Lioka
Toko faha-22
43 Tamin'izay kosa nisy anjely anankiray avy tany an-danitra niseho taminy sy nankahery Azy.44 Dia nitebiteby fadiranovana Izy, fa vao mainka nivavaka mafimafy kokoa indray. Ary nanjary toy ny ra mitete ny hatsembohany sady nipotrapotraka tamin'ny tany.
45 Nony nitsangana avy nivavaka i Jesoa, dia nankeo amin'ny mpianany, ka nahita azy ireo natory noho ny alahelo.
46 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no matory ianareo? Mifohaza, ka mivavaha mba tsy ho azon'ny fakampanahy ianareo!
47 Raha mbola miteny eo i Jesoa, dia indro nisy andian'olona tamy; ka ilay atao hoe Jodasy, anankiray amin'ny 12 lahy no lohalalana. Ary nanatona an'i Jesoa i Jodasy mba hanoroka Azy.
48 Fa hoy i Jesoa taminy: O! ry Jodasy, dia fanorohana ve no anoloranao ny Zanak'olona?
49 Nahatsinjo ny zava-hitranga ireo mpianatra teo amin'i Jesoa, ka nanontany Azy hoe: Ahoana, Tompoko, raha mba hamely amin'ny sabatra izahay?
50 Dia namely ny mpanompon'ny mpisorombe tokoa ny anankiray tamin'ireto mpianatra, ka nahafaka ny sofiny havanana.
51 Fa niteny i Jesoa nanao hoe: Aoka izay! Dia nikasika ny sofin-dralehilahy Izy, ka nanasitrana azy.
52 Ary izao no tenin'i Jesoa tamin'ny lohandoha-mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly mbamin'ny loholona tonga teo hisambotra Azy: Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay.
53 Teo aminareo isan'andro Aho tao an-kianjan'ny tempoly kanefa tsy nikasi-tanana Ahy ianareo; fa izao no ora voatendry ho anareo sy hanamparan'ny maizina ny fahefany.
54 Dia nosamborin-dry zareo i Jesoa ary nentiny ka nampidiriny tao amin'ny tranon'ny mpisorombe. I Petera izany nanjohy lavidavitra teny ihany.
55 Namelona afo teo afovoan-tokotany ny mpiasa ary namindro; dia mba namindro niaraka taminy teo koa i Petera.
56 Teo amin'ny mazavazava izy no nitoetra, hany ka tsikaritry ny vehivavy mpiasa anankiray sy nodinidinihiny ary nataony hoe: Ity rangahy ity koa niaraka taminy!
57 Fa nanda i Petera nanao hoe: Tsy mahalala Azy aho, ramatoa!
58 Nony afaka kelikely, dia nisy lehilahy indray nahatsikaritra azy ka nanao hoe: Ianao koa anisan'ireny! Fa hoy i Petera: Tsy anisany aho, andriamatoa!
59 Ary tokony ho adiny iray taoriana, nisy lehilahy hafa koa nanizingizina hoe: Tena niaraka tamin'io mihitsy ity rangahy ity sady Galileanina rahateo.
60 Fa hoy i Petera: Tsy fantatro izay lazainao, andriamatoa! Niaraka tamin'izay, raha mbola niteny i Petera, dia nisy akoho naneno.
61 Ary nitodika nijery an'i Petera ny Tompo ka tsaroan'i Petera ny tenin'ny Tompo fony Izy nilaza taminy hoe: Alohan'ny maneno akoho anio, dia handa Ahy intelo ianao.
62 Dia lasa nankany ivelany i Petera ka nitomany fatratra.
63 Dia nesoin'ireo mpiambina Azy i Jesoa sady nokapohiny;
64 ary nony avy nosaronany tava, dia nanontaniany hoe: Vinanio hoe izay namely Anao teo?
65 Ary maro koa ny teny hafa nanevatevany Azy.
66 Nony maraina ny andro, dia nivory ny loholom-bahoaka sy ny lohandoha-mpisorona mbamin'ny mpahay lalana; ary nasain-dry zareo nentina i Jesoa hiatrika ny Fitsarana ambony teo anoloany.
67 Ka hoy ireo taminy: Lazao aminay raha Ianao no ilay Mesia! Dia novalian'i Jesoa hoe: Raha hilaza aminareo Aho, tsy hinoanareo akory;
68 raha hanontany Aho, tsy hovalianareo akory.
69 Tsy ho ela intsony anefa ny Zanak'olona dia hipetraka eo ankavanan'ilay Andriamanitra mahery.
70 Ary hoy izy rehetra hoe: Koa Ianao ve izany no ilay Zanak'Andriamanitra? Dia novalian'i Jesoa hoe: Voalazanareo fa Izaho no Izy.
71 Ka hoy ry zareo: Inona indray no ilantsika vavolombelona? Ny tenantsika no efa nandre tamin'ny vavany.
Toko faha-23
1 Dia indray nitsangana ny mpivory ka nitondra an'i Jesoa tany amin'i Pilato,2 ary nanomboka niampanga Azy nanao hoe: Ity olona ity hitanay manakorontana ny firenenay sy mandrara tsy handoa hetra amin'ny amperora romanina ary mihambo ny tenany ho Mesia mpanjaka.
3 Fa i Pilato kosa nanontany an'i Jesoa hoe: Ianao ve no Mpanjakan'ny Jiosy? Dia novaliany hoe: Anao izany teny izany!
4 Ka hoy i Pilato tamin'ny lohandoha-mpisorona sy ny vahoaka: Tsy ahitako heloka na iray aza ity Lehilahy ity!
5 Fa vao mainka nandentika ry zareo nanao hoe: Mampiodina ny vahoaka eran'i Jodea manontolo Izy amin'ny fampianarana ataony, hatrany Galilea izay nanombohany ka hatraty.
6 Vao ren'i Pilato izany, dia nanontaniany raha Galileanina tokoa ralehilahy.
7 Nony fantany fa avy amin'ny tany fehezin'i Heroda i Jesoa, dia nalefany any amin'i Heroda izay tao Jerosalema koa tamin'izany andro izany.
8 Faly dia faly ery i Heroda nahita an'i Jesoa, satria efa hatry ny ela no nandre ny lazany sy naniry hihaona aminy; ary nanantena izy fa hahita Azy hanao famantarana.
9 Nanaovan'i Heroda fanontaniana maro i Jesoa, fa tsy namaly na teny indraim-bava aza.
10 Eo izany ireo lohandoha-mpisorona sy ireo mpahay lalana tsy sasatra miampanga Azy.
11 Dia notebahin'i Heroda sy ny miaramilany Izy ka nesoiny sady nampiakanjoiny akanjo mamirapiratra, vao naveriny tany amin'i Pilato.
12 Tamin'izay andro izay dia nanjary nihavana i Heroda sy i Pilato izay nifandrafy iny teo aloha.
13 Novorin'i Pilato ny lohandoha-mpisorona sy ny manampahefana jiosy ary ny vahoaka,
14 dia nilazany hoe: Nentinareo taty amiko io Lehilahy io fa hoe nampiodina ny vahoaka; izaho efa nanadina Azy teo anatrehanareo, saingy tsy nahitako heloka na iray aza io Lehilahy io tamin'izay niampanganareo Azy.
15 I Heroda koa tsy nahita heloka taminy, fa namerina Azy ho aty amintsika. Miharihary fa tsy misy na inona na inona nataony tokony hanamelohana Azy ho faty;
16 noho izany, hasaiko hokapohina Izy dia halefako.
17 Fa isaky ny fankalazana ny Paska i Pilato dia tsy maintsy mandefa mpifatotra anankiray ho azy ireo.]
18 Kanjo indray nihoraka izy rehetra nanao hoe: Vonoy io, fa i Barabasy alefa ho anay.
19 (Fa ity Barabasy ity dia anisan'ny nanao fikomiana tao an-tanana sady nahafaty olona, ka natao am-ponja.)
20 Dia mbola niteny ihany i Pilato satria te handefa an'i Jesoa.
21 Kanefa niantsoantso mafy ny vahoaka nanao hoe: Homboy, homboy amin'ny hazofijaliana io!