Jakôba

Toko voalohany

1 Avy amiko Jakoba ity taratasy ity, dia izaho mpanompon'Andriamanitra sady mpanompon'i Jesoa Kristy Tompo. Miarahaba anareo vahoakan'Andriamanitra rehetra miely patrana eran-tany aho.

2 Ry havako, ataovy ho tretrika tokoa ny tenanareo raha ifandafaran'ny fitsapana samihafa;

3 satria fantatrareo fa ny fisedrana ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

4 Ary aoka ny faharetanareo homban'asa tanteraka mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo, ka tsy ho orin-javatra na amin'inona na amin'inona.

5 Kanefa raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, dia aoka izy hangataka amin'Andriamanitra fa homeny; satria manome malalaka ho an'ny olona rehetra Andriamanitra sady tsy mba mandatsa.

6 Tsy maintsy mino tsara anefa izy rehefa mangataka, fa tsy hiahanahana; satria izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina tsofin'ny rivotra sy atopatopany.

7 Aoka tsy hanampo handray zavatra avy amin'ny Tompo ny olona toy izany,

8 fa miroa saina sady mivadibadika amin'ny fiaimpiainany rehetra.

9 Aoka Andriamanitra manandratra azy no hataon'ny havana mahantra ho reharehany;

10 ary aoka Andriamanitra mampietry azy no hataon'ny havana mpanankarena ho reharehany, satria hihelina toy ny vonin'ireo ahitra eny an-tsaha ny mpanankarena.

11 Eny, niposaka ny masoandro omban'ny hafanana migaingaina, dia nampalazo ny ahitra; ka nihintsana ny voniny ary levona ny hatsaran-tarehiny. Dia toy izany koa ny mpanankarena: ho levona eo anivon'ny lahasany izy.

12 Sambatra ny olona izay maharitra ny fitsapana; fa rehefa voasedran'izany izy, dia ny fiainana efa nampanantenain'Andriamanitra ireo tia Azy no horaisiny ho satroboninahi-pandresena.

13 Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; satria tsy mba mety alaim-panahy hanao ratsy Andriamanitra sady tsy mba maka fanahy olona.

14 Fa samy alaim-panahy ny olona, rehefa mitaona azy sy mitady hamandrika azy ny filandratsiny;

15 ka rehefa eken'ny olona ny filandratsy, dia miteraka ota; ary rehefa mahazo bahana tanteraka ny ota, dia miteraka fahafatesana ara-panahy.

16 Aza mamita-tena, ry havako malala:

17 ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana lavorary rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin'Andriamanitra Ray, mpahary ny fanazavana eny amin'ny habakabaka, Ilay tsy manam-piovaovana ary tsy misy aloka avy amin'ny fihodinana.

18 Sitrapon'Andriamanitra Ray no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santa-bokatra atolotra Azy eo amin'ny samy zavaboaariny isika.

19 Efa fantatrareo izany, ry havako malala; kanefa aoka ny isam-batan'olona samy ho dodona hihaino fa tsy ho maimaika hiteny na halaky tezitra,

20 satria ny olona tezitra tsy mahefa izay marina soritan'Andriamanitra.

21 Noho izany, ario avokoa ny fahalotoana sy ny haratsiam-panahy rehetra; raiso amin'ny fahalemem-panahy ny teny ambolen'Andriamanitra ao anatinareo sady mahavonjy ny tenanareo.

22 Aoka ianareo ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny, ka mamita-tena.

23 Satria raha misy olona mpihaino ny teny, nefa tsy mpanatanteraka, dia tahaka ny mijery ny tarehiny ao anaty fitaratra:

24 eny, mahita ny tena endriny izy, dia lasa ka hadinony miaraka amin'izay ny toe-tarehiny.

25 Fa izay fatra-pandinika ny lalana lavorary, dia ny lalana mitondra fahafahana, ka maharitra amin'izany ary tsy ho mpihaino manadino fa mpanatanteraka an'asa, dia ho sambatra izy amin'izay asa tanterahiny.

26 Raha misy manao ny tenany ho mpivavaka saingy tsy mahafehy ny lelany, dia mamita-tena ka zava-poana ny fivavahan'izany olona izany.

27 Fa amin'Andriamanitra Ray ny fivavahana madio sy tsy misy tsiny dia izao: ny miahy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriana mahazo azy ary ny miaro tena tsy ho voapentimpentin'izao tontolo izao.

Toko faha-2

1 Ry havako, noho ianareo mino ny Tompontsika, izany hoe i Jesoa Kristy be voninahitra, dia aoka ianareo mba tsy hijery tavan'olona.

2 Fa misy ohatra olona miperatra volamena sady manao akanjo marevaka miditra ao am-piangonanareo, ary misy mahantra ratsy akanjo miditra ao koa.

3 Dia hajahajainareo ery ilay olona miakanjo marevaka sady ataonareo hoe: Etsy amin'ny toeram-boninahitra ianao mipetraka, azafady; fa ilay mahantra kosa ataonareo hoe: Mijorojoroa eo ianao, na eto an-tongotro mipetraka.

4 Raha izany no izy, dia manavakavaka ianareo; ary sain-dratsy no entinareo manombantombana.

5 Mihainoa, ry havako malala: ireo mahantra eto amin'izao tontolo izao no efa nofidin'Andriamanitra, mba hanan-karena amin'ny finoana ka handray ny Fanjakana izay nampanantenainy homena ireo tia Azy.

6 Fa ianareo kosa, manao tsinontsinona ny mahantra! Moa tsy ny mpanankarena ve no mampahory anareo sy mitarika anareo ho eo amin'ny fitsarana?

7 Ireo no manevateva ilay anarana soa nomen'Andriamanitra anareo.

8 Tsara ny ataonareo raha tanterahinareo ilay lalana momba ny Fanjakan'Andriamanitra, araka ny Soratra Masina manao hoe: Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.

9 Kanefa raha mijery tavan'olona ianareo, dia manota sady mpandika ny lalana ka melohiny.

10 Satria izay diso amin'ny lalana anankiray monja, na dia mitandrina ny lalana hafa rehetra aza, dia meloka amin'izy rehetra.

11 Eny, ilay Andriamanitra nanao hoe: Aza maka vadin'olona, no nanao koa hoe: Aza mamono olona. Ka raha tahiny tsy maka vadin'olona ianao, nefa mamono olona, dia mpandika ny lalana ianao.

12 Aoka ianareo hiteny sy hiasa toy ny olona mbola hotsarain'ny lalana mitondra fahafahana;

13 satria fitsarana tsy misy indrafo no hataon'Andriamanitra amin'izay tsy namindra fo; ny famindrampo kosa afa-mirehareha tsy matahotra ny fitsarana.

14 Ry havako, inona moa no soa azon'ny olona milaza azy ho manam-pinoana, raha tsy miseho amin'ny asa izany? Mahavonjy azy ve izany finoana izany?

15 Raha tahiny misy havana iray finoana tsy manan-kitafy sady tsy ampy sakafo,

16 dia inona moa no soa azonareo milaza aminy hoe: Veloma finaritra, manaova mafana tsara, manaova voky tsara, raha tsy mba omenareo azy izay ilain'ny tenany?

17 Toy izany kosa ary ny finoana: raha misy tsy miseho amin'ny asa, dia maty mihitsy.

18 Nefa raha misy manao hoe: Ny anao finoana, fa ny ahy asa, dia hovaliako hoe: Asehoy ahy izay finoanao tsy omban'asa, fa hasehoko anao amin'ny asa kosa ny finoako.

19 Inoanao ve fa misy Andriamanitra tokana? Tsara ny ataonao. Mba mino izany koa anefa ireo demony ka mangovitra.

20 Ry adala, tianao ve ny hahafantatra fa tsy vanona ny finoana tsy omban'asa?

21 Ahoana moa no nahazoan'i Abrahama razantsika ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra? Noho ny asa nataon'i Abrahama, fony izy nanolotra an'i Itsehaka zanany lahy teo ambonin'ny alitara.

22 Hitanao fa indray mientana ny azy ny finoana sy ny asa; ary tonga lavorary ny finoan'i Abrahama noho ny asa nombany azy.

23 Koa tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Nino an'Andriamanitra i Abrahama, ka nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina izany; ary dia nantsoin'Andriamanitra hoe sakaizany izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9162