimanjato metatra miala avy eo amin'ny rindrin'ny tanana amin'ny lafiny efatra.
5 Handrefy faritra efamira ivelan'ny tanana ianareo ka arivo metatra ny lafiny atsinanana, arivo metatra ny lafiny atsimo, arivo metatra ny lafiny andrefana ary arivo metatra ny lafiny avaratra; dia ho eo anivon'io faritra io ny tanana. Izany no ho tanin'ny Levita manodidina ny tanana.
6 Ny tanana homenareo ny Levita dia ny tanana enina fialokalofana, izay hataonareo fandosiran'izay nahafaty olona, ary tanana hafa 42 ihany koa.
7 Ka ny fitambaran'ny tanana rehetra izay homenareo ny Levita dia 48, miaraka amin'ny tany manodidina hiandrasany ny bibiny.
8 Ary momba ireo tanana izay halainareo avy amin'ny tanin'ny Israelita, dia izay foko lehibe no hanalanareo maro kokoa, fa izay foko kely kosa dia hanalanareo vitsy kokoa; eny, samy hanome tanana ho an'ny Levita araka ny zara tany azony avy ny foko tsirairay.
9 Niteny tamin'i Mosesy indray ny TOMPO
10 mba hamepetra ny Israelita hoe: Rehefa tafita an'i Jordana ka tafiditra amin'ny tany Kanahana ianareo,
11 dia hifidy tanana izay hataonareo tanana fialokalofana, mba hialokalofan'izay nahafaty olona tsy nahy.
12 Ireo tanana ireo no ho fialokalofana mba hahafahanareo mandositra ny mpamaly faty; ka tsy ho faty izay nahafaty olona alohan'ny hisehoany fitsarana eo anatrehan'ny fiangonana.
13 Hisy tanana enina havahanareo ho fialokalofana,