Nomerỳ

Toko faha-32

40 Koa nomen'i Mosesy an'ireo taranak'i Makira zanakalahin'i Manase i Gilehada ary dia nipetraka tao ireo.

41 Mba lasa koa ny taranak'i Jairo zanakalahin'i Manase naka ny tanana madinika teo amin'ny Amorita ka nanome anarana azy hoe Havota-Jairo.

42 Ary lasa koa i Noba naka an'i Kenata sy ny tanana madinika manodidina ka niantso azy hoe Noba araka ny anarany ihany.

Toko faha-33

1 Ireto avy ny lalana nalehan'ny Israelita rehefa niala tany Ejipta teo ambany fitarihan'i Mosesy sy i Aharona izy.

2 Nomarihin'i Mosesy tsara ny toerana nasain'ny TOMPO nijanonany sy niaingany indray araka izao:

3 Niala teo Ramsesa ny Israelita tamin'ny volana voalohany, andro faha-19. Ny ampitson'ny andro Paska voalohany no niaingan'ny Israelita amin-kalalahana teo imason'ny Ejiptianina rehetra.

4 Mbola nandevina ny lahimatoany izay novonoin'ny TOMPO ho faty izy ireo: izany no nampiharan'ny TOMPO tamin'ny andriamaniny ny didy fanamelohana.

5 Niala teo Ramsesa ny Israelita, dia nitoby tao Sokota;

6 Niala teo Sokota, dia nitoby tao Etama manamorona ny taniefitra;

7 niala teo Etama, dia niverina tao Py-Hahirota tandrifin'i Bahala-Tsefona ka nitoby teo akaikin'i Migdola;

8 niala teo Py-Hahirota, dia namakivaky ny ranomasina mba hihazo ny taniefitra ary nandeha lalana telo andro tany an-taniefitra dia nitoby tao Mara.

9 Niala tao Mara ny Israelita, dia nankany Elima izay nisy loharano 12 sy foto-drofia fitopolo, ka nitoby tao;

10 niala tao Elima, dia nitoby teo akaikin'ny Ranomasin'ny Volotara;

11 niala teo amin'ny Ranomasin'ny Volotara, dia nitoby tao amin'ny taniefitra Sina;

12 niala teo an-taniefitr'i Sina, dia nitoby tao Dofka;

13 niala teo Dofka, dia nitoby tao Alosa;

14 niala teo Alosa, dia nitoby tao Refidima izay tsy nahitan'ny olona rano hosotroina.

15 Niala teo Refidima ny Israelita, dia nankany an-taniefitr'i Sinay;

16 niala teo an-taniefitr'i Sinay, dia nitoby tao Kibrota-Hataava;

17 niala teo Kibrota-Hataava, dia nitoby tao Hatserota;

18 niala teo Hatserota, dia nitoby tao Ritma;

19 niala teo Ritma, dia nitoby tao Rimona-Peretsa;

20 niala teo Rimona-Peretsa, dia nitoby tao Libna;

21 niala teo Libna, dia nitoby tao Risa.

22 niala teo Risa, dia nitoby tao Kehelata;

23 niala teo Kehelata, dia nitoby tao an-tendrombohitra Sefera;

24 niala teo an-tendrombohitra Sefera, dia nitoby tao Harada;

25 niala teo Harada, dia nitoby tao Makelota;

26 niala teo Makelota, dia nitoby tao Tahata;

27 niala teo Tahata, dia nitoby tao Tera;

28 niala teo Tera, dia nitoby tao Mitka;

29 niala teo Mitka, dia nitoby tao Hasmona;

30 niala teo Hasmona, dia nitoby tao Moserota;

31 niala teo Moserota, dia nitoby tao Bene-Jahakana;

32 niala teo Bene-Jahakana, dia nitoby tao Hora-Gidgada;

33 niala teo Hora-Gidgada, dia nitoby tao Jotbata;

34 niala teo Jotbata, dia nitoby tao Habrona;

35 niala teo Habrona, dia nitoby tao Hetsiona-Gebera;

36 niala teo Hetsiona-Gebera, dia nitoby tany an-taniefitr'i Tsina, izany hoe tao Kadesy;

37 ary niala teo Kadesy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hora, akaikin'ny sisin-tanin'i Edoma.

38 Araka ny didin'ny TOMPO, dia niakatra teo an-tendrombohitra Hora i Aharona mpisorona. Feno 123 taona izy no maty teo, tamin'ny andro voalohan'ny volana fahadimy, efapolo taona taorian'ny nialan'ny Israelita tany Ejipta.

40 Tamin'izany no nandrenesan'ny mpanjakan'i Harada, ilay Kanahanita izay nonina tany atsimon'i Kanahana, fa tonga ny Israelita.

41 Niala teo an-tendrombohitra Hora ny Israelita, dia nankany Tsalmona;

42 niala teo Tsalmona, dia nitoby tao Ponona;

43 niala teo Ponona; dia nitoby tao Obota;

44 niala teo Obota, dia nitoby tao Hije-Habarima tao amin'ny faritanin'i Moaba;

45 niala teo Hije-Habarima, dia nitoby tao Dibona-Gada;

46 niala teo Dibona-Gada, dia nitoby tao Halmona-Diblataima;

47 niala teo Halmona-Diblataima, dia nitoby tao an-tendrombohitra Habarima tandrifin'i Nebao;

48 niala teo an-tendrombohitra Habarima, dia nitoby tao amin'ny lemak'i Moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jerikao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9257