Nomerỳ

Toko faha-30

8 Raha rem-badiny izany nefa tsy notoheriny, dia manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataony.

9 Fa raha manda kosa ny lahy amin'ny andro andrenesany izany, dia foana avokoa ny voady sy ny fianianam-poana nataon'ny vavy; ary hamela azy ny TOMPO.

10 Fa ny voadin'ny vehivavy maty vady na nisara-panambadiana kosa dia mitoetra ara-dalana.

11 Kanefa ataovy hoe misy vehivavy mbola ao an-tranom-badiny no maningo-tena mivoady na mianiana.

12 Raha ren'ny lahy izany nefa tsy notoheriny na norarany, dia mitoetra ara-dalana ny voady amam-pianianana rehetra nataon-dravehivavy. 13 Fa raha manafoana kosa ny lahy amin'ny andro andrenesany izany, dia tsy manan-kery ny voady amam-pianianana nataon-dravehivavy. Hamela azy ny TOMPO satria nofoanan'ny vadiny ny voady nataony.

14 Ny voady na fianianana rehetra nataon'ny vavy mba hifady hanina dia ny vadiny irery ihany no mampanan-kery na mahafoana izany.

15 Fa raha tsy manohitra an-dravehivavy kosa ny lahy hatramin'ny ampitson'ny andro nandrenesany ny voady amam-pianianany, dia mampanan-kery izany. Ny tsy nanoherany an-dravehivavy tamin'ny andro nandrenesany no mampanan-kery izany.

16 Fa raha aorian'ny andro nandrenesany izany kosa ny lahy no hanapa-kevitra hanafoana izany, dia izy no hovesaran'ny heloky ny vadiny. 17 Ireo no lalana izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy momba ny voady ataon'ny vehivavy manambady na koa ataon'ny tovovavy mbola mipetraka ao an-tranon-drainy.

Toko faha-31

1 Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:

2 Faizo ny Midianita noho ny ratsy izay nataony tamin'ny Israelita; aorian'izany, dia ho faty tahaka ireo razanao ianao.

3 Ka hoy i Mosesy tamin'ny vahoaka: Aoka hivonon-kiatrika ady ny sasany aminareo ary hanafika ny Midianita hahatanteraka ny famaizan'ny TOMPO azy.

4 Mpiady arivo lahy isam-poko no halefanareo hiantafika.

5 Nisy arivo lahy isam-poko notsongaina tamin'ny foloalindahin'i Israely, dia roa arivo sy iray alina izay vonon-kiatrika ady.

6 Dia nalefan'i Mosesy hiantafika izy rehetra ireo niaraka tamin'i Pinehasa mpisorona sady zanakalahin'i Elehazara; i Pinehasa no nitondra ny fitaovana masina ary koa ny trompetra mpanainga hiady.

7 Dia nanafika ny Midianita araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy ireo, ka namono nahafaty ny lehilahy rehetra.

8 Matin'ny Israelita koa ny mpanjaka midianita dimy lahy, dia i Evy sy i Rekema, i Tsoro sy i Hora ary i Reba. Novonoiny ho faty tamin'ny sabatra ihany koa i Balahama zanakalahin'i Behora.

9 Nataony sambo-belona ny vehivavy sy ny zaza midianita; nobaboiny avokoa ny biby fiompy rehetra mbamin'ny omby aman'ondriny rehetra ary ny fananany rehetra.

10 Nodorany avokoa ny tanana rehetra nonenany sy nitobiany.

11 Dia nalainy avokoa izay rehetra nobaboiny na olona na biby,

12 ka nentiny tany amin'i Mosesy sy i Elehazara mpisorona ary ny fiangonana israelita teo an-toby tao amin'ny lemak'i Moaba, amoron'i Jordana tandrifin'i Jerikao.

