1 Kôrintianina
Toko faha-14
37 Raha misy mihambo ho mpilaza hafatra avy amin'Andriamanitra na mpanana fanomezana avy amin'ny Fanahy Masina, dia aoka ho fantany tsara fa didin'ny Tompo izao soratako aminareo izao.38 Fa raha misy tsy miraharaha izany, dia tsy miraharaha azy ny Tompo.
39 Koa amin'izany, ry havako, irio mafy ny hilaza hafatra avy amin'Andriamanitra, saingy aza rarana ny miteny amin'ny fiteny tsy fantatra.
40 Aoka hatao amim-pahamendrehana sy filaminana avokoa ny zavatra rehetra.
Toko faha-15
1 Tiako hampahatsiahivina anareo, ry havako, ilay Vaovao Mahafaly izay notoriko taminareo ka noraisinareo sady ifikiranareo.2 Izany Vaovao Mahafaly izany no amonjena anareo koa, raha tananareo araka ny nitoriako azy; raha tsy izany kosa dia ninonino foana ianareo.
3 Izao no fampianarana isan'ny voalohany indrindra voaraiko ary nampitaiko taminareo: i Kristy dia maty ho fanalana ny fahotantsika araka ny voalazan'ny Soratra Masina,
4 nalevina, nitsangana velona tamin'ny andro fahatelo araka ny voalazan'ny Soratra Masina,
5 ary niseho tamin'i Petera, vao tamin'ny 12 lahy.
6 Manaraka izany, dia mpianany mihoatra ny 500 no indray nisehoany: mbola velona mandraka androany ny ankamaroany amin'ireo, fa ny sasany ihany no efa nodimandry.
7 Taorian'izay, dia nisehoany koa i Jakoba, vao ny apostoly rehetra.
8 Ary faran'izy rehetra, mba nisehoany koa aho, izay toy ny zaza tsy tonga volana.
9 Raha izaho manko dia faraidiny amin'ny samy apostoly, ka tsy mendrika hantsoina hoe apostoly satria efa nanenjika ny Fiangonan'Andriamanitra.
10 Saingy ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy, ary tsy very maina tao amiko ny fahasoavana nomena ahy; fa niasa mihoatra noho ny apostoly rehetra aho, kanefa tsy izaho, fa ilay fahasoavan'Andriamanitra niaraka tamiko.
11 koa izany ary no torinay, na izaho na ry zareo; ary izany no efa ninoanareo.
12 Raha i Kristy no torinay fa nitsangana velona avy tany amin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany aminareo fa tsy hitsangana velona ny maty?
13 Fa raha tsy hitsangana velona ny maty, na dia i Kristy aza dia tsy ho nitsangana velona mihitsy;
14 ary raha tsy nitsangana velona i Kristy, dia tsy misy fotony izay torinay, ary tsy misy fotony izay inoanareo?
15 Ary dia hita fa vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria lainga no nanambaranay fa Andriamanitra dia nanangana an'i Kristy ho velona: na dia Andriamanitra aza tsy ho nanangana an'i Kristy ho velona, raha marina fa tsy mitsangana velona ny maty.
16 Eny, raha marina fa tsy mitsangana velona ny maty, na dia i Kristy aza dia tsy ho nitsangana velona.
17 Ary raha tsy nitsangana velona i Kristy, dia foana ny finoanareo ary mbola tavela ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo.
18 Ary dia very koa izay efa nodimandry ka nino an'i Kristy.
19 Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia faran'izay mahonena isika amin'ny olon-drehetra.
20 Efa nitsangana velona avy tany amin'ny maty tokoa anefa i Kristy, santatra ho an'ireo nodimandry.
21 Ary satria olona iray no niavin'ny fahafatesana, dia olona iray ihany koa no iavian'ny fitsanganan'ny maty.
22 Eny, toy ny ahafatesan'ny olona rehetra noho izy tafaray amin'i Adama, no ahaveloman'ny olona rehetra noho izy tafaray amin'i Kristy,
23 saingy manaraka ny filaharany avy: i Kristy no santatra, vao ireo voatokana ho an'i Kristy amin'ny fotoana hiavian'i Kristy.
24 Aorian'izany, dia ho tonga ny farany: hofoanan'i Kristy avokoa ireo fanapahana sy fahefana ary hery manohitra Azy, ka hatolony an'ilay Andriamanitra sady Ray ny Fanjakana.
25 Satria tsy maintsy manjaka i Kristy, ary hataon'Andriamanitra eo ambany tongotr'i Kristy avokoa ireo fahavalo rehetra.
26 Ny fahavalo farany hofoanana dia ny fahafatesana,
27 fa hoy ny Soratra Masina hoe: Ny zavatra rehetra dia nampaneken'Andriamanitra ho eo ambanin'ny tongony. Kanefa raha ny Soratra Masina milaza hoe: Nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia miharihary fa tsy mba isan'izany Andriamanitra Izay nampanaiky an'i Kristy ny zavatra rehetra.
28 Ary rehefa nampaneken'Andriamanitra an'i Kristy ny zavatra rehetra, na Izy Zanaka ihany koa aza dia hanaiky an'Andriamanitra Izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra; hany ka ho zavatra rehetra amin'ny olona rehetra Andriamanitra.
29 Raha tsy izany, inona no tadiavin'ireo olona atao batisa misolo ny maty? Raha tsy mitsangana velona mihitsy ny maty, ahoana ireo olona ireo no atao batisa misolo azy ireny?
30 Ary izahay koa, ahoana no dia anaovany vy very ny ainay lalandava izao?
31 Ry havako, hila ho faty isan'andro vaky aho: lazaiko marina aminareo izany satria ianareo no reharehako ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika.
32 Raha araka izay hevitr'olombelona fotsiny no niaretako fanenjehana mafy teto Efeso, soa inona no azoko tamin'izany? Raha tsy mitsangana velona ny maty, dia aoka hihinana sy hisotro isika, fa ho faty rahampitso.
33 Aoka tsy ho voafitaka ianareo, fa mamohehatra ny toetra tsara ny namana tsy valahara.
34 Samia tonga saina araka ny tokony ho izy, ka aza manota intsony. Misy manko aminareo tsy mahalala an'Andriamanitra akory: ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.
35 Kanefa hisy hanontany hoe: Fomba ahoana no hitsanganan'ny maty ho velona? Toy inona ny tenan-javatra hananany?
36 Izato hadalanao! Maty aloha ny voa afafinao, vao velona indray.
37 Voa fotsiny ihany no afafinao, akotry na masomboly hafa, fa tsy ny tenan'izay vao hitsiry.
38 Andriamanitra kosa, araka izay tiany, no manome tena ilay nafafy; ary ny voa afafy rehetra dia omeny tena tandrify ny karazany avy.
39 Tsy mitovy nofo ny zavamananaina rehetra mitafy nofo: hafa ny an'ny olombelona, hafa ny an'ny biby, hafa ny an'ny vorona, ary hafa ny an'ny trondro.
40 Misy koa tenan-javatra eny amin'ny habakabaka, ary misy tenan-javatra ety an-tany; hafa ny famirapiratan'ireo tenan-javatra eny amin'ny habakabaka, ary hafa ny famirapiratan'ny tenan-javatra ety an-tany;
41 hafa ny famirapiratan'ny masoandro, hafa ny famirapiratan'ny volana, ary hafa ny famirapiratan'ny kintana; ary, na ny kintana anankiroa aza, dia samy hafa ny famirapiratany.
42 Dia ho toy izany koa rehefa hitsangana velona ny maty: vatana mety lo no afafy, fa vatana tsy mety lo intsony no hitsangana velona;
43 vatana mahonena no afafy, fa vatana be voninahitra no hitsangana velona; vatana malemy no afafy, fa vatana mahery no hitsangana velona;
44 vatana manana aina no afafy, fa vatana anjakan'ny Fanahy Masina no hitsangana ho velona. Eny, misy vatana manana aina, ary misy ny vatana anjakan'ny Fanahy Masina;
45 araka izany koa no voalazan'ny Soratra Masina hoe: I Adama, ilay olona voalohany, dia natao manana aina, fa ilay Adama farany kosa natao feno Fanahy mahavelona.
46 Kanefa tsy izay anjakan'ny Fanahy Masina no tonga mialoha fa izay manana aina; taoriana vao tonga izay anjakan'ny Fanahy Masina.