Levitîka
Toko faha-6
15 Rehefa misy anankiray amin'ny taranak'i Aharona voahosotra ho mpisorombe handimby azy, dia hanao izany fanatitra izany koa izy. Anjara raikitra ho Ahy TOMPO izany ka hodorana hanetona avokoa:16 ny fanatitra rehetra avy amina mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy misy tavela hohanina.
17 Dia niteny tamin'i Mosesy indray ny TOMPO
18 mba hamepetra an'i Aharona sy ireo zanany lahy hoe: Izao no lalana momba ny sorona fanalana ny ota: Eo amin'ny toerana famonoana ny sorona dorana manontolo, dia eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO, no famonoana ny sorona fanalana ny ota. Zava-masina dia masina izany,
19 ka ilay mpisorona manolotra azy ho fanalana ny ota no hihinana azy eo amina faritra voatokana, dia eo amin'ny kianjan'ny Tranolay fihaonana;
20 ny olon-kafa rehetra, izay mikasika ny henan'izany sorona izany, dia hofaizin'ny fahamasinan'Andriamanitra. Raha misy fitafiana ipitihan'ny rany, dia hosasana eo amina toerana voatokana ny faritra nipitihany:
21 Ny vilany tany izay nandrahoany azy dia homontsanina; fa raha vilany varahina no nandrahoana azy, dia hodiovina sy hohontsanan-drano ilay vilany.
22 Ny lehilahy rehetra anisan'ny mpisorona no mahazo mihinana io hena io, satria zava-masina dia masina izany.
23 Kanefa ny sorona fanalana ny ota, izay angalan-dra hoentina ao amin'ny Tranolay fihaonana mba hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ao amin'ny Toeramasina, dia tsy hohanina ny henany fa hodorana amin'ny afo.
Toko faha-7
1 Izao no lalana momba ny sorom-panonerana: Zava-masina dia masina izany,2 ka eo amin'ny toerana famonoana ny sorona dorana manontolo no hamonoana ny sorom-panonerana; ary ny ra dia hatopiny manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
3 Hatolotra avokoa ny tavin-kena rehetra: dia ny hofany, ny safodrorohany sy ny jaboran-tsinainy,
4 ny voany roa mbamin'ny jabora izay miraikitra amin'ny voany sy amin'ny takibany, ary koa ny ila-atiny izay hatao indray manala amin'ny voany.
5 Hodoran'ny mpisorona hanetona eo ambonin'ny alitara ireo, ho sorona levonina amin'ny afo ho an'ny TOMPO: sorom-panonerana izany. 6 Ny lehilahy rehetra anisan'ny mpisorona no mahazo mihinana ny hena; eo amina faritra voatokana no hihinanany azy, satria zava-masina dia masina izany.
7 Sahala amin'ny sorona fanalana ny ota ihany ny sorom-panonerana, ka lalana iray no ho amin'izy roa: ho an'ilay mpisorona manao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ny henan-tsorona.
8 Raha misy sorona dorana manontolo aterin'olona, dia hahazo ny hoditr'izany ilay mpisorona manolotra azy.
9 Ny fanatitra masaka rehetra, nendasina tamin'ny lafaoro na tamin'ny lapoaly na tamin'ny takela-by, dia an'ilay mpisorona manolotra azy.
10 Ny fanatitra tsy masaka rehetra kosa, na miharo menaka na maina, dia zaraina mitovy amin'ny taranak'i Aharona rehetra.
11 Izao no lalana momba ny sorom-pihavanana izay haterina amin'ny TOMPO:
12 Raha misy olona manatitra sorom-pihavanana mba ho fisaorana an'Andriamanitra, dia ireto zavatra ireto no hateriny ho fanampiny: mofo vaventy tsy misy leviora sady miharo menaka, mofo fisaka tsy misy leviora sady voahoso-menaka; ary mofo atao amin'ny koba lafarinina miharo menaka.
13 Ankoatra ireo mofo tsy misy leviora ireo, dia hanatitra mofo misy leviora koa izy ho fanampin'ilay sorom-pihavanana atao ho fisaorana an'Andriamanitra.
14 Samy hangalana anankiray avy ireo fanatitra isan-karazany ireo hasandratra ho an'ny TOMPO; fa ny mofo sisa kosa dia ho an'ilay mpisorona mamafy ny ran'ny sorom-pihavanana.
15 Ny henan'ny sorom-pihavanana atao ho fisaorana an'Andriamanitra dia hohanina amin'ny andro anaterana azy, fa tsy hisy havela ho tra-maraina.
16 Raha misy olona manatitra sorom-pihavanana fanalam-boady na an-tsitrapo, dia amin'ny andro anaterana azy no ihinanana ampahan'ny hena; izay ambiny kosa azo hanina ampitson'iny,
17 fa ny sisa tavela dia hodorana amin'ny andro fahatelo.
18 Raha tahiny hihinanana amin'ny andro fahatelo izany henan'ny sorom-pihavanana izany, dia tsy hahazo sitraka amin'Andriamanitra ny mpanatitra azy; hoheverina ho tsinontsinona izany sorom-pihavanana izany, satria ny henany efa nanjary tsy azo ampiasaina amin'ny fombam-pivavahana intsony. Izay olona mihinana amin'izany dia itambesaran-keloka.
19 Raha nikasika zava-maloto ara-pivavahana koa izany henan'ny sorom-pihavanana izany, dia tsy tokony hohanina fa hodorana. Ny amin'ny henan'ny sorom-pihavanana dia izay olona madio rehetra no mahazo mihinana azy;
20 fa ny olona misy fahalotoana ara-pivavahana, kanefa mihinana hena ambin'ilay sorom-pihavanana voatokana ho an'ny TOMPO, dia hofongorana tsy ho anisan'ny vahoaka israelita.
21 Ary izay nahakasika fahalotoana ara-pivavahana, na olona maloto na biby maloto na zavatra hafa maloto, kanefa mihinana amin'izany hena izany, dia hofongorana tsy ho anisan'ny vahoaka israelita.
22 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO
23 mba hamepetra ny Israelita hoe: Aza misy hanina ny tavin-kenan'ireo biby fanao sorona, na ny an'ny omby, na ny an'ny ondry, na ny an'ny osy.
24 Ny tavin-kenan'ny biby maty ho azy na voaviraviram-bibidia kosa dia azo anaovan-javatra hafa ihany, saingy tsy azonareo hanina velively.
25 Fa izay rehetra mihinana ny tavin-kenam-biby, natao hatolotra ho sorona levonina amin'ny afo ho an'ny TOMPO, dia hofongorana tsy ho anisan'ny vahoaka israelita.
26 Aza mihinana ram-borona na ram-biby ianareo, na aiza na aiza hitoeranareo.
27 Izay rehetra mihinana ra dia hofongorana koa tsy ho anisan'ny vahoaka israelita.
28 Dia niteny tamin'i Mosesy indray ny TOMPO
29 mba hamepetra ny Israelita hoe: Izay manatitra sorom-pihavanana amin'ny TOMPO dia hitondra ny ampahany voatokana ho an'ny TOMPO avy amin'izany sorom-pihavanana izany.
30 Ny tanany ihany no hitondra ny zavatra holevonina amin'ny afo ho an'ny TOMPO, dia ny tavin-kenan'ilay biby mbamin'ny tratrany; ka io tratrany io dia hahevaheva eo anatrehan'ny TOMPO no fomba fanolotra azy.
31 Hodoran'ny mpisorona hanetona eo ambonin'ny alitara ny tavin-kena; fa ny tratrany kosa dia ho an'i Aharona sy ireo taranany.
32 Halainareo avy amin'ilay biby sorom-pihavanana kosa ny feny ankavanana, ka homenareo ny mpisorona:
33 io feny ankavanana io dia ho anjaran'izay iray amin'ny taranak'i Aharona hanolotra ny ra aman-tavin-kenan'ny sorom-pihavanana,
34 satria alain'ny TOMPO avy amin'ny sorom-pihavanan'ny Israelita ny tratrany nahevaheva sy ny feny navahana, ka nomeny an'i Aharona sy ireo taranany, mba ho anjara raikitra ho azy hatrany hatrany avy amin'ny Israelita.
35 Ireny zavatra navahana avy amin'ny sorona nolevonina tamin'ny afo mba ho an'ny TOMPO ireny no anjaran'i Aharona sy ireo taranany amin'ny maha mpisorona azy, manomboka amin'ny andro nametrahana azy hanao ny fanompoana maha mpisorona eo anatrehan'ny TOMPO.
36 Nodidian'ny TOMPO mihitsy izany mba homen'ny Israelita azy ireo, manomboka amin'ny andro nanokanana azy ho mpisorona.
37 Izany sy izany no lalana momba ny sorona dorana manontolo, ny fanatitra vokatry ny tany, ny sorona fanalana ny ota, ny sorom-panonerana, ny sorona fanokanana, ary ny sorom-pihavanana.
38 Nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay tany an-taniefitra ireny, dia tamin'ny andro nandidian'ny TOMPO hanateran'ny Israelita sorona aminy.
Toko faha-8
1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:2 -Antsoy i Aharona sy ny zanany miaraka aminy, hankeo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana; asaovy entina ny fanamiana masina, ny menaka fanosorana, ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota, ny ondrilahy roa ary ny harona nasiana mofo tsy mis
3 Vorio koa ny Israelita rehetra ho tafangona eo anoloan'io toerana io.
4 Nanao araka izay nandidian'ny TOMPO azy i Mosesy ka tafangona teo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana ny Israelita;