13 Nivoaka nitsena azy teo ivelan'ny toby i Mosesy sy i Elehazara mpisorona ary ny filohan'ny fiangonana rehetra.

14 Tezitra tamin'ireo filohan'antokon-tafika sy filohan'andian-tafika izay avy nanafika i Mosesy,

15 ka niteny taminy hoe: Nahoana no navelanareo ho velona ny vehivavy rehetra?

16 Ireo ihany, noho ny torohevitr'i Balahama, no nahatonga ny Israelita hanao fahadisoana lehibe tamin'ny TOMPO, tamin'ilay raharahan'i Pehora, ka niavian'ny areti-mandringana teo amin'ny fiangonan'ny TOMPO.

17 Koa ankehitriny vonoy ho faty avokoa ny zaza lahy rehetra ary koa ny vehivavy rehetra efa nanambady.

18 Fa ny zazavavy rehetra mbola virijiny kosa dia velomy ka tano ho anareo.

19 Mitobia any ivelan'ny toby mandritra ny fito andro ianareo, dia ianareo izay nahafaty olona na nikasi-paty, ka samia midio amin'ny andro fahatelo sy fahafito, na ny tenanareo na ny zazavavy sambo-belonareo.

20 Diovy koa ny fitafianareo rehetra mbamin'ny fanaka rehetra vita hoditra na vita volon'osy na vita hazo.

21 Dia hoy i Elehazara mpisorona tamin'ny miaramila nandray anjara tamin'ny fanafihana: Izao no fepetran-dalana izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy:

22 Ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ny vy, ny vy fotsy ary ny firaka,

23 izany hoe ny zavatra rehetra mahatanty afo, dia sedrao amin'ny afo ho afa-doto, vao atsobohy ao amin'ny rano fanadiovana. Ary izay tsy mahatanty afo kosa dia atsobohy fotsiny ao anaty rano fanadiovana.

24 Sasao ny fitafianareo amin'ny andro fahafito, dia hadio ianareo ka hahazo miditra ao an-toby amin'izay.

25 Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:

26 Mandehana ianao sy i Elehazara mpisorona ary ny filoham-pianakaviana amin'ny fiangonana maka ny isan'ny voababo rehetra na olona izany na biby.

27 Zarao izany ka ny antsasany ho an'izay nandray anjara tamin'ny fanafihana ary ny antsasany ho an'ny fiangonana manontolo.

28 Hakanao hetra ho AHY anefa ny anjaran'ireo mpiantafika, dia olona iray isaky ny olona dimanjato ary biby iray isaky ny biby dimanjato raha omby na boriky na ondry na osy izany.

29 Halanao amin'ny anjaran'ny mpiantafika izany fanatitra ho AHY izany ka homenao an'i Elehazara mpisorona.

30 Ary ny anjaran'ny Israelita kosa dia hakanao olona iray isaky ny olona dimampolo ary biby iray isaky ny biby dimampolo raha omby na boriky na ondry na osy na koa biby hafa rehetra, ka homenao ny Levita izay miandraikitra ny fanompoana ao amin'ny Fonena-masina.

31 Dia nataon'i Mosesy sy i Elehazara mpisorona araka izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy izany.

32 Ny sisa tavela tamin'ireo babo azon'ny mpanafika dia ondry aman'osy 675000,

33 omby 72000,

34 boriky 61000,

35 ary vehivavy mbola virijiny 32000.

36 Ny antsasany anjaran'ny mpiantafika dia ondry aman'osy 337500,

37 ka ny 675 no hetra nalana ho an'ny TOMPO;

38 omby 36000 ka ny 72 ho an'ny TOMPO;

39 boriky 30500, ka ny 61 ho an'ny TOMPO;

40 olona 16000 ka ny 32 ho an'ny TOMPO.

41 Nomen'i Mosesy an'i Elehazara mpisorona ny hetra natao ho fanatitra ho an'ny TOMPO, araka izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.

42 Ny anjara nomena ny fiangonan'i Israely sisa dia mitovy amin'ny an'ny mpiantafika, izany hoe ondry aman'osy 337500,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9431