Galatianina
Toko faha-5
5 Isika kosa dia matoky fa Andriamanitra no mahatonga antsika ho marina eo imasony; izany no andrasantsika ho vokatry ny finoantsika noho ny asan'ny Fanahy Masina.6 Fa ho an'izay tafaray amin'i Kristy Jesoa, tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora no tena zavatra fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.
7 Efa tsara fiainga ianareo teo am-pihazakazahana; ka iza indray no misakana anareo tsy ho voataonan'ny zavatra marim-pototra?
8 Izany fitaomana anareo hiato izany dia tsy avy amin'ilay Andriamanitra miantso anareo.
9 Leviora kely foana dia mampibohaka ny koba manontolo, hoy ny ohabolana.
10 Kanefa izaho dia omen'ny Tompo toky momba anareo fa tsy hanan-kevitra hafa noho ny ahy ianareo; saingy ilay mpanakorontana anareo, na zovy na zovy izy, dia hiharan'ny fanamelohan'Andriamanitra.
11 Izaho kosa, ry havana, raha mbola mitory tokoa hoe ilaina ny famorana, ahoana indray no mbola anenjehana ahy? Raha izany, dia foana ilay fanafintohinana ateraky ny hazofijalian'i Kristy.
12 Enga anie ka hanakilema ny tenany mihitsy aza ireo mpanabataba anareo!
13 Fa ianareo, ry havana, dia efa nantsoina ho amin'ny fahafahana; saingy tsy hoe ilay fahafahana hahazoana manao izay sitraky ny maha olona mpanota, fa aoka hifanompo ianareo amin'ny alalan'ny fitiavana.
14 Satria ny lalana manontolo dia tanteraka amin'ny didy tokana hoe: Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao!
15 Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao hifandringana.
16 Izao kosa no teniko: mandehana araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy hahatanteraka ny fanirian'ny maha olona mpanota.
17 Fa ny maha olona mpanota dia manam-paniriana manohitra ny fanirian'ny Fanahy Masina; ary ny Fanahy Masina dia manam-paniriana manohitra ny maha olona mpanota: mifanohitra izy roroa, hany ka tsy izay zavatra sitrakareo no ataonareo.
18 Kanefa raha tarihin'ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy fehezin'ny lalana intsony.
19 Fa miharihary ny asan'ny maha olona mpanota, dia ireto: fijangajangana, fahalotoana, fihetsika tsy maotina,
20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fifankahalana, adiady, fahatezerana, fiafonafonana, fifandrafiana, fisarahana, fitokotokoana,
21 fialonana, fidorohana, fihinanam-be loatra, sy ny mitovy amin'izany. Ary lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao toy izany dia tsy hanana anjara amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.
22 Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky,
23 fahalemem-panahy, fahononam-po: tsy misy lalana manohitra ny toy izany.
24 Ireo voatokana ho an'i Kristy Jesoa dia efa nanombo teo amin'ny hazofijaliana ilay maha olona mpanota azy ireo mbamin'ny filandratsiny amam-paniriany.
25 Raha ny Fanahy Masina tokoa no manome aina antsika, dia aoka hizotra araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina koa isika;
26 fa aoka tsy ho be rehaka foana hifampihaika sy hifampialona.
Toko faha-6
1 Ry havana, raha misy olona sendra latsaka amin'ny hadisoana, dia aoka ianareo izay manana ny Fanahy Masina hanarina azy amim-pahalemem-panahy; ary aoka hitandrin-tena koa ianao fandrao voataona amin'ny ratsy.2 Mifampitondra izay mahavesatra, fa izany no hahatanterahanareo ny lalanan'i Kristy.
3 Eny, raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamita-tena izy;
4 fa samia mandinika ny asany avy, ka ny amin'ny tenany ihany no hahazoany mirehareha fa tsy ny amin'ny olon-kafa,
5 satria samy hitondra ny anjara entany avy ny tsirairay.
6 Aoka izay ampianarina ny tenin'Andriamanitra mba hanome ampahany amin'ny fananany rehetra ho an'izay mampianatra azy.
7 Aza mety hofitahina ianareo. Tsy azo vazivazina Andriamanitra, fa izay afafin'ny olona ihany no hojinjainy:
8 eny, izay mamafy ny sitraky ny maha olona mpanota, dia hijinja fahaverezana avy amin'ny maha olona mpanota; fa izay mamafy ny sitraky ny Fanahy Masina, dia hijinja fiaina-maharitra mandrakizay avy amin'ny Fanahy Masina.
9 Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika, satria hijinja amin'ny fotoanandro isika raha tsy kivy.
10 Koa dieny mbola manana andro isika, dia aoka hanao soa amin'ny olona rehetra, fa indrindra amin'ny mpianakavin'ny finoana.
11 Jereo amin'ny havaventin'ny soratra fa tanako mihitsy no anoratako ho anareo izao.
12 Izay rehetra te hiseho ho tsara araka ny maha olombelona, dia ireo no manery anareo hoforana; nefa noho izao antony izao ihany: mba tsy hanenjehana azy noho ny hazofijalian'i Kristy.
13 Fa na dia ny tenan'izy voafora aza tsy mitandrina ny lalana; kanefa tiany hoforana ianareo, mba hireharehany amin'ny fampiharana izany amin'ny vatanareo.
14 Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazofijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika: fa tamin'ny alalan'ny hazofijaliany no efa maty izao tontolo izao raha ny amiko, ary izaho kosa efa maty raha ny amin'izao tontolo izao.
15 Tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora manko no tena zavatra, fa ny maha olom-baovao.
16 Ary fiadanana sy famindrampo avy amin'Andriamanitra no ao amin'izay rehetra hanaraka io fitsipika io, izany hoe ao amin'ilay Israely vahoakan'Andriamanitra.
17 Amin'ny ho avy, aoka tsy hisy olona hanahirana ahy intsony; fa izaho dia mitondra ny diam-pery eo amin'ny tenako noho ny maha mpanompon'i Jesoa ahy.
18 Homba anareo anie, ry havana, ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika! Amen.
Efesianina
Toko voalohany
1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apostolin'i Kristy Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra. Mamangy anareo aty Efeso aho, dia ianareo vahoakan'Andriamanitra sady mpino tafaray amin'i Kristy Jesoa.2 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!
3 Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin'ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin'i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra.
4 Tsy mbola nahary ny tontolo Izy, dia efa nifidy antsika hiray amin'i Kristy; ka ho masina sady tsy hisy tsiny eo anatrehan'Andriamanitra isika. Noho ny fitiavany antsika,
5 dia natokan'Andriamanitra isika mba ho Azy, mba ho tonga zanany amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, fa izany no safidin'ny sitrapony.
6 Hiderantsika an'Andriamanitra anie ny fahasoavana mamirapiratra izay nomeny antsika maimaimpoana ao amin'ilay Zanany malalany.
7 Ny ra nafoin-Janany no nahazoantsika ny fanavotana, dia ny famelana ny hadisoantsika. Izany no nanehoan'Andriamanitra ny harem-pahasoavany,
8 izay natosany be dia be tamintsika ka nahazoantsika fahendrena amam-pahalalana feno.
9 Dia nampahafantarin'Andriamanitra antsika ilay tsiambaratelon'ny sitrapony, araka ny safidy noheveriny hotontosaina ao amin'ny Zanany.
10 Eny, hotanterahiny mandra-pahatongan'ny fotoanandro farany izany tsiambaratelo izany: dia ny hampivondrona ny zavatra rehetra, ny any an-danitra sy ny eto an-tany, ao amin'i Kristy Filoha tokana.