Asan'ny Apôstôly

Toko faha-28

12 Tody tao Sirakoza izahay ary nitoetra telo andro tao.

13 Avy eo izahay, dia nanara-morona ka tafapaka hatrany Rezioma. Nifofofofo ny rivotra avy any atsimo ny ampitson'iny, ka dia tratranay indroa andro ny seranan'i Potioly.

14 Tao amin'io tanana io dia nahitanay havana iray finoana izay niangavy anay hitoetra ao aminy mandritra ny fito andro. Dia toy izany no nandrosoanay nankany Roma.

15 Efa nahazo vaovao momba anay ny havana iray finoana tao Roma, ka tamy nitsena anay hatreny an-Tsenan'i Apio sy hatreny Antranotelombahiny. Nony nahita azy rehetra i Paoly, dia velom-pisaorana an'Andriamanitra sady nahazo toky.

16 Rehefa tonga tao Roma izahay, dia nahazo lalana hitoetra mitokana i Paoly, saingy miaraka amina miaramila anankiray miambina azy.

17 Nony afaka telo andro, dia nampiantsoin'i Paoly ny Jiosy lohandohany tao Roma. Rehefa tafangona izy rehetra, dia hoy i Paoly taminy: Ry rahalahy, tsy nisy ratsy nataoko ny firenentsika, na fandikako ny fomban-drazantsika. Kanefa dia nosamborina aho tany Jerosalema ary natolotra teo an-tanan'ny Romanina.

18 Namotopototra ahy ny Romanina ka saika nandefa ahy, satria tsy nahita antony hanamelohana ahy ho faty.

19 Notoherin'ny Jiosy izany, ka dia voatery aho nampakatra ny raharaha tamin'ny amperora romanina, kanefa tsy misy amiko mihitsy izay hoe hiampanga ny fireneko.

20 Izany ary no nangatahako hahita anareo sy hiresaka aminareo, satria mifatotra amin'ity gadra ity aho noho ny amin'Ilay antenain'ny vahoaka Israely.

21 Dia hoy ry zareo taminy: Tsy nisy taratasy momba anao, azonay avy any Jodea; ary tsy nisy koa rahalahy avy any mba nandrenesana ny aminao na niteny ratsy anao.

22 Fa sitrakay ny handre izay fiheveranao, satria fantatray fa toherin'ny olona hatraiza hatraiza izany antokom-pivavahana misy anao izany.

23 Dia nanao fotoana tamin'i Paoly ireo, ka nihamaro ny tonga tamin'ny andro voatendry, tao amin'ny trano nitoerany. Hatramin'ny maraina ka mandra-paharivan'ny andro, dia nanao famelabelarana i Paoly; vavolombelona nanambara ny Fanjakan'Andriamanitra izy ary niezaka nandresy lahatra azy ireo momba an'i Jesoa, tamin'ny teny notsoahany avy amin'ny lalanan'i Mosesy sy ny bokin'ny mpaminany.

24 Ny sasany dia resy lahatry ny teny nataony, fa ny sasany kosa tsy nety nino.

25 Tsy nifanara-tsaina ry zareo ka dia nirava taorian'ny teny indraim-bava nataon'i Paoly hoe: Rariny izay nampilazain'ny Fanahy Masina an'i Isaia mpaminany tamin'ny razanareo

26 hoe: Mandehana ka izao lazaina amin'ity vahoaka ity: Hihaino dia hihaino ianareo fa tsy hahafantatra ary hijery dia hijery fa tsy hahita,

27 satria nihamafy fo ity vahoaka ity, nihadonto sofina, ary nanakimpy maso; fandrao ny masony hahita, ny sofiny handre, ary ny fony hahafantatra, ka hiverina amiko sy hositraniko ity vahoaka ity, hoy ny Tompo Andriamanitra!

28 Dia nofaranan'i Paoly: Aoka ho fantatrareo fa izany tenim-pamonjena avy amin'Andriamanitra izany dia efa nampitondraina ho any amin'ny hafa firenena ka izy ireo dia hihaino.

29 Nony voalazan'i Paoly izany teny izany, dia lasa ny Jiosy ka niady hevitra fatratra.]

30 Nitoetra roa taona ngarangidina tao an-trano nohofany i Paoly, ka nandray izay rehetra tonga hihaona aminy.

31 Nitory ny Fanjakan'Andriamanitra izy ary nampianatra momba an'i Jesoa Kristy Tompo tamim-pahasahiana tokoa sady tsy nisy fisakantsakanana.

Rômanina

Toko voalohany

1 Avy amiko Paoly mpanompon'i Kristy Jesoa ity taratasy ity, dia izaho nantsoin'Andriamanitra ho apostoly, ary natokany mba hampahafantatra ny Vaovao Mahafaly avy aminy.

2 Ao amin'ny Soratra Masina no efa nampanantenain'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany io Vaovao Mahafaly io:

3 dia ny amin'ny Zanany, i Jesoa Kristy Tompontsika. Araka ny maha olombelona, dia avy amin'ny taranak'i Davida mpanjaka i Jesoa;

4 araka ny Fanahy Masina kosa, dia naharihary tamin-kery fa Zanak'Andriamanitra fony Izy tafatsangana velona avy tany amin'ny maty.

5 Tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy no nandraisanay tombon-tsoa maha apostoly ho voninahitr'i Kristy, mba hitarihanay ny firenen-drehetra hino sy hanaiky Azy.

6 Ary ianareo, voaantson'Andriamanitra mba hatokana ho an'i Kristy, dia isan'ireny olona notarihinay ireny koa.

7 Mamangy anareo aty Roma aho, dia ianareo rehetra malalan'Andriamanitra sy nantsoiny ho vahoakany. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

8 Voalohany indrindra dia velom-pisaorana an'ilay Andriamanitro aho amin'ny alalan'i Jesoa Kristy noho ny aminareo rehetra, satria re laza eran-tany ny finoanareo.

9 Vavolombeloko Andriamanitra, dia Ilay tompoiko amin'ny foko tokoa amin'ny fanambarana ny Vaovao Mahafaly momba ny Zanany; eny, vavolombeloko Andriamanitra fa mahatsiaro anareo lalandava aho

10 rehefa mivavaka, sady mitalaho tsy an-kijanona mba ho sitrak'Andriamanitra ny hamela ahy ho tody soa aman-tsara aty aminareo.

11 Iriko dia iriko tokoa ny hahita tava anareo hahazoako mampita aminareo fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina, mba hankahery anareo

12 na ho mba hiarahantsika mifampirisika eo anivonareo amin'ny finoana iombonantsika.

13 Tiako ho fantatrareo, ry havana, fa matetika aho no manam-pikasana hankaty aminareo, saingy azon-tsampona ihany hatramin'izao. Te hahazo voka-tsoa eto aminareo koa manko aho toy ny tany amin'ny firenena sasany.

14 Saingy ananako adidy avokoa na ny Grika na ny firenen-kafa, na ny manam-pahaizana na ny tsy nahita fianarana;

15 hany ka maika ery aho hanambara ny Vaovao Mahafaly aminareo aty Roma koa.

16 Fa tsy menatra ny Vaovao Mahafaly aho, satria io no herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena.

17 Eny, asehon'ny Vaovao Mahafaly fa ny aneken'Andriamanitra ny olona ho marina dia ny finoana, hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany, araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Ny olo-marina noho ny finoana dia ho velona.

18 Efa anehoan'Andriamanitra ny fahatezerany avy any an-danitra ny olona, satria tsy manaja an'Andriamanitra ary manao ny tsy rariny amin'ny namana; ka noho ny asa ratsin'ny olona, dia voasarona ilay Andriamanitra tena Izy.

19 Fa miharihary amin'ny olona ny tokony ho fantany momba an'Andriamanitra taminy.

20 Eny, tsy hita maso Andriamanitra. Nefa hatramin'ny nahariany an'izao rehetra izao, dia eo ny asany mampahafantatra Azy, mampibaribary fa mahery hatrizay hatrizay Izy ary Andriamanitra tokoa. Hany ka tsy afa-tsiny eo anatrehan'Andriamanitra ny olona.

21 Nahalala an'Andriamanitra tokoa izy ireo, saingy tsy nanolotra ny voninahitra sy ny saotra tandrify Azy. Fa zavatra diso no nanjary nosaintsaininy, ary tonga maizina ny fony donto.

22 Nilaza ho hendry ny olona, nefa tonga adala.

23 Ilay Andriamanitra be voninahitra sy tsy mety levona nosoloany sarin-javatra mety levona, dia sary mampiseho olona, vorona, biby mandeha tongotra efatra na biby mikisaka.

24 Izany no nanoloran'Andriamanitra ny olona ho andevozin'ny filan'ny fony, ka handotoany tena amin'ny tsy fanao mahavoafady.

25 Ny lainga no nasolony an'ilay Andriamanitra tena Izy, zavaboaary no nohajainy sy notompoiny ho solon'ny Mpahary Izay ankalazaina mandrakizay. Amen!

26 Izany no nanoloran'Andriamanitra ny olona ho andevozin'ny filandratsy mahavoafady. Ka ny vehivavy ao aminy dia manova ny fanao amin'ny vadiny ary zavatra mifanohitra amin'izany no ataony;

27 toy izany koa ny lehilahy ao aminy dia mandao ny fanao amin'ny vadiny, ary manjary maimay mifampila samy lehilahy sady mifanala baraka tena, hany ka mandray ny sazy mendrika ny hadalany.

28 Nataon'ny olona ho tsinontsinona ny mahalala an'Andriamanitra, ka izany no nanoloran'Andriamanitra azy hoentin'ny sainy mibirioka, mba ho voatarika hanao ny tsy tokony hatao:

29 ka dia tonga feno izao tsy rariny, haratsiana, fitiavan-karena sy halozana isan-karazany izao; tonga mpialona, mpamono olona, mpihantsy ady, mpamitaka, mpanao otri-po, mpanely tsaho;

30 tonga mpanaratsy olona, mpankahala an'Andriamanitra, entin-kambo dia toerana, mpirehareha, mpiavonavona, mpamoron-dratsy, tsy manaiky ray aman-dreny,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9745