Efesianina

Toko voalohany

11 Tafaray amin'i Kristy izahay ka tonga anjara lovan'Andriamanitra; satria natokany rahateo izahay, fa izany no fandaharan'Ilay manao ny zavatra rehetra araka izay efa nokasain'ny sitrapony.

12 Hideranay an'Andriamanitra be voninahitra anie izany, satria izahay no nanantena voalohany an'i Kristy.

13 Tafaray amin'i Kristy koa ianareo, satria efa renareo ilay hafatra marim-pototra, izany hoe ny Vaovao Mahafaly izay nitondra ny famonjena taminareo, ary efa ninoanareo i Kristy. Ka dia nasiana tombokase maha fananan'Andriamanitra ianareo, tamin'ny nanomezana anareo ny Fanahy Masina Izay nampanantenaina.

14 Io Fanahy Masina io no antoka hahazoantsika ny lova natokan'Andriamanitra ho an'ny vahoakany, mba hahatanteraka ny fanavotana ireo olona natao mba ho fananan'Andriamanitra, hiderantsika ny voninahitr'Andriamanitra izany!

15 Noho izany, rehefa nandre ny finoanareo an'i Jesoa Tompo sy ny fitiavanareo ny vahoakan'Andriamanitra rehetra aho,

16 dia tsy mitsahatra misaotra an'Andriamanitra noho ny aminareo. Mahatsiaro anareo aho amin'ny fivavahako

17 ka mangataka amin'ilay Andriamanitr'i Jesoa Kristy Tompontsika, dia amin'ilay Ray be voninahitra, mba hanomezany anareo ny Fanahy Masina Izay mampahendry anareo sy manambara an'Andriamanitra aminareo ka hahalalanareo Azy tokoa.

18 Mangataka aho ny hanokafan'Andriamanitra ny sainareo handray ny fahazavany: mba hahafantaranareo ny fanantenana niantsoan'Andriamanitra anareo; sy hahafantaranareo ny haren'ny voninahiny ary ny lova izay natokany ho an'ny vahoakany;

19 ary hahafantaranareo ny hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa izay anasoavany antsika mpino, araka ny fiasany tsy hay tohaina sy mahery vaika.

20 Izany hery izany dia nampiasain'Andriamanitra tamin'ny nananganany an'i Kristy ho velona avy tany amin'ny maty ary tamin'ny nampipetrahany Azy eo ankavanany any an-danitra.

21 Any i Kristy dia ambony lavitra noho ny fanapahana sy fahefana ary hery sy fanjakana rehetra eny ana habakabaka; any Izy ambony lavitra noho ny anaram-boninahitra rehetra azo tononina tsy amin'izao fiainana izao ihany fa amin'ny ho avy koa.

22 Fa napetrak'Andriamanitra eo ambany tongotr'i Kristy ny zavatra rehetra; ary i Kristy dia nomen'Andriamanitra ny Fiangonana ho Filoha faratampony.

23 Ny Fiangonana no tenan'i Kristy sady heniky ny hafenoana omen'i Kristy Izay manerana ny zavatra rehetra hatraiza hatraiza.

Toko faha-2

1 Fahiny ianareo dia maty ara-panahy noho ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.

2 Niaina araka ny fomban'izao tontolo izao ianareo; narahinareo ilay mpanapaka ny fahefana mifehy eny amin'ny rivotra, dia ilay fanahy izay miasa ankehitriny ao amin'ireo olona tsy manaiky an'Andriamanitra.

3 Izahay rehetra koa dia anisan'ireo olona ireo, fa nanao fitondrantena araka ny filandratsin'ny maha olona mpanota izahay fahiny ka nanao izay danin'ny kibo sy saim-pantatra. Noho izany toetranay izany, dia natao hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra tahaka ny hafa koa izahay.

4 Kanefa lehibe tokoa ny famindrampon'Andriamanitra, satria fatratra ny fitiavana asehony amintsika;

5 ka fony mbola maty ara-panahy isika noho ny fahadisoantsika, dia novelominy indray niaraka tamin'i Kristy. Fahasoavan'Andriamanitra no namonjena anareo!

6 Fa noho isika efa tafaray amin'i Kristy Jesoa, dia niara-natsangan'Andriamanitra ho velona isika sy niara-napetrany any an-danitra.

7 Nataony izany mba hanehoany amin'ny andro ho avy rehetra ny harem-pahasoavany mihoa-pampana, satria mora fo tamintsika Izy tao amin'i Kristy Jesoa.

8 Eny, fahasoavan'Andriamanitra no namonjena anareo, tamin'ny alalan'ny finoana! Ary tsy avy aminareo izany famonjena izany, fa fanomezan'Andriamanitra;

9 tsy vokatry ny ezaka vita, fandrao hisy hirehareha.

10 Fa asan'Andriamanitra isika; Izy no nahary antsika ho tafaray amin'i Kristy Jesoa, mba hanao asa tsara izay voaoman'Andriamanitra rahateo hotontosaintsika amin'ny fiainantsika.

11 Ianareo izay hafa firenena, dia ianareo antsoin'ny Jiosy hoe tsy voafora, fa izy ireo miantso ny tenany hoe voafora (ilazana famantarana ataon'ny olona amin'ny nofony) , tsarovy izay nanjo anareo fahiny:

12 lavitra an'i Kristy ianareo tamin'izany andro izany; tsy mba navela ho anisan'ilay firenena Israely voafidin'Andriamanitra; tsy mba tao anatin'ireo fanekempihavanana izay niorina tamin'ny fampanantenan'Andriamanitra; velona teto amin'izao tontolo izao ianareo, kanefa sady tsy nanan-kantenaina no tsy nanana an'Andriamanitra.

13 Fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny dia efa tonga akaiky, noho ny ra nafoin'i Kristy.

14 Satria i Kristy mihitsy no nampihavana antsika roa tonta, ka nahatonga ny Jiosy sy ny hafa firenena ho iray; fa tamin'ny nanoloran'i Kristy ny tenany, dia narodany ny rindrina izay nampisaraka antsika sy nahatonga antsika hifankahala.

15 Nofoanan'i Kristy ny lalana jiosy mbamin'ny didy amam-pitsipiny mba hampiraisany antsika roa tonta amin'ny tenany ka hanaovany antsika ho olom-baovao tokana: toy izany no ahavitan'i Kristy fampihavanana.

16 Ny nahafatesany teo amin'ny hazofijaliana dia nanafoana ny fifankahalana, ka nanambatra antsika roa tonta ho tena iray ihany sady nampihavana antsika tamin'Andriamanitra.

17 Izany no nahatongavan'i Kristy nitory Vaovao Mahafaly fampihavanana taminareo hafa firenena izay lavitra an'Andriamanitra sy taminay Jiosy izay akaiky Azy.

18 Koa dia amin'ny alalan'i Kristy no ahazoantsika roa tonta manatona an'Andriamanitra Ray noho ny asan'ny Fanahy Masina iray ihany.

19 Noho izany, tsy olon-ko azy na vahiny intsony ianareo hafa firenena, fa iray zo sy andraikitra amin'ny vahoakan'Andriamanitra sady anisan'ny ankohonan'Andriamanitra.

20 Taotrano najoron'Andriamanitra ianareo, ka ny fanorenana dia ny apostoly sy ny mpaminany; ary i Kristy Jesoa mihitsy no vato fehizoro.

21 Ao amin'i Kristy no azo antoka ho mafy ny taotrano manontolo ka misondrotra hatrany mba ho tonga tempoly masina ao amin'ny Tompo.

22 Ao amin'i Kristy koa no arafitra miaraka aminay ianareo mba ho tonga trano fonenan'Andriamanitra noho ny asan'ny Fanahy Masina.

Toko faha-3

1 Noho izany izaho Paoly, izay migadra noho ny amin'i Kristy Jesoa hanasoavana anareo hafa firenena, dia mangataka amin'Andriamanitra ho anareo.

2 Matoky aho fa efa renareo ny andraikitra tontosaiko aminareo, noho ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy.

3 Fanambarana avy tamin'Andriamanitra no nahalalako ny tsiambaratelony. (Efa nisy voasoratro fohifohy ihany momba izany tetsy aloha,

4 ka raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahalalako ilay tsiambaratelo momba an'i Kristy.)

5 Tsy mbola nampahafantarina ny olombelona izany tsiambaratelo izany tamin'ny andro lasa; fa ireo apostoly sy mpaminany voatokana ho an'Andriamanitra kosa no nanambarana azy ankehitriny noho ny asan'ny Fanahy Masina.

6 Izao ary izany tsiambaratelo izany: amin'ny alalan'ny Vaovao Mahafaly, ny hafa firenena dia natao hitambatra amin'ny Jiosy ka hiara-mandova ny zava-tsoa natokan'Andriamanitra ho an'ny vahoakany, sy ho tena iray ihany ary hiombona anjara amin'ny fampanantenan'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesoa.

7 Tonga mpanompon'ny Vaovao Mahafaly aho noho ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy maimaimpoana, araka ny fiasan'ny heriny.

8 Kely noho izay bitika indrindra amin'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra aho, kanefa nomen'Andriamanitra izany tombon-tsoa izany: dia ny hitory amin'ny hafa firenena ny Vaovao Mahafaly momba ny haren'i Kristy tsy hita lany,

9 ary ny hampahazava amin'ny olona rehetra ny fomba hanatanterahan'Andriamanitra ny tsiambaratelony. Hatrizay hatrizay dia voaafina tao amin'Andriamanitra Mpahary ny zavatra rehetra, izany tsiambaratelo izany;

10 fa ankehitriny kosa naseho tamin'ny alalan'ny Fiangonana izany, ka tonga fantatr'ireo fanapahana sy ny fahefana eny ana habakabaka ny fahendren'Andriamanitra, dia fahendrena mahefa zavatra tsy tambo isaina.

11 Izany rahateo no fandaharana hatrizay hatrizay ka notanterahin'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Kristy Jesoa Tompontsika.

12 Ary isika efa tafaray amin'i Kristy dia manana ny fahasahiana manatona an'Andriamanitra amim-pahatokiana, noho ny finoana niainan'i Kristy.

13 Koa izany no angatahako anareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriana manjo ahy hanasoavana anareo, fa misy vokany be voninahitra ho anareo izany.

14 Noho izany no andohalehako eo anatrehan'Andriamanitra Ray,

15 Izay antom-pisian'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9595