Jôhany
Toko faha-17
1 Avy nilaza izany i Jesoa, dia nanandratra ny masony any an-danitra ka nanao hoe: Ray o, tonga ny fotoanandro. Omeo voninahitra ny Zanakao mba hanomezan'ny Zanaka voninahitra Anao.2 Araka ny nanomezanao Azy fahefana amin'ny olombelona rehetra, dia omeo voninahitra ny Zanakao mba hanomezany aina maharitra mandrakizay an'izay rehetra nomenao Azy.
3 Ary izao no aina maharitra mandrakizay: dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra tokana sady marina sy ny mahalala an'i Jesoa Kristy Ilay nirahinao.
4 Efa nanome voninahitra Anao Aho tety ambonin'ny tany; vitako ny asa nomenao hataoko.
5 Ray o, omeo voninahitra eo anilanao kosa Aho ankehitriny; eny, omeo Ahy ilay voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.
6 Ny anaranao dia nampahafantariko ireo olona navahanao tamin'izao tontolo izao sy nomenao Ahy; Anao ireo ka nomenao Ahy, ary ny teninao efa notandremany.
7 Fantany ankehitriny fa avy taminao ny zavatra rehetra nomenao Ahy,
8 satria ny teny izay nomenao Ahy dia efa nomeko azy ireo ary noraisiny; ka fantany marina fa nivoaka avy any aminao Aho, ary ninoany fa Ianao no naniraka Ahy.
9 Ho azy ireo no ivavahako; tsy ho an'izao tontolo izao no ivavahako, fa ho an'ireo nomenao Ahy: satria Anao ireo,
10 fa izay rehetra Ahy dia Anao ary izay rehetra Anao dia Ahy, sady efa nahazo voninahitra teo aminy Aho.
11 Tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony Aho; ireo no ho eto amin'izao tontolo izao, fa Izaho kosa mankany aminao. Ray o, masina Ianao, ka ilay anaranao efa nomenao Ahy hampahafantariko no itahirizo azy ireo, mba ho iray izy tahaka ny maha iray antsika.
12 Fony mbola teo aminy Aho, dia ny anaranao efa nomenao Ahy hampahafantariko no nitahirizako azy; ary narovako ireo, ka tsy nisy very na dia iray aza, afa-tsy ilay nirona amin'ny fahaverezana, mba hahatanteraka ny Soratra Masina.
13 Ankehitriny mankany aminao Aho; ka izany teny izany no lazaiko dieny mbola eto amin'izao tontolo izao Aho, mba hananan'ireo ny hafaliako tanteraka ao aminy.
14 Efa nomeko ny teninao ireo, ka ankahalain'izao tontolo izao: satria tsy naman'izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman'izao tontolo izao Ahy.
15 Tsy ny hanesoranao azy amin'izao tontolo izao no ivavahako, fa ny hiarovanao azy amin'ilay Ratsy.
16 Tsy naman'izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman'izao tontolo izao Ahy.
17 Atokany ho Anao araka ny hafatra marim-pototra ireo: ny teninao no hafatra marim-pototra.
18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho eo amin'izao tontolo izao no nanirahako azy ho eo amin'izao tontolo izao koa.
19 Ho azy ireo no anokanako tena aminao, mba ho voatokana ho Anao araka ny hafatra marim-pototra koa ireo.
20 Tsy ho an'ireto ihany no ivavahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny.
21 Mivavaka Aho mba ho iray izy rehetra: Ray o, enga anie ho ao anatintsika izy rehetra tahaka Anao ato anatiko ary Izaho ao anatinao, mba hinoan'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.
22 Efa nomeko azy ireo ny voninahitra nomenao Ahy mba ho iray izy tahaka ny maha iray antsika:
23 Izaho ao anatiny, Ianao ato anatiko, hany ka ho iray tanteraka izy, dia ho fantatr'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy sady Ianao efa tia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy.
24 Ray o, tiako hiaraka amiko any amin'izay misy Ahy ireo nomenao Ahy mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy noho Ianao efa tia Ahy talohan'ny nahariana izao tontolo izao.
25 Ray o, mandala ny rariny Ianao, ka tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto efa nahalala fa Ianao no naniraka Ahy.
26 Efa nampahafantariko azy ireo ny anaranao sady mbola hampahafantariko hatrany, mba ho ao amin'ireo ny fitiavana izay nitiavanao Ahy ary mba ho ao anatiny koa Aho.
Toko faha-18
1 Rehefa voalazan'i Jesoa izany, dia lasa Izy mbamin'ny mpianany nandeha nankeny andafin'ny lohasahan-driaka atao hoe Kidrona; ary nisy saha anankiray teo, izay nidiran'Izy sy ny mpianany.2 Fantatr'i Jodasy, ilay efa hanolotra Azy, io toerana io satria falehan'i Jesoa mbamin'ny mpianany matetika.
3 Ka nony voarain'i Jodasy ny antoko miaramila iray sy ny mpiandry raharaha avy tamin'ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina, dia nankeo amin'ilay toerana izy iray tarika nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana.
4 Tamin'izay i Jesoa dia efa nahalala izay rehetra hanjo Azy, ka lasa nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe: Iza no tadiavinareo?
5 Dia novalian'ireo hoe: I Jesoa avy any Nazareta! Ka hoy i Jesoa taminy: Izaho no Izy! Teo koa izany i Jodasy ilay manolotra Azy, niaraka tamin-dry zareo.
6 Vao nilazan'i Jesoa ry zareo hoe: Izaho no Izy, dia nianotra, ka lavo tamin'ny tany.
7 Dia nanontany azy indray i Jesoa hoe: Iza no tadiavinareo? Dia novalian'ireo hoe: I Jesoa avy any Nazareta!
8 Ka hoy i Jesoa: Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto!
9 Izany dia mba hahatanteraka ny teny voalazan'i Jesoa hoe: Ray o, tsy navelako hisy very tamin'ireo nomenao Ahy na dia iray aza.
10 Ary nanan-tsabatra i Simona Petera ka nanatsoaka azy; dia namely ny mpanompon'ny mpisorombe izy ary nahafaka ny sofiny havanana (I Malko no anaran'ilay mpanompo.)
11 Fa hoy i Jesoa tamin'i Petera: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao. Tsy hiaretako ve ny anjara fijaliana nomen'ny Ray Ahy?
12 Tamin'izay ny antoko miaramila sy ny komandy ary ny mpiandry raharaha nirahin'ireo manampahefana jiosy dia nisambotra an'i Jesoa ka namatotra Azy.
13 Tany amin'i Hana aloha no nitondrany Azy, fa i Hana no rafozan'i Kaiafa izay mpisorombe tamin'izany taona izany.
14 I Kaiafa kosa no ilay nanome hevitra ireo manampahefana jiosy hoe: Tsara raha maty ho an'ny vahoaka ny lehilahy anankiray.
15 Dia nanaraka an'i Jesoa i Simona Petera sy mpianatra anankiray hafa. Fantatry ny mpisorombe io mpianatra io, ka niara-niditra tamin'i Jesoa tao an-tokotanin'ny mpisorombe.
16 Fa i Petera kosa nijanona tany alatrano, teo akaikin'ny vavahady. Dia niainga ilay mpianatra izay fantatry ny mpisorombe, ka niteny tamin'ny vehivavy mpiandry vavahady, ary nampiditra an'i Petera.
17 Fa hoy ity mpiandry vavahady tamin'i Petera: Ianao koa ve tsy isan'ny mpianatr'iny Lehilahy iny? Dia novaliany hoe: Tsia, tsy anisany aho!
18 Namelona afon'arina ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha ka nipetraka namindro teo, fa nangatsiaka ny andro; ary dia mba nijanona niara-namindro taminy koa i Petera.
19 Tamin'izay i Hana mpisorombe dia nanadina an'i Jesoa momba ny mpianany sy ny fampianarany,
20 ka novalian'i Jesoa hoe: Izaho dia niteny an-karihary tamin'izao tontolo izao; Izaho dia nampianatra mandrakariva tao amin'ny sinagoga sy teo an-kianjan'ny tempoly izay ivorian'ny Jiosy rehetra fa tsy niteny na inona na inona an-takona.
21 Ka ahoana no anontanianao Ahy? Ireo nihaino Ahy anontaniana izay noteneniko taminy, fa ireo no mahalala izay nolazaiko.
22 Rehefa nilaza izany i Jesoa, dia nisy anankiray tamin'ny mpiandry raharaha teo namely tahamaina Azy sady nanao hoe: Izany ve no famalinao ny mpisorombe?
23 Fa hoy i Jesoa namaly azy: Raha ratsy ny teniko, lazao ny maha ratsy azy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?
24 Tamin'izay i Jesoa dia nasain'i Hana nentina am-patorana ho any amin'i Kaiafa mpisorombe.