Asan'ny Apôstôly

Toko faha-11

3 nataony hoe: Dia olona tsy voafora ve no niantranoanao sy niarahanao nisakafo?

4 Fa notantarain'i Petera tamin'ny an-tsipiriany hatrany am-boalohany izay nitranga, ka hoy izy tamin'ireo mpino jiosy:

5 Tao an-tananan'i Jopa aho, ary sendra nivavaka indrindra no nisehoam-pahitana mahavariana. Nisy zavatra nidina avy any an-danitra: toa lamba lehibe voatana amin'ny zorony efatra, nalatsaka avy any ary tonga teo akaikiko.

6 Nijery tsara sy nandinika ny tao anatiny aho, ka nahita ny biby mandeha tongotra efatra, ny bibidia, ny biby mikisaka amin'ny tany ary ny voro-manidina.

7 Dia nisy feo henoko nanao tamiko hoe: Mitsangana, ry Petera; mamonoa ka mihinana!

8 Ary novaliako hoe: Sanatria, Tompoko! Tsy mbola nisy mihitsy zavatra fady na maloto niditra ny vavako.

9 Dia mbola heno indray ilay feo avy any an-danitra nanao hoe: Izay efa nambaran'Andriamanitra fa madio, dia aza ataonao ho fady.

10 Intelo niverina izany, dia nakarina manontolo tany an-danitra indray ilay zavatra.

11 Tamin'izany fotoana izany indrindra dia indreo nisy olona telo lahy tonga tao amin'ilay trano nitoerako: iraka avy any Kesaria hankaty amiko.

12 Dia nitenenan'ny Fanahy Masina aho mba tsy hisalasala ny hiaraka aminy. Tafaraka tamiko tany koa ireto havana mpino enina nentiko eto aminareo ireto, ary niditra tao an-tranon'i Kornely izahay.

13 Dia notantarain'i Kornely ny fomba nahitany tao an-trano anjely anankiray izay nanao taminy hoe: Maniraha lehilahy any Jopa haka an'i Simona, izay antsoina koa hoe Petera.

14 Hitondra teny hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra izy.

15 Vao nanomboka niteny aho, dia efa nilatsaka tamin'izy rehetra ny Fanahy Masina tahaka ny nilatsahany tamintsika tany am-boalohany koa.

16 Tsaroako tamin'izay ilay tenin'ny Tompo hoe: I Johany dia nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina.

17 Notoloran'Andriamanitra ny fanomezany isika rehefa nino an'i Jesoa Kristy Tompo; koa raha notoloran'Andriamanitra fanomezana mitovy amin'ny antsika ireo hafa firenena, dia iza moa aho no ho afa-manohitra an'Andriamanitra?

18 Nony nandre izany ireo mpino jiosy, dia nitony ary nanome voninahitra an'Andriamanitra ka nanao hoe: Marina fa nomen'Andriamanitra ny hafa firenena ihany koa ny hiala amin'ny toe-dratsy mba hahazoany fiainana.

19 Niely patrana ny mpino noho ilay fanenjehana nitranga taorian'ny namonoana an'i Stefana. Ny sasany dia tonga hatrany Fenisia sy hatrany Sipra ary hatrany Antiokia, nefa tsy nitory ny tenin'Andriamanitra afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany.

20 Nisy ihany mpino sasantsasany avy any Sipra sy avy any Sirena izay tonga tany Antiokia ka niteny tamin'ireo Grika koa, ary nanambara ny Vaovao Mahafaly momba an'i Jesoa Tompo.

21 Nomban'ny herin'ny Tompo izy rehetra ka marobe ny olona nino sy nitodika tamin'ny Tompo.

22 Nandre ny lazan'izany ny Fiangonana tany Jerosalema, ka naniraka an'i Barnaba hankany Antiokia.

23 Hafaliana ny azy nony tonga tany ka nahita ny vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra; ary nananatra azy rehetra i Barnaba mba tsy hiroa fo fa haharitra hiombona amin'ny Tompo.

24 Lehilahy tsara fanahy i Barnaba, sady feno Fanahy Masina sy vontom-pinoana, ka vahoaka maro no niandany tamin'ny Tompo.

25 Ary lasa i Barnaba naka an'i Saoly tany Tarsa.

26 Rehefa hitany izy, dia nentiny nankany Antiokia. Nandany herintaona ngarangidina tao amin'io Fiangonana io izy roa lahy ary nampianatra vahoaka maro. Tao Antiokia no voalohany niantsoana ny mpianatra hoe kristianina.

27 Tamin'izany andro izany, dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.

28 Isan'ireo i Hagabo izay notsilovin'ny Fanahy Masina ka nijoro nilaza fa hisy mosary be eran'ny tany tontolo. (Dia nitranga tokoa izany tamin'ny andron'i Klaody amperora).

29 Nanapa-kevitra ny mpianatra tao Antiokia fa samy hanome araka izay nanambinana azy avy mba halefa hanampiana ireo havana iray finoana nonina tany Jodea.

30 Dia nataony izany ka nampitondrainy an'i Barnaba mbamin'i Saoly ho any amin'ny loholom-piangonana tany Jodea.

Toko faha-12

1 Tamin'izany fotoana izany, dia nasain'i Heroda mpanjaka nosamborina ny olona sasantsasany anisan'ny Fiangonana mba hampahorina.

2 Novonoiny tamin'ny sabatra i Jakoba rahalahin'i Johany;

3 ka nony hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nosamboriny koa i Petera. (Andro fankalazana ny Azima indrindra tamin'izay.)

4 Rehefa voasambotr'i Heroda i Petera, dia nataony am-ponja; andia-miaramila efatra, misy miaramila efatra avy, no nasain'ity mpanjaka niandraikitra ny fiambenana azy. Nokasain'i Heroda hotsaraina imasom-bahoaka manko izy aorian'ny Paska.

5 Voatana tao am-ponja ary i Petera, fa ny Fiangonana kosa nivavaka mafy tamin'Andriamanitra ho azy.

6 Ny alina mialoha ny hitsaran'i Heroda azy ampahibemaso, dia natory teo anelanelana miaramila roa lahy i Petera. Voafatotra gadra vy anankiroa izy, ary teo am-baravaran'ny fonja dia efa nasiana mpiambina.

7 Dia indro nisy anjelin'ny Tompo tonga teo, ary namirapiratry ny hazavana tao amin'ilay efitry ny fonja. Notohinin'ilay anjely teo amin'ny tehezany i Petera, dia nofohaziny ka nataony hoe: Mitsangana faingana! Nilatsaka ho azy ny gadra tamin'ny tanan'i Petera.

8 Dia hoy ilay anjely taminy: Misikina ary anaovy ny kapa. Dia nataon'i Petera izany. Ary hoy koa ilay anjely taminy: Tafio ny lambanao ary manaraha ahy.

9 Dia niala tao am-ponja nanaraka an'ilay anjely i Petera. Saingy tsy fantany ho zavatra tena marina izay nataon'ny anjely fa noheveriny ho fahitana fotsiny.

10 Nony efa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy ireo, dia tonga teo amin'ny vavahady vy mahazo ny lalana ho any an-tanana. Nivoha nidanadana ho azy ilay vavahady ka dia tafavoaka soa aman-tsara izy ireo. Nizotra tamin'izay lalana anankiray izay izy ireo, ary dia nilaozan'ny anjely tampoka i Petera.

11 Izay vao nahatsiaro tena i Petera ka nanao hoe: Fantatro marina izao fa naniraka ny anjeliny tokoa ny Tompo, ka nanafaka ahy teo an-tanan'i Heroda sy tamin'ny ratsy rehetra notetehin'ny vahoaka jiosy.

12 Nony nazava tsara tamin'i Petera ny toe-javatra, dia lasa izy nankany an-tranon'i Maria, renin'i Johany antsoina hoe Marka. Vory maromaro tao ny olona ary nivavaka.

13 Nandondom-baravarana i Petera ka nisy ankizivavy atao hoe Roda nanatona hihaino.

14 Vao nahafantatra ny feon'i Petera izy, dia nentin-kafaliana, ka tsy namoha ny varavarana fa lasa nihazakazaka nilaza tamin'ny olona tao an-trano hoe ao am-baravarana ao i Petera.

15 Dia hoy ny olona tamin-drazazavavy: Lasa adala ity ianao! Nanizingizina i Roda fa marina izay voalazany. Ka hoy indray ny olona hoe: Ambiroany izany!

16 Fa naharitra nandondona ihany i Petera. Nony namoha azy ny tao an-trano ka nahita azy vao talanjona.

17 Nanofahofa tanana hampangina azy ireo kosa i Petera, ka nitantara ny namoahan'ny Tompo azy tao am-ponja. Ary hoy koa izy hoe: Ambarao amin'i Jakoba sy amin'ny havana iray finoana izany! Dia lasa i Petera nankany an-toeran-kafa.

18 Nony nazava ny andro, dia somaritaka be ihany ny miaramila mpiambina nifanontany momba izay niafaran'i Petera.

19 Nampikarohin'i Heroda izy, nefa tsy hita. Dia nalaina am-bava ireto mpiambina ary nasainy novonoina. Avy eo dia niala tao Jodea i Heroda ka nankany Kesaria ary nipetrapetraka tany.

20 Tezitra izaitsizy tamin'ny mponina tany Tiro sy Sidona i Heroda. Ry zareo kosa anefa niray saina nanatona ny mpanjaka. Rehefa nahazo an'i Blasta mpitandrina ny trano fandrian'ny mpanjaka ho namana izy ireo, dia nangataka hanao raharaham-pihavanana tamin'i Heroda, satria ny tanin'ny mpanjaka no mamatsy ny faritr'i Tiro sy i Sidona.

21 Tamin'ny andro voatendry, dia nitafy ny fanamiana maha mpanjaka i Heroda ary nipetraka teo amin'ny sezafiandrianana ka nikabary ampahibemaso tamin'ny solotenan'i Tiro sy i Sidona.

22 Ary ny vahoaka tafavory niantsoantso hoe: Andriamanitra izany miteny izany fa tsy mba olombelona!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9056