Nomerỳ
Toko faha-26
54 Ny foko izay maro an'isa dia homenao zaratany lehibe kokoa, fa izay vitsy kosa dia homenao kelikely kokoa; arakaraka ny isany ihany no hanomezanao ny zaratany.55 Antsapaka anefa no hizarana ny tany, na dia araka ny habetsahan'ny olona isam-poko, aza.
56 Antsapaka izany no hanapahana izay faritra homena ny foko maro an'isa sy ny foko vitsy an'isa.
57 Toy izao no voaisa ho taranak'i Levy, araka ny tarika tao aminy: ny Gersonita avy tamin'i Gersona; ny Kehatita avy tamin'i Kehata; ny Merarita avy tamin'i Merary.
58 Toy izao ny fianakaviambe levita: ny Libnita sy ny Hebronita, ny Mahalita sy ny Mosita ary ny Korahita. I Kehata no niteraka an'i Hamrama
59 izay nanambady an'i Jokebeda zanakavavy naterak'i Levy tany Ejipta. Io Jokebeda io no nanome zanaka telo an'i Hamrama dia i Aharona sy i Mosesy mirahalahy ary i Miriama anabaviny.
60 I Aharona dia niteraka an'i Nadaba sy i Abiho ary i Elehazara sy i Itamara.
61 Fa i Nadaba sy i Abiho dia maty, fony nandoro vovo-javamanitra tsy sahaza teo anatrehan'ny TOMPO.
62 Ny fitambaran'ny lehilahy levita rehetra nihoatra ny iray volana dia 23000. Tsy niara-natao fanisana tamin'ny Israelita izy, satria tsy mba nomena zaratany teo anivon'ny Israelita.
63 Ireo no vokatry ny fanisam-bahoaka nataon'i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tamin'ny Israelita tao amin'ny lemak'i Moaba, amoron'i Jordana tandrifin'i Jerikao.
64 Tamin'izy ireo dia tsy nahitana na iray aza tamin'izay efa voaisan'i Mosesy sy i Aharona mpisorona tamin'ny fanisam-bahoaka natao tamin'ny Israelita tany an-taniefitr'i Sinay,
65 satria ny TOMPO efa nilaza fa ho faty any an-taniefitra ireo. Koa tsy nisy niangana tamin'ireo, afa-tsy i Kaleba zanakalahin'i Jefone ary i Josoa zanakalahin'i Nona.
Toko faha-27
1 Nisy ireo zanakavavin'i Tselofehada, zanakalahin'i Hefera sy zafin'i Gilehada, ary zafiafin'i Makira sy zafindohalik'i Manase; ireo vehivavy ireo, izay avy tamin'ny fokon'i Manase zanak'i Josefa, dia i Mahala sy i Noha, i Hogla sy i Milka ary i Tiritsa.2 Niseho tamin'i Mosesy sy i Elehazara mpisorona ary ny tompon'andraikitra sy ny fiangonana manontolo teo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana izy ireo, ka nanao hoe:
3 Maty tany an-taniefitra ny rainay, nefa tsy mba isan'ny tarik'i Kora izay niara-nioko hiodina tamin'ny TOMPO; fa matin'ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.
4 Koa rariny ve raha ho very anarana eo amin'ny tarika misy azy ny rainay, na dia tsy mba nanan-janakalahy aza? Mba omeo zaratany ho fanananay ary izahay tahaka ny natao ho an'ny ireo rahalahin-drainay!
5 Nentin'i Mosesy teo amin'ny TOMPO ny fitarainan'izy dimy mirahavavy.
6 Ary niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe:
7 Marina ny an'ireo zanakavavin'i Tselofehada, koa omeo zaratany ho fananany tahaka ireo rahalahin-drainy tokoa izy ka afindrao aminy ny anjaran-drainy.
8 Ary hiteny amin'ny Israelita ianao ka hanao hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy nanan-janakalahy, dia ny zanany vavy no hamindranareo ny zara taniny.
9 Fa raha tsy manan-janakavavy kosa izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny zara taniny.
10 Raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny lovany.
11 Ary raha tsy manan-drahalahin-dray izy, dia ny havany akaiky azy indrindra ao amin'ny tarika misy azy no homenareo ny zara taniny, ka dia izy no handova izany. Ho fomba fanao hitondrana ny Israelita izany, araka izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.
12 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: Miakara eo an-tampon'io tendrombohitra Habarima io, ka tazano ny tany izay omeko ny Israelita.
13 Ary rehefa hitanao izany, dia ho faty tahaka an'i Aharona rahalahinao koa ianao.
14 Fa tsy nankato ny didiko ianareo mirahalahy tany an-taniefitr'i Tsina, raha nila ady tamiko ny fiangonana; tsy naneho ny fahamasinako teo anatrehany manko ianareo, fony nitaky rano tamiko izy. Ny amin'ny ranon'i Meriba tany Kadesy, tao an-taniefitr'i Tsina, no lazaina etoana.
15 Dia niteny tamin'ny TOMPO i Mosesy hoe:
16 TOMPO Andriamanitra o, aoka Ianao mpanome aina ny voaary rehetra no hanendry lehilahy anankiray izay afaka hitondra ny fiangonana
17 sy hitarika azy amin'ny toe-javatra rehetra, mba tsy ho toy ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonanao.
18 Dia hoy ny TOMPO namaly an'i Mosesy: Alao i Josoa zanakalahin'i Nona fa lehilahy itoeran'ny Fanahiko. Izy no hametrahanao tanana,
19 ary hoentinao eo anatrehan'i Elehazara mpisorona sy ny fiangonana manontolo ka hotokananao handimby anao eo imason'izy ireo.
20 Anomezo anjara azy ny voninahitrao mba hankatoavan'ny Israelita rehetra azy.
21 Izy kosa hiseho eo amin'i Elehazara mpisorona, izay hangataka ho azy eo anatrehako ny tinapaky ny Orima. Avy amin'izany no hitarihany ny Israelita rehetra, dia ny fiangonana manontolo, amin'ny toe-javatra rehetra.
22 Nataon'i Mosesy araka izay efa nandidian'ny TOMPO azy izany. Dia naka an'i Josoa izy ka nentiny teo anatrehan'i Elehazara mpisorona sy ny fiangonana manontolo.
23 Ary rehefa nametra-tanana tamin'i Josoa i Mosesy, dia nanokana azy ho dimbiny, araka ny voalazan'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Mosesy.
Toko faha-28
1 Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO mba hamepetra ny Israelita hoe:2 Aoka hotandremanareo ny hanolotra ho an'ny TOMPO, amin'ny fotoana voafetra, ireo fanatitra ho Azy, dia ny sakafo izay hodorana ka hanetona ho hanitra ankasitrahiny.
3 Izao no sakafo dorana izay hatolotrareo ho an'ny TOMPO isan'andro: zanak'ondry roa izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema. Ho sorona dorana manontolo tsy tapaka ho Azy izany.
4 Ny zanak'ondry voalohany dia hatolotra ny maraina ary ny faharoa kosa ny hariva,
5 miaraka amin'ny lafarinina tsara toto telo kilao nofetaina tamin'ny menaka madio iray litatra sy tapany.
6 Io sorona dorana manontolo isan'andro tsy tapaka io dia araka izay natao tany an-tendrombohitra Sinay; ho sakafo dorana ho an'ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra ankasitrahiny.
7 Io zanak'ondry voalohany io dia hampiarahina amin'ny fanatitra araraka, izany hoe divay iray litatra sy tapany izay hatolotra ho an'ny TOMPO ao amin'ny Toeramasina.
8 Ny zanak'ondry faharoa kosa dia hatolotra ho an'ny TOMPO amin'ny hariva, ka hampiarahina amin'ireo fanatitra lafarinina sy divay toy ny tamin'ny maraina; ho sakafo dorana ho an'ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny.
9 Amin'ny andro sabata kosa dia izao no hatolotra: zanak'ondry roa izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema sy lafarinina tsara toto enina kilao nofetaina tamin'ny menaka mbamin'ny fanatitra divay momba azy.
10 Sorona dorana manontolo atolotra isan-tsabata izany ho fanampin'ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan'andro sy ny fanatitra divay momba azy.
11 Amin'ny andro voalohany isam-bolana, dia ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema no hatolotra ho sorona dorana manontolo ho an'ny TOMPO.
12 Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin'ny lafarinina tsara toto nofetaina tamin'ny menaka, dia lafarinina sivy kilao isan'ombilahy, lafarinina enina kilao isan'ondrilahy,
13 ary lafarinina telo kilao isan-janak'ondry. Sorona dorana manontolo hanetona ho hanitra hankasitrahin'ny TOMPO izany.
14 Ny fanatitra araraka momba izany kosa dia divay telo litatra isan'ombilahy, divay roa litatra isan'ondrilahy ary iray litatra sy tapany isan-janak'ondry. Izany no sorona hatao isaky ny andro voalohan'ny volana, amin'ny volana rehetra mandritra ny taona.
15 Hanolotra osilahy iray koa ho an'ny TOMPO ianareo ho sorona fanalana ny ota, ho fanampin'ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan'andro sy ny fanatitra divay momba azy.