Jakôba
Toko faha-2
24 Hitanareo ary fa nahazo ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra ny olona, noho ny asa fa tsy noho ny finoana fotsiny ihany.25 Toy izay koa i Rahaba vehivavy janga: nahazo ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra izy noho ny asa nataony, fony izy nampiantrano ireo iraka israelita ary nampandeha azy tamin'ny lalan-kafa.
26 Eny, maty ny vatantena raha tsy misy fofonaina, ary maty toy izany koa ny finoana raha tsy omban'asa.
Toko faha-3
1 Ry havako, aza dia maro loatra no te ho mpampianatra, satria fantatrareo fa hotsaraina mafy kokoa izahay mpampianatra.2 Eny, diso amin'ny zavatra maro isika rehetra; fa raha misy olona tsy diso mihitsy amin'ny teny, dia tanteraka izy, ka mahafehy ny tenany manontolo koa.
3 Asiantsika lamboridy ny vavan-tsoavaly mba hanoavan'ny soavaly antsika; ary dia voataritsika ny tenany manontolo.
4 Jereo koa ny sambo: na lehibe aza ireny ka entin'ny rivotra mahery, dia voatariky ny fanamory kely hankany amin'izay itiavan'ny mpanamory hitondrana azy.
5 Dia toy izany koa ny lela: kely izy eo amin'ireo zavatra anisan'ny tena, nefa mirehaka ho mahefa zava-baventy. Saino fa pitik'afo tsy toy inona dia afa-mampirehitra alabe.
6 Tahaka ny afo ny lela: manjary fototry ny faharatsiana tsy hita lany izy eo anivon'ireo zavatra anisan'ny tenantsika; mandoto ny tenantsika manontolo izy, ka sady mandrehitra afo eo amin'ny fizotran'ny fiainantsika no arehitry ny afo avy amin'ny lohasahan'afo.
7 Folahin'ny olombelona daholo ny karazam-bibidia sy ny karazam-borona mbamin'ny biby mandady amin'ny tany sy ny zavamananaina any an-dranomasina, ary dia voafolany avokoa.
8 Fa tsy misy olombelona na iray aza efa nahafolaka ny lela: zava-dratsy saro-pehezina ny lela sady feno poizina mahafaty.
9 Izy no ankalazantsika an'ilay Tompo sady Ray, ary izy koa no anozonantsika ny olona izay noarina araka ny endrik'Andriamanitra:
10 vava iray ihany no ivoahan'ny teny fankalazana sy fanozonana. Ry havako, tsy mety ny toy izany!
11 Misy ve vavan-doharano manao indray mamoaka rano mamy sy rano mangidy?
12 Ny aviavy ve, ry havako, mety hamoa oliva, na ny voaloboka hamoa aviavy? Koa ny loharano masira tsy mety hanome rano mamy.
13 Misy hendry sy manan-tsaina ve aminareo? Aoka hasehony amin'ny fitondrantena tsara fa ny halemem-panahy, vokatry ny fahendrena, no manenika ny asa ataony.
14 Raha misy fialonana mangidy sy fifampiandaniana ao am-ponareo, dia aza mirehareha ianareo ary aza mandainga manohitra ny marina.
15 Izany fahendrena izany dia tsy avy any ambony fa araka ny ety an-tany sy araka ny maha olombelona ary avy amin'ny demony;
16 satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin'ny asa ratsy isan-karazany.
17 Fa ny fahendrena avy any ambony dia voalohany indrindra madio, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora ifampiraharahana, be famindrampo sady mahavokatra asa soa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.
18 Izay mampanjaka fihavanana dia mamafy amim-pihavanana, ary dia ny rariny no vokatra azony.
Toko faha-4
1 Avy aiza moa ireo ady sy fifandirana eo aminareo? Ny fototr'ireny dia ny filandratsinareo, filandratsy izay miady ao amin'ny tenanareo.2 Mitsiriritra zavatra ianareo nefa tsy mahazo, dia mamono olona; maniry mafy hanan-javatra ianareo nefa tsy afaka manana, dia mifanditra sy miady. Tsy manana ianareo, satria tsy mangataka amin'Andriamanitra;
3 mangataka amin'Andriamanitra ianareo nefa tsy mahazo, satria ratsy fangataka: izay hiaranan'ny filandratsinareo no angatahinareo.
4 Olona mivadika amin'Andriamanitra ianareo! Tsy fantatrareo ve fa izay misakaiza amin'izao tontolo izao dia fahavalon'Andriamanitra? Koa na iza na iza te ho sakaizan'izao tontolo izao, dia mampahatonga ny tenany ho fahavalon'Andriamanitra.
5 Aza heverinareo fa tsy misy antony ny tenin'ny Soratra Masina hoe: Feno faniriana mirehidrehitra ny fanahy izay napetrak'Andriamanitra ao anatintsika.
6 Manome antsika fahasoavana lehibe lavitra anefa Andriamanitra, satria hoy ny Soratra Masina: Toherin'Andriamanitra ny mpiavonavona, fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena.
7 Koa maneke an'Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra lavitra anareo izy.
8 Manatona an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Sasao ny tananareo, ry mpanota; ary diovy ny fonareo, ry mpiroa fo.
9 Malahelova, mitomania ary midradradradra; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo ary hody alahelo ny fifalianareo.
10 Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.
11 Aza mifanaratsy, ry havana! Izay manaratsy ny havana iray finoana na manameloka azy dia sady manaratsy no manameloka ny lalana. Ka raha manameloka ny lalana ianao, dia tsy mpanatanteraka ny lalana fa mpitsara azy.
12 Andriamanitra anefa no hany mpanome ny lalana sady mpitsara; Izy no hany mahavonjy sy mahavery. Fa iza kosa ianao no manameloka ny namanao?
13 Mihainoa ahy izao ianareo manao hoe: Anio na rahampitso dia hankany Ananona izahay, handany iray taona any ka hivarotra sy hahazo vola.
14 Tsy fantatrareo izay hanjo ny ainareo rahampitso! Toy ny etona kely miserana vetivety ianareo, avy eo dia manjavona.
15 Aleo ianareo manao hoe: Raha sitrapon'ny Tompo ka velona aina, dia hataonay izao na izatsy;
16 fa izao ianareo dia sahy mirehareha sy mandoka tena; ratsy avokoa ny fireharehana toy izany.
17 Koa izay mahalala ny tsara tokony hatao nefa tsy manao, dia manota.
Toko faha-5
1 Mihaino ahy izao ianareo mpanankarena! Mitomania sy mitolokoa noho ny loza midona aminareo.2 Ny harenareo efa lo ary ny fitafianareo efa lanin'ny kadradraka.
3 Ny volamena sy volafotsinareo efa harafesina, ary ny harafesiny dia vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo toy ny afo. Izao efa andro farany izao no nanangonanareo harena.
4 Tsy voaloanareo akory ny karaman'ireo mpiasa nijinja ny taninareo, ka mitaraina ireo; ary ny fitarainan'ireo mpijinja dia efa mby ao an-tsofin'ny Tompon'izao rehetra izao.
5 Niampoka ny soa sady niliba ianareo fahavelonareo tety an-tany, ka dia efa nanatavy tena mba hajedaka amin'ny andro voatendry.
6 Nohelohinareo ny olo-marina sady novonoinareo, nefa tsy manohitra anareo.
7 Koa mahareta tsara ary, ry havana, mandra-piavin'ny Tompo. Jereo ny mpamboly miandry amim-paharetana izay vokatra sarobidy havoakan'ny tany, ka maharitra mandra-pahazony ny oram-pararano sy ny oran-dohataona.
8 Mahareta koa ianareo; aoka ho feno herimpo, fa efa mby akaiky ny fiavian'ny Tompo.
9 Aza mifampimonomonona ianareo, ry havana, mba tsy hanamelohan'Andriamanitra anareo. Indro ny mpitsara efa mijoro eo am-baravarana.
10 Ry havana, aoka ireo mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no hataonareo filamatry ny fifandeferana sy faharetana.
11 Indro ataontsika hoe sambatra izay manam-paharetana. Efa renareo ny faharetan'i Joba, ary fantatrareo izay nataon'ny Tompo ho azy tamin'ny farany, satria be fiantra sy be indrafo ny Tompo.
12 Ary indrindra indrindra, ry havako, aza mianiana mihitsy ianareo, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'ny zavatra hafa; fa aoka hanao eny ianareo rehefa manaiky, ary hanao tsia rehefa manda, fandrao hihatra aminareo ny fanamelohan'Andriamanitra.