Nomerỳ
Toko faha-28
16 Ny andro faha-14, amin'ny volana voalohany isan-taona, no hankalazana ny fetin'ny Paska, ho voninahitry ny TOMPO.17 Ny andro faha-15 amin'io volana io ihany no hanombohan'ny andro fito izay hihinananareo ny mofo tsy misy leviora.
18 Amin'ny andro voalohany, dia hisy fivoriana masina, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo.
19 Ny hatolotrareo ho an'ny TOMPO, ho sakafo miendrika sorona dorana manontolo, dia izao: ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.
20 Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin'ny lafarinina nofetaina tamin'ny menaka, dia lafarinina sivy kilao isan'ombilahy, enina kilao isan'ondrilahy
21 ary telo kilao isan-janak'ondry.
22 Hanolotra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota, hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho anareo.
23 Hataonareo avokoa izany ho fanampin'ny sorona dorana manontolo isa-maraina tsy tapaka.
24 Isan'andro mandritra ny herinandro no hanaovanareo izany ho an'ny TOMPO, dia sakafo dorana hanetona ho hanitra hankasitrahiny ho fanampin'ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan'andro sy ny fanatitra divay momba azy.
25 Amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo.
26 Amin'ny andro Pentekosta, rehefa mitondra ny fanatitra voamaina vaovao ho an'ny TOMPO ianareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo.
27 Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo hanetona ho hanitra hankasitrahin'ny TOMPO dia izao: ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay samy herintaona avy.
28 Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin'ny lafarinina nofetaina tamin'ny menaka ka lafarinina sivy kilao isan'ombilahy, enina kilao isan'ondrilahy,
29 ary telo kilao isan-janak'ondry.
30 Hanolotra osilahy iray koa ianareo mba hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho anareo.
31 Hataonareo izany ho fanampin'ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan'andro mbamin'ny fanatitra lafarinina momba azy; ary biby tsy misy kilema no hatolotrareo miaraka amin'ny fanatitra divay momba azy.
Toko faha-29
1 Amin'ny andro voalohan'ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo fa andro fitsofana trompetra izany.2 Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo, ka hanetona ho hanitra hankasitrahin'ny TOMPO, dia izao: ombilahy iray sy ondrilahy iray avy ary zanak'ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.
3 Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin'ny lafarinina nofetaina tamin'ny menaka, ka lafarinina sivy kilao isan'ombilahy, enina kilao isan'ondrilahy
4 ary telo kilao isan-janak'ondry.
5 Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota, hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho anareo.
6 Hataonareo izany ho fanampin'ny sorona dorana manontolo isan'andro sy ny sorona dorana manontolo isaky ny andro voalohan'ny volana miaraka amin'ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy; ho sakafo dorana ho an'ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny.
7 Amin'ny andro fahafolon'ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo. Hifady hanina ianareo ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro.
8 Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo ho an'ny TOMPO, ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny, dia izao: ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.
9 Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin'ny lafarinina nofetaina tamin'ny menaka, ka lafarinina sivy kilao isan'ombilahy, enina kilao isan'ondrilahy
10 ary telo kilao isan-janak'ondry.
11 Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota. Hataonareo izany rehetra izany ho fanampin'ny sorona noho ny andro lehibe famelan-keloka sy ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan'andro ary ny fanatitra divay momba azy.
12 Ny andro faha-15 amin'ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanao andavanandro ianareo. Hanao fetim-piravoravoana ho voninahitry ny TOMPO mandritra ny herinandro ianareo.
13 Amin'ny andro voalohany, ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo ka hanetona ho hanitra hankasitrahin'ny TOMPO, dia izao: ombilahy 13 sy ondrilahy roa ary zanak'ondry 14 izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.
14 Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin'ny lafarinina nofetaina tamin'ny menaka, ka lafarinina sivy kilao isan'ombilahy, enina kilao isan'ondrilahy
15 ary telo kilao isan-janak'ondry.
16 Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota. Hataonareo izany ho fanampin'ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan'andro ary ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy.
17 Amin'ny andro faharoa ka hatramin'ny andro fahafito dia biby tsy misy kilema no hatolotrareo ho sorona dorana miaraka amin'ireo fanatitra mahazatra ho fanampin'ny sorona dorana isa-maraina. Ireto avy izany: amin'ny andro faharoa, dia ombilahy 12 sy ondrilahy roa sy zanak'ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray;
20 amin'ny andro fahatelo, dia ombilahy 11 sy ondrilahy roa sy zanak'ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray;
23 amin'ny andro fahefatra, dia ombilahy folo sy ondrilahy roa sy zanak'ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray;
26 amin'ny andro fahadimy, dia ombilahy sivy sy ondrilahy roa sy zanak'ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray;
29 amin'ny andro fahenina, dia ombilahy valo sy ondrilahy roa, sy zanak'ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray;
32 amin'ny andro fahafito, dia ombilahy fito sy ondrilahy roa sy zanak'ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray.
35 Ary amin'ny andro fahavalo, dia hisy fivoriana famaranana ny fetinareo, ka tsy hanao ny asa fanao andavanandro ianareo.
36 Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo, ka hanetona ho hanitra hankasitrahin'ny TOMPO, dia izao: ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.
37 Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin'ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy araka ny mahazatra.
38 Hanolotra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota. Hataonareo izany ho fanampin'ny sorona dorana manontolo isan'andro miaraka amin'ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy.
39 Ireo no sorona hatolotrareo ho an'ny TOMPO amin'ny andro fetinareo, afa-tsy izay hataonareo ho fanalam-boady sy fanati-tsitrapo na sorona dorana izany na fanatitra lafarinina sy divay na koa sorom-pihavanana.
Toko faha-30
1 Dia nolazain'i Mosesy tamin'ny Israelita izay rehetra nandidian'ny TOMPO azy.2 Niteny tamin'ireo filohan'ny foko israelita i Mosesy ka nampita izao baikon'ny TOMPO izao:
3 Raha misy lehilahy mivoady amin'ny TOMPO na mianiana hifady zavatra, dia tsy hitsoaka amin'ny teniny fa tsy maintsy hanatanteraka izay fampanantenana naloaky ny vavany izy.
4 Ataovy hoe misy tovovavy mbola miara-mipetraka amin-drainy ka maningo-tena mivoady na mianiana amin'ny TOMPO.
5 Raha ren-drainy izany voady na fianianana izany, nefa tsy notoheriny, dia manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataon'ilay tovovavy.
6 Fa raha manda kosa ny rainy amin'ny andro andrenesany izany, dia tsy manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataony. Hamela an'ilay tovovavy ny TOMPO, satria efa nanda izany ny rainy.
7 Ataovy indray hoe kosa misy tovovavy maningo-tena mivoady na mianiana foana tsy amim-piheverana, kanefa manambady aty aoriana